Avia, hanaraka Ahy
28 septambra–11 ôktôbra. 3 Nefia 17–19: “Indro, feno ny fifaliako”


“28 septambra–11 ôktôbra. 3 Nefia 17–19: -Indro, feno ny fifaliako,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“28 septambra–11 ôktôbra. 3 Nefia 17–19,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Kristy niseho tamin’ireo Nefita

Ny fahazavan’ny tarehiny dia namiratra taminy, nataon’i Gary L. Kapp

28 septambra–11 ôktôbra

3 Nefia 17–19

“Indro, feno ny fifaliako”

Eo am-pamakianao ny 3 Nefia 17–19 dia diniho hoe inona ireo soratra masina, zavatra niainana, asa atao, ary tantara izay hanampy ny ankizy hahatakatra ireo fahamarinana ao amin’ireo toko ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mampisehoa sarin’ny Mpamonjy ary asao ny ankizy hizara ny mety ho fahatsapany raha toa namangy azy ireo tahaka ny nataony teo anivon’ireo Nefita Izy.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

3 Nefia 17:7, 20–25

Ny Mpamonjy dia tia ny zanaky ny Ray any An-danitra tsirairay avy.

Nampiseho ny fitiavany ho an’ireo ankizy i Jesoa rehefa nitsodrano sy nivavaka ho azy ireo Izy. Ahoana no fomba hahafahanao manampy ny ankizy izay ampianarinao hahatsapa ny fitiavany ho azy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Fintino ny tantara ao amin’ny 3 Nefia 17 sady mampisehoa sary tahaka ilay ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.  Azonao atao koa ny mampiasa ny “Toko 44: Nitahy ny ankizy i Jesoa Kristy,” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 124–25). Mamakia andian-teny na andinin-tsoratra masina avy ao amin’ny 3 Nefia 17 izay manantitrantitra ny fitiavan’ny Mpamonjy ho an’ny olona (toy ny andininy 7 sy 20–25). Avelao hifandimby hitazona ilay sary ny ankizy ary hilaza ny zavatra nataon’ny Mpamonjy noho ny fitiavany ireo olona.

  • Ampiasao ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hanampiana ny ankizy hanao ny sariny miaraka amin’i Jesoa. Rehefa manao izany izy ireo dia ampio izy ireo hieritreritra ireo fomba nanehoan’i Jesoa ny fitiavany ho azy ireo.

    Sary
    Nitsodrano ireo ankizy Nefita i Jesoa

    Jereo ny madinikareo, nataon’i Gary L. Kapp

3 Nefia 18:1–12

Afaka mieritreritra an’i Jesoa aho rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.

Maro ireo zavatra izay mety hanelingelina ny ankizy iray mandritra ny fanasan’ny Tompo. Amin’ny fomba ahoana no hahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra ny lanjan’ny fieritreretana ny Mpamonjy sy ny fitiavany ho azy ireo mandritra io ôrdônansy masina io?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hiteny ny zavatra mitranga mandritra ny fanasan’ny Tompo. Mamakia andinin-tsoratra masina avy amin’ny tantaran’i Jesoa manatanteraka ny fanasan’ny Tompo ho an’ny Nefita (jereo 3 Nefia 18:1–12), dia asao ny ankizy hitsangana rehefa maheno zavatra mitovy amin’ny izay ataontsika mandritra ny fanasan’ny Tompo izy ireo. Inona no tian’i Jesoa “[tsaroantsika]” na eritreretintsika mandritra ny fanasan’ny Tompo? (jereo ny 3 Nefia 18:7, 11).

  • Hirahirao moramora na alefaso ny hira avy ao amin’ny fihirana na hiran’ny Kilonga iray eo am-pandokoan’ny ankizy sary izay manampy azy ireo hahatsiaro ny Mpamonjy mandritra ny fanasan’ny Tompo (jereo ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity). Amporisiho izy ireo hijery ireo sary ireo mba hanampiana azy ireo hahatsiaro an’i Jesoa rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.

3 Nefia 18:15, 20–21, 24; 19:16–17, 30

Mampianatra ahy ny fomba hivavahana i Jesoa.

Inona no ianaranao mikasika ny vavaka rehefa mandalina ny 3 Nefia 17–19 ianao? Ahoana no fomba hampiasanao ny zavatra nianaranao mba hampianarana ny ankizy ny fomba hivavahana?

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarina olona mivavaka. Asao ny ankizy hanamarika antsipirian-javatra ao amin’ilay sary izay mampiseho fa mivavaka ireo olona ireo. Vakio ny 3 Nefia 19:16–17 mba hanazavana fa nampianatra antsika ny fomba fivavahana i Jesoa. Avelao ny ankizy hilaza aminao ny fahatsapany rehefa mivavaka.

  • Vakio ny 3 Nefia 18:21 ary asao ny ankizy hanao ny sarin’ny tenany na ny fianakaviany eo am-pivavahana. Amporisiho ny ankizy hanasa ny fianakaviany mba hivavaka miaraka amin’izy ireo.

  • Miaraha mihira hira iray momba ny vavaka toy ny hoe “Vavaky ny ankizyBokin-kiran’ny ankizy,6–7). Asao ny ankizy hizara ny zavatra nianarany momba ny vavaka avy amin’ilay hitra. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny vavaka.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

3 Nef 17

Ny Mpamonjy dia tia ny zanaky ny Ray any An-danitra.

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson hoe: “Mampanantena anareo aho, rankizy malala, fa hanompo anareo koa ny anjely. Mety tsy ho hitanareo izy, kanefa ho eo izy hanampy anareo, ary ho tsapanareo ny fisiany” (“To the Children of the Church,” Ensign, mey 1989, 83).

Asa atao azo tanterahina

  • Mamakia miaraka andininy maromaro avy amin’ny 3 Nefia 17 izay tsapanao fa hanan-danja amin’ireo ankizy ampianarinao. Eo am-pamakianao ny andininy tsirairay avy dia asaivo misafidy teny na andian-teny izay heveriny fa manan-danja ny ankizy ary hizara ny antony maha-manan-danja izany teny izany ho azy ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa tena tia ny ankizy i Jesoa ary izany no antony nitsofany rano azy ireo sy nanaovany vavaka ho azy ireo.

  • Asao ny ankizy hizara ny mety ho tsapany raha toa ka teo anivon’ireo ankizy izay nomen’ny Mpamonjy tsodrano izy ireo. Inona no nataon’ny Mpamonjy mba hampisehoana ny fitiavany? Inona no azontsika atao mba hanomanana ny tenantsika hiaraka Aminy rehefa hiverina indray Izy?

3 Nefia 18:1–12

Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo aho dia afaka ny ho feno ny Fanahy Masina.

Afaka ianarantsika avy amin’ny 3 Nefia 18 ny lanjan’ny fanasan’ny Tompo ho an’ny Mpamonjy. Ahoana no fomba hahafahanao manampy ny ankizy hahatsapa fa zava-dehibe ho azy ireo ilay izy?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hamaky ny 3 Nefia 18:1–12. Inona no zavatra ianaran’izy ireo mikasika ny fanasan’ny Tompo avy amin’ireo andininy ireo? Ampio izy ireo hamaky ireo vavaky ny fanasan’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77 sy 79 ary hahita teny sy andian-teny ao amin’ireo vavaka ireo izay hita ihany koa ao amin’ny 3 Nefia 18:1–12. Inona no dikan’ireo teny sy andian-teny ireo? Ahoana no hahafahantsika miomana handray ny fanasan’ny Tompo? Inona no fampanantenana omentsika, na fanekempihavanana ataontsika, rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika?

  • Hirao miaraka ny hira iray mikasika ny fanajana, toy ny “Fanajana, fitoniana” (Bokin-kiran’ny ankizy, 11). Manampy antsika hahatsapa ny Fanahy amin’ny fomba ahoana ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo amim-panajana? Ahoana no hanampian’izany antsika amin’ny fanaovana safidy marina?

3 Nefia 18:15–24; 19:6–9, 15–36

Ny vavaka dia hanampy ahy hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra.

Afaka mahatsapa ho akaiky ny Ray any An-danitra isika amin’ny alalan’ny vavaka. Hafatra inona avy ao amin’ny 3 Nefia 18–19 no hanampy ny ankizy ampianarinao hanatsara ny vavaka ataon’izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty amin’ny taratasy misaraka ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary omeo ny ankizy tsirairay izy ireo na omeo vondrona kely ahitana ireo ankizy: 3 Nefia 18:15; 3 Nefia 18:20; 3 Nefia 18:21; 3 Nefia 19:19; ary 3 Nefia 19:24. Asao ny ankizy hamaky ny soratra masina ka hitady ireo zavatra nampianarin’i Jesoa Kristy na ny mpianany momba ny vavaka. Asao izy ireo hizara ny zavatra nosoratany amin’ny iray kilasy.

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Misaotra Anao aho noho ny . Omeo iray minitra ny ankizy hieritreretana izay zavatra betsaka indrindra vitany mba hamenoana ny banga. Nahoana no tsara ho antsika ny maneho fankasitrahana ny Ray any An-danitra?? Dia soraty eo amin’ny solaitrabe avy eo ny hoe Mangataka Anao aho , ary vakio miaraka ny 3 Nefia 18:18–21 sy ny 19:9, 23, hitadiavana hevitra ny amin’izay zavatra tokony hivavahana.

  • Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona na zavatra niainana mikasika ny herin’ny vavaka, dia amporisiho ny ankizy hizara ny fijoroany ho vavolombelona na zavatra niainany.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy hiresaka amin’ny ray aman-dreniny na ny olona hafa ao amin’ny fianakaviany ny amin’ny fomba hahafahany manana traikefa manan-danja kokoa mandritra ny fanasan’ny Tompo amin’ny alahady manaraka.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy kely mba hianatra zavatra avy ao amin’ny soratra masina. Mba hanampiana ny ankizy kely hianatra zavatra avy ao amin’ny soratra masina dia mifantoha amin’ny andinin-tsoratra masina iray na amin’ny andian-teny manan-danja iray fotsiny aza. Azonao atao ny manasa ny ankizy hitsangana rehefa maheno teny na andian-teny iray manokana izy ireo.

Hamoaka printy