Testamenta Vaovao 2023
24 desambra. Ahoana no anehoan’i Jesoa Kristy ny fitiavany ahy? Krismasy


“24 desambra. Ahoana no anehoan’i Jesoa Kristy ny fitiavany ahy? Krismasy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023 (2022)

“24 desambra. Ahoana no anehoan’i Jesoa Kristy ny fitiavany ahy?,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2023

Sary
Jesoa zazakely

Delivered (Teraka), nataon’i Jenedy Paige

24 desambra

Ahoana no anehoan’i Jesoa Kristy ny fitiavany ahy?

Krismasy

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.2, 11.2). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Ahoana no ahitantsika fifaliana amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Iza ao amin’ny paroasy na fiarahamonina misy antsika no mila ny fanampiantsika? Ahoana no ahafahantsika manampy azy ireo?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Ahoana no ahafahantsika mifanampy amin’ny fiomanana amin’ny asa fitoriana?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Ahoana no ahafahantsika mandray anjara amin’ny ezaka ataon’ny paroasy misy antsika hanao tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Talohan’ny nahaterahany dia fantatra tamin’ny hoe ilay Jehovah lehibe i Jesoa Kristy. Izy no “Malala[n’ny Ray] sy nofidi[ny] hatrany am-piandohana” (Mosesy 4:2), feno voninahitra sy fahasoavana ary fahamarinana (jereo ny Jaona 17:5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:11). Kanefa tamin’ny nahaterahany dia “nampandria[n’i Maria] teo amin’ny fihinanam-bilona [Izy]; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny” (Lioka 2:7). Nahoana i Jesoa Kristy no vonona ny hanaiky ny anjara asany ho Mpamonjy na dia nidika aza izany hoe mankety an-tany ao anatin’ny toe-javatra niainana faran’izay ambany indrindra? Ny valiny tsotra dia hoe tia antsika Izy. Rehefa nahita ny fahaterahan’ny Mpamonjy tamin’ny fahitana i Nefia dia nijoro ho vavolombelona izy ny amin’ny “fitiavan’ Andriamanitra izay miely patrana any am-pon’ny zanak’olombelona; noho izany dia io no mahatsiriritra indrindra amin’ny zava-drehetra” (1 Nefia 11:22).

Fotoana manokana hisaintsainana ny fomba hanehoan’ny fahaterahan’ny Mpamonjy sy ny sorona fanavotana nataony ny fitiavany antsika ny Krismasy. Eo am-piomananao manampy ireo zatovo ampianarinao hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy, dia hevero ny handinika ny Lioka 4:16–21; Jaona 3:16–17; 3 Nefia 27:13–16; ary ny hafatry ny Loholona D. Todd Christofferson hoe “Ny fitiavan’ Andriamanitra” (Liahona, nôv. 2021, 16–19).

Miaraha mianatra

Rehefa manakaiky ny fiafaran’ny fandalinanareo ny Testamenta Vaovao amin’ity taona ity ny kilasy na ny kôlejy misy anao dia azonao atao ny mangataka ny zatovo hizara ny tantara tiany indrindra ao amin’ny Testamenta Vaovao izay nanehoan’ny Mpamonjy ny fitiavany an’ireo manodidina Azy. Azonareo atao mihitsy aza ny miara-mamaky ireo tantara ireo. Inona no ampianarin’ireo tantara ireo antsika momba ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika? Mba hanampiana anareo hifanakalo hevitra misimisy kokoa momba ny fitiavan’ny Mpamonjy dia mampiasà sahanasa tahaka ireto manaraka ireto.

  • Asao ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao mba hihevitra ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy antsika ho toy ny fehezam-boninkazo tsara tarehy. Hevero ny hanome ny olona tsirairay voninkazo nohetezana avy amina taratasy sy ny hanasa azy ireo hamaky ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana.” Angataho izy ireo hanoratra eo amin’ny voninkazony ny zavatra nianarany momba ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa azy ireo. Eo am-pizaran’izy ireo ny zavatra nianarany dia afaka manambatra ny voninkazony izy ireo mba hamorona fehezam-boninkazo iray. Ahoana no ahafahantsika mahafantatra kokoa ireo fomba hanehoan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa ny fitiavan’Izy ireo antsika?

  • Maro ireo hira ao amin’ny fihirana izay mamariparitra ireo fomba hanehoan’ny Mpamonjy ny fitiavany antsika (Jereo ohatra ny “Velona ilay Mpanavotra ahy,” Fihirana sy hiran’ny ankizy,, lah. 76). Afaka misafidy hira ao amin’ny fihirana ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy dia mizara ny zavatra niainany rehefa nahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy tamin’ny fomba mitovy amin’ireo voalazalaza ao amin’ilay hira izy ireo. Ahoana ny fomba hafa sasany nanehoan’ny Mpamonjy ny fitiavany antsika? Ahoana no ahafahantsika manampy ny hafa hahatsapa ny fitiavany amin’ny maha-mpanara-dia an’i Kristy antsika?

  • Maro ireo fahadisoan-kevitra eto an-tany mikasika ny fitiavan’ Andriamanitra antsika. Ohatra hoe, mety hieritreritra ny olona sasany fa rehefa manan-karena na miroborobo ny olona dia midika izany fa tia azy ireo noho ny hafa Andriamanitra. Mety hahatsapa ny sasany fa raha tena tia antsika Andriamanitra dia ho nanaiky antsika amin’ny maha-izy antsika Izy fa tsy hangataka antsika mba hiova. Inona avy ireo hafatra diso momba an’ Andriamanitra efa rentsika? Mba hanoherana ireny hafatra diso ireny dia azonao atao ny mangataka ny zatovo handinika ny hafatry ny Loholona D. Todd Christofferson hoe “Ny fitiavan’ Andriamanitra” na ny hafatry ny Filoha Dallin H. Oaks hoe “Fitiavana sy lalàna” (Liahona, nôv. 2009, 26–29). Inona avy ny fahamarinana hitantsika ao amin’ireo hafatra ireo izay manampy antsika hahatakatra ny fitiavan’ Andriamanitra antsika?

Sary
voninkazo

Azo ampitahaina amina fehezam-boninkazo tsara tarehy ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy antsika.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ny zavatra rehetra nataon’ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoany tety an-tany dia nentanin’ny fitiavana—Fitiavany an’ilay Rainy sy fitiavany antsika rehetra. Hikatsaka ny fomba rehetra azo atao isika, miaraka amin’ilay fitiavana tahaka ny an’i Kristy ao am-pontsika, mba hanampiana ny hafa hahafantatra momba an’i Kristy sy hanatona Azy. Ny fitiavana no ho antony manosika antsika hampianatra.

Hamoaka printy