Testamenta Vaovao 2023
12 nôvambra. Ahoana no ahafahako manatona kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masina? Hebreo 7–13


“12 nôvambra. Ahoana no ahafahako manatona kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masina? Hebreo 7–13,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023 (2022)

“12 nôvambra. Ahoana no ahafahako manatona kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masina?,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023

Sary
zatovolahy mizara ny fanasan’ny Tompo

12 nôvambra

Ahoana no ahafahako manatona kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masina?

Hebreo 7–13

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany,, 10.2, 11.2). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Ahoana no nanakaikezantsika kokoa ny Mpamonjy? Ahoana no iezahantsika hitovy kokoa Aminy?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Iza no tao an-tsaintsika tato ho ato? Ahoana no ahafahantsika manampy ireny olona tsirairay ireny?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Ahoana no ahafahantsika mamaly ny fanontanian’ny namantsika momba ny Fiangonana amin’ny fomba izay manamafy orina ny finoan’izy ireo ny Mpamonjy?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Inona avy ireo fomba vitsivitsy ahafahantsika mifandray tsara kokoa amin’ireo havana, toy ny raibe sy renibe sy ny zanaky ny mpiray tampo amin’ny ray aman-dreny?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Nandritra ny taonjato maro ny zanak’i Isiraely, izay antsoina indraindray hoe Hebreo, dia navitrika nandray anjara amin’ireo ôrdônansy mifandray amin’ny tabernakely sy ny lalàn’i Mosesy. Ary maro amin’izy ireo no tsy nahafantatra fa ireo zavatra ireo dia “tandindon’ny zavatra any an-danitra,” “aloky ny zava-tsoa ho avy” (Hebreo 9:23; 10:1). Ny ôrdônansy rehetra dia natao hampianarana azy ireo momba an’i Jesoa Kristy avokoa. Izany no nohazavain’i Paoly tao amin’ny epistiliny ho an’ny Hebreo. Zava-dehibe ho antsika ankehitriny ihany koa ny hafany satria isika koa dia manana ôrdônansy masina manana tanjona mitovy amin’izany koa. Koa tsara ny manontany ny tenantsika an’ireto fanontaniana ireto: Moa ve manampy antsika hahatsiaro an’i Jesoa Kristy ireo ôrdônansy ireo? Misy zavatra fanampiny azontsika atao ve mba hiaina ny herin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny filazantsara? Sa ve tahaka ireo Hebreo fahiny isika ka tsy mahalala ny tena dikany lalina?

Saintsaino ireo fanontaniana ireo rehefa mamaky ny Hebreo 7–13 ianao sy rehefa miomana hampianatra ny fomba itondran’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ireo antsika ho akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy. Azonao atao ihany koa ny mandalina ny sasany amin’ireo hafatra avy amin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany voatanisa ato amin’ity rindran-damina ity.

Miaraha mianatra

Mba hanampiana ny mpianatrao hahita ny fomba ahafahan’izy ireo manatona kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana, dia azonao asaina izy ireo hitanisa ôrdônansin’ny filazantsara vitsivitsy sy ny fanekempihavanana mifandray amin’izany eny amin’ny solaitrabe (Jereo ny Sujets de l’évangile, “Ordonances,” “Alliance,” topics.ChurchofJesusChrist.org). Inona no ampianarin’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ireo antsika momba an’i Kristy sy ny Sorompanavotany? Ilay teny nambaran’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” dia manome famaritana ny hoe ôrdônansy sy hevitra manan-danja hafa. Afaka manampy ihany koa ny sahanasa tahaka ireto manaraka ireto.

  • Azonao asaina ireo zatovo hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–22 ary hifanakalo hevitra momba ny fanontaniana tahaka ireto: Inona no dikan’ny hoe “herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra”? Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny ôrdônansy sy ny fanekempihavanana antsika hahatsapa izany hery izany? Inona no fiovana entin’ny ôrdônansy sy ny fanekempihavanana eo amin’ny fiainantsika? Ahoana no hanampian’izany antsika hifandray tsy tapaka amin’ny Mpamonjy? Mba hamaliana ireo fanontaniana ireo dia azonao vakina ny andiam-pehezan-teny efatra voalohany amin’ny hafatry ny Loholona Kent F. Richards hoe “Ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra” (Liahona, mey 2016, 118) na ny hafatry ny Loholona Bednar hoe “Aoka izany trano izany haorina ho an’ny anarako” (Liahona, mey 2020, 84–87), indrindra fa ilay fizarana hoe“Avy ao anaty mankaty ivelany.”

  • Hevero ny hanontany ny mpianatrao ny fomba hanazavany ny ôrdônansin’ny Fanasan’ny Tompo amin’ny olona iray izay tsy mahalala na inona na inona momba izany. Ny fizarana hoe “Traikefa sy fijoroana ho vavolombelona” ao amin’ny hafatry ny Loholona Taniela B. Wakolo hoe “Traikefa sy fijoroana ho vavolombelona” (Liahona, mey 2018, 39–41) dia manolotra ohatra iray. Ahoana no hitondran’ny fanasan’ny Tompo antsika hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy? Inona avy ny fotoana ananantsika hampianarana ny hafa momba izany?

  • Ny fijerena ireo sosokevitra dimy ao amin’ny hafatry ny Loholona Peter F. Meurs hoe “Afaka manampy antsika ho tonga masina ny fanasan’ny Tompo” (Liahona, nôv. 2016, 85–87) dia afaka manampy ny zatovo hahatakatra ny fomba hiomanana bebe kokoa amin’ny fanasan’ny Tompo. Na, raha misy zatovo miomana ny handray ny fanafiana masina any amin’ny tempoly, dia jereo miaraka ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Momba ny fanafiana masina any amin’ny tempoly” ao amin’ny temples.ChurchofJesusChrist.org. Ifanakalozy hevitra ny fomba ahafahan’ireo ôrdônansy masina ireo sy ny fankempihavanana mifandray amin’izany mitondra antsika ho akaiky kokoa ny Mpamonjy.

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe Fanasan’ny Tompo, Batisa, ary Tempoly. Asao ireo zatovo hitanisa ireo fanekempihavanana ataontsika eo ambanin’ny tsirairay avy amin’izany. Afaka manampy ireo fanoroan-kevitra ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana.” Ifanakalozy hevitra miaraka ny fomba hanampian’ireo fanekempihavanana ireo antsika ho akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.

  • Azonao zaraina ho vondrona maromaro ny kilasy na ny kôlejy misy anao dia omeo andraikitra ny vondrona tsirairay handinika fizarana iray ao amin’ny hafatry ny Loholaon Ronald A. Rasband hoe “Manaja ireo fampanantenantsika sy fanekempihavanantsika” (Liahona, nôv. 2019, 53–56) na ny hafatry ny Loholona D. Todd Christofferson hoe “Ny antony handehanana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana” (Liahona, mey 2021, 116–19). Amporisiho izy ireo hizara ny zavatra nianarany momba ny fomba hanamafisan’ny fitandremany ny fanekempihavanany ny fifandraisan’izy ireo amin’i Jesoa Kristy.

Sary
zatovovavy mandeha eo ivelan’ny tempoly

Ireo ôrdônasy masin’ny filazantsara dia mitondra ny “herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra” eo amin’ny fiainantsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–22).

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

  • Môzià 18:8–10 (Fanekempihavanan’ny batisa)

  • Môrônia 4–5 (Fanekempihavanan’ny Fanasan’ny Tompo)

  • Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ireo ôrdônansy masina dia zava-dehibe indrindra ao anatin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy sy ao anatin’ny dingana arahina mba hanatonana Azy sy hikatsahana fahaterahana ara-panahy indray. Fombafomba masina izay manana tanjona ara-panahy sy misy dikany mandrakizay ary mifandray amin’ireo lalàna sy fitsipik’ Andriamanitra ny ôrdônansy. …

    “Ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana izay tanterahina ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny dia mihoatra lavitra noho ny hoe fomba fanao na zavatra atao mifono tandindona. Fa manorina fantsona nankatoavina izy ireo izay ahafahan’ireo fitahiana sy ny herin’ny lanitra mirotsaka eo amin’ny fiainan’ny olona tsirairay. …

    “Ny ôrdônansy raisina sy hajaina amin-kitsimpo dia tena ilaina mba hahazoana ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra sy ireo fitahiana atolotra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy” (“Hitana mandrakariva ny famelana ny fahotanareo,” Liahona, mey 2016, 59–60).

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Rehefa manasa ireo izay ampianarinao ianao mba handray andraikitra eo anatrehan’ny fotopampianarana marina dia manampy azy ireo ianao mba hitondra ny fianarana hatrany an-tokantrano sy eo amin’ny fiainana andavanandro.

Hamoaka printy