Testamenta Vaovao 2023
10 desambra. Inona no nataon’i Jesoa Kristy mba hahatanteraka ny drafitry ny Ray any An-danitra? Apokalypsy 1–5


“10 desambra. Inona no nataon’i Jesoa Kristy mba hahatanteraka ny drafitry ny Ray any An-danitra? Apokalypsy 1–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023 (2022)

“10 desambra. Inona no nataon’i Jesoa Kristy mba hahatanteraka ny drafitry ny Ray any An-danitra?,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023

Sary
Sarivonganan’i Kristy

10 desambra

Inona no nataon’i Jesoa Kristy mba hahatanteraka ny drafitry ny Ray any An-danitra?

Apokalypsy 1–5

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany,, 10.2, 11.2). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Tamin’ny fomba ahoana no nahitantsika ny fiasan’ny tanan’ny Tompo teo amin’ny fiainantsika?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Ahoana no ahafahantsika mifanampy amin’ireo zavatra lalovantsika?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Ahoana no ahafahantsika mampiasa tsara kokoa ny teknôlôjia ho fitaovana fizarana ny filazantsara?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Inona no ataontsika mba hanampiana ny fianakaviantsika hanatona an’i Kristy?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Tao anatin’ny fahitana iray i Jaona ilay Mpanambara dia nahita boky izay “tsy nisy tany an-danitra, na tetỳ an-tany, na tany ambanin’ny tany” mendrika nanokatra azy, ary nampitomany azy izany (jereo ny Apokalypsy 5:3–4). Ilay boky dia naneho ny “asan’ Andriamanitra,” ka tafiditra amin’izany ny drafiny ho an’ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizaintsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:6; Mosesy 1:39). Kanefa taorian’izay tao amin’ilay fahitana hitan’i Jaona dia nisy Zanak’ondry hita ka “miendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny” (Apokalypsy 5:9). Io vaovao tena lehibe io no nahatonga ireo anjely an’“alinalina sy arivoarivo” hihira fiderana (Apokalypsy 5:11). I Jesoa Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra, no nanavotra antsika tamin’ny alalan’ny ràny (Apokalypsy 5:9) ary nanao izay hampisy ireo fitahiana ao amin’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra.

Saintsaino ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy ho anao. Moa ve ianao efa nahatsapa toy ireo olona tao amin’ny fahitan’i Jaona izay “niankohoka ka nivavaka”? (Apokalypsy 5:14). Diniho ny fomba ahafahanao manampy ireo mpikambana ao amin’nykilasy na ny kôlejy misy anao hahatakatra ny anjara asa fototr’i Jesoa Kristy ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Ankoatra ny Apokalypsy 1–5, dia azonao vakina ihany koa ny 2 Nefia 9; “Ilay Kristy Velona: Ny Tenivavolombelon’ny Apôstôly” (ChurchofJesusChrist.org); ary ny hafatry ny Loholona Ulisses Soares hoe “Jesoa Kristy: ilay mpikarakara ny fanahintsika” (Liahona, mey 2021, 82–84).

Miaraha mianatra

Mety ho tian’ny kilasy na ny kôlejy misy anao ny mody manao hoe mpamokatra horonan-tsary izay angatahina hanao horonan-tsary iray momba ny fahitan’i Jaona ao amin’ny Apokalypsy 5. Omeo minitra vitsy izy ireo handinihana ilay toko ary hanapa-kevitra ny amin’izay seho izay tian’izy ireo alaina sary. Inona no tsapan’izy ireo fa ho fotoana hahatsapana zavatra lehibe indrindra? Ahoana no hitondran’io horonan-tsary io fanampiana amin’ny fanorenana finoana ny Mpamonjy? Mba hanampiana hatrany ny kilasy na ny kôlejy misy anao hianatra momba ny anjara asan’i Jesoa Kristy ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra dia ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

  • Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ireto lohateny manaraka ireto: Fiainana talohan’ny nahaterahana, Fiainana an-tany, ary Fiainana aorian’ny fahafatesana. Asao ireo zatovo mba hamerina hijery ireo andinin-tsoratra masina eo ambanin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” mba hianarana ny fomba nahatonga ny drafitry ny Ray ho azo tanterahina noho ny iraka notanterahan’ny Mpamonjy nandritra ny fiainany talohan’ny nahaterahana, sy nandritra ny fiainany teto an-tany, ary taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Azon’izy ireo fintinina eo ambanin’ireo lohateny eny amin’ny solaitrabe ny zavatra ianaran’izy ireo. Omeo fahafahana ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao mba hizatra ny fahatsapany momba ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho azy ireo.

  • Mba hanampiana ireo zatovo ampianarinao hahatakatra bebe kokoa ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy hahatanteraka ny drafitry ny Ray any An-danitra dia manaova sarina lalana eny amin’ny solaitrabe izay maneho ny diantsika miverina any amin’ny Raintsika any An-danitra. Asio sarina zavatra manakana ilay lalana dia asio anarana hoe fahafatesan’ny vatana sy fahafatesana ara-panahy. (Raha ilaina dia azon’ny zatovo vakina ireo famaritana eo ambanin’ny hoe “Fahafatesana, ara-batana” sy “Fahafatesana, ara-panahy” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina [scriptures.ChurchofJesusChrist.org]). Inona no nataon’ny Mpamonjy mba hahafahantsika mandresy ireo sakana ireo? (jereo ny 2 Nefia 9:7–10). Azon’ireo zatovo averina jerena ilay hafatry ny Loholona Ulisses Soares hoe “I Jesoa Kristy: ilay mpikarakara ny fanahintsika” ary eo akain’ilay lalana izay maneho ny fomba fanampian’i Jesoa antsika hiverina any amin’ Andriamanitra ireo fehezan-teny avy amin’ilay hafatra.

  • Raha mametraka fanontaniana amintsika momba ny finoantsika sy ny safidy ataontsika ny olona hafa, dia azontsika araraotina izany fahafahana izany hizarana ny antony mahatonga an’i Jesoa Kristy ho zava-dehibe amintsika. Fomba iray hanomanana ny zatovo ho amin’ny fahafahana toy izany ny manasa azy ireo hijery ny hafatry ny Loholona Dieter•F. Uchtdorf hoe “Indro ny lehilahy” (Liahona,mey 2018, 107–10) ary hitady ireo fahamarinana hozaraina mikasika an’i Jesoa Kristy. Azonao tanisaina eny amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ireo fahamarinana ireo. Azonao omena fotoana avy eo ireo zatovo mba hanaovana fampiharana hifanazava ny antony ilantsika an’i Jesoa Kristy sy ny nitahiana ny fiainan’izy ireo noho ny fahafantarany ny Mpamonjy.

Sary
Ny fanomboana an’i Kristy, nataon’i Louise Parker

The Crucifixion of Christ (Ny fanomboana an’i Kristy), nataon’i Louise Parker

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ny olona tsirairay ao amin’ny kilasinao dia loharano manan-karena fijoroana ho vavolombelona, hevi-baovao ary traikefa eo amin’ny fiainana ny filazantsara. Asao izy ireo mba hifampizara sy hifampahery.

Hamoaka printy