Testamenta Vaovao 2023
26 nôvambra. Ahoana no ahafahako manampy ireo razambeko hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy? 1 sy 2 Petera


“26 nôvambra. Ahoana no ahafahako manampy ireo razambeko hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy?,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023 (2022)

“26 nôvambra. Ahoana no ahafahako manampy ireo razambeko hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy?,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023

Sary
dobo fanaovana batisa

26 nôvambra

Ahoana no ahafahako manampy ireo razambeko hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy?

1 sy 2 Petera

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.2, 11.2). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Inona avy no lohahevitra noresahin’ny episkôpà tamin’ny fivoriana filankevitry ny zatovon’ny paroasy misy antsika? Inona no azontsika kilasy na kôlejy manontolo atao mifototra amin’ireo fifanakalozan-kevitra ireo?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Ahoana no ahafahantsika manolo-tanana amin’ny olona araka ny fomban’i Kristy rehefa mahita olona mila fanampiana isika nefa tsy mahita holazaina?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Inona no hitantsika tao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ka mitondra fifaliana ho antsika? Ahoana no ahafahantsika mizara izany fifaliana izany amin’ny hafa?

  • Fampitambarana ny fianakaviana ho mandrakizay. Inona no ataontsika mba hahitana ny anaran’ireo razambentsika izay mila ôrdônansin’ny tempoly? Inona no azontsika atao mba hanampiana ny hafa hahita ny anaran’ny razambeny?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Inona no mitranga amin’ireo olona an-davitrisany izay maty kanefa tsy tena nanana fahafahana hihaino ny filazantsaran’i Jesoa Kristy na handray ireo ôrdônansin’ny famonjena? Afaka mahita ampahany kely amin’ny valin’izany isika ao amin’ny 1 Petera 3:18–20; 4:6, izay niresahan’i Petera momba ny fitoriana ny filazantsara tamin’ny maty. Ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138 avy eo no mampahafantatra ny fahamarinana feno hoe afaka manatona tanteraka an’i Kristy ireo razambentsika raha mino Azy sy manaiky ny filazantsarany ary raha manao ireo ôrdônansy azo atao ho azy ireo any amin’ny tempoly isika. Io fitahiana io dia mitaky antsika, izay taranany manana ny filazantsara, mba hikaroka ny anaran’izy ireo, ho any amin’ny tempoly, ary handray ireo ôrdônansin’ny famonjena amin’ny anaran’izy ireo.

Inona ny traikefa azonao tamin’ny fanampiana ny razambenao hanakaiky kokoa an’i Kristy? Ahoana no ahafahanao manampy ireo izay ampianarinao mba ho lasa faly kokoa amin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly ary hatoky tena kokoa amin’ny fahafahan’izy ireo manao izany? Eo am-piomananao dia azonao vakina ny hafatry ny Loholona Dale G. Renlund hoe “Tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly: famehezana sy fanasitranana” (Liahona, mey 2018, 46–49).

Miaraha mianatra

Inona no mety havalin’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao ny olona iray izay manontany hoe ahoana no ahafahana manavotra ireo olona tsara izay tsy nanana fahafahana handray ny filazantsara? Inona no hitan’izy ireo ao amin’ny 1 Petera 3:18–20; 4:6 mba hamaliana io fanontaniana io? Azonareo tohizana amin’ny iray na ny maromaro amin’ireto sahanasa manaraka ireto ny fifanakalozan-kevitra ataonareo.

  • Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ihany no manana ny fotompampianarana momba ny fanavotana ny maty. Asao ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy mba handalina tsirairay na ao anatina vondrona ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:25–39 ary hizara ny zavatra nianarany (jereo ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” raha hijery soratra masina fanampiny mikasika io lohahevitra io). Inona no lazain’ireo andininy ireo mikasika ny zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra momba ny zanany rehetra? Ahoana no hanampian’ny batisa ho an’ny maty an’ireo razambentsika hanakaiky kokoa an’i Kristy? Ahoana no hanampian’izany antsika hanakaiky kokoa an’i Kristy sy hampitombo ny finoantsika Azy?

  • Inona no mety hanentana ny zatovo handray anjara kokoa amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tantaram-pianakaviana? Azon’izy ireo atao ny mitady ireo fitahiana nampanantenaina ao amin’ilay lisitra tanisaina amin’ny alalan’ny teboka fitanisana ao amin’ny hafatry ny Loholona Dale G. Renlund hoe “Tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly: famehezana sy fanasitranana.” Asao izy ireo hizara izay fitahiana manan-danja amin’izy ireo sy ny anton’izany. Azonareo hifanakalozana hevitra ihany koa ny sasany amin’ireo sakana izay mety tsy hamela antsika handray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tantaram-pianakaviana. Ahoana no hanampian’ny Mpamonjy antsika handresy ireo sakana ireo?

  • Raha afaka mampiasa fitaovana elektrônika ny mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao dia afaka maka fotoana kely ianao hampisehoana azy ireo ny fomba nanamoran’ny Tompo tsy mbola nisy toy izany ny fitadiavana ireo razambe izay mila ireo ôrdônansin’ny famonjena (jereo ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana”). Afaka manasa mpanorohevitra iray mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasy ianao hanampy ny zatovo hahatakatra ireo loharanom-pitaovana ireo. Azonao amporisihina koa ny zatovo hanao drafitra mba hamantatra ireo loharanom-pitaovana ireo any an-trano ary hanao tatitra momba izany amin’ny fihaonana manaraka.

Sary
zatovovavy miresaka

Rehefa manatanteraka ôrdônansy masina any amin’ny tempoly isika dia manampy amin’ny fanomezana ireo fitahian’ny filazantsara an’ireo izay efa nodimandry.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Rehefa manasa ny zatovo hampianatra ianao dia makà fotoana hanampiana azy ireo hiomana araka ny tokony ho izy. Hazavao ny zavatra ataonao mba hiomanana hampianatra. Tsy hoe hanampy ny zatovo ao anatin’ny lesona iray fotsiny ianao amin’izay fomba izay fa hanampy azy mandritra ny fiainana amin’ny fampianarana ny filazantsara amin’ny fomban’ny Mpamonjy.

Hamoaka printy