Avia, hanaraka Ahy
19–25 ôktôbra. 3 Nefia 27–4 Nefia: “Tsy ho nety nisy vahoaka sambatra toa azy ireo”


“19–25 ôktôbra. 3 Nefia 27–4 Nefia: -Tsy ho nety nisy vahoaka sambatra toa azy ireo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“19–25 ôktôbra. 3 Nefia 27–4 Nefia,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Jesoa Kristy mivavaka miaraka amin’ny Nefita

Ny vavaka nataon’i Kristy, nataon’i Derek Hegsted

19–25 ôktôbra

3 Nefia 274 Nefia

“Tsy ho nety nisy vahoaka sambatra toa azy ireo”

Rehefa mamaky ny 3 Nefia 274 Nefia ianao dia saintsaino ireo zavatra niainana, eritreritra, soratra masina, ary tantara izay hanampy ny ankizy hahatakatra ireo tsoa-kevitra ao amin’ireo toko ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ampio ny ankizy hahatsiaro ny zavatra nianarany nandritra izay herinandro vitsivitsy izay mikasika ny zavatra nampianarin’i Jesoa ny olona tao amin’ny tanin’i Soafeno. Hazavao fa ny Bokin’i Môrmôna dia milaza amintsika ny fomba nitahiana ny olona rehefa nankatò ny zavatra nampianarin’i Jesoa azy ireo.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

3 Nefia 27:1–22

Izaho dia mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Ahoana no ahafahan’ny tenin’ny Mpamonjy tamin’ny mpianany manampy ny ankizy hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny maha-mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy?

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy tsirairay mba hilaza ny anarany. Nahoana no zava-dehibe ny anarantsika? Lazao azy ireo fa ny mpianatr’i Jesoa dia naniry ny hahafantatra ny tokony hiantsoan’izy ireo ny Fiangonan’i Kristy. Vakio ny valintenin’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 27:7. Avy amin’iza no nolazain’i Jesoa fa tokony hiantsoana ny Fiangonany?

  • Manaova karatra kely iray izay milaza hoe “Izaho dia mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany” ho an’ny ankizy tsirairay mba hanaovany any an-trano. Avelao handoko ny taratasiny ny ankizy. Hirao miaraka amin’ny ankizy ny Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy”Bokin-kiran’ny ankizy,48) . Lazao ny antony mahatonga anao ho feno fankasitrahana ny amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana anao, ary anontanio ny ankizy ny hantony maha-velom-pankasitrahana azy ireo noho ny Fiangonana.

  • Ampio ny ankizy handamina ilay piozila ao amin’ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity. Hazavao fa tian’i Jesoa hiorina eo amin’ny filazantsarany ny Fiangonany, ka ampiasao ny pejin’ny asa atao mba hiresahana amin’ny ankizy momba ny dikan’izany.

4 Nefia 1:2–3, 15–17

Mitondra fifaliana ho ahy ny fiainana ny filazantsara.

Ny fahasambaran’ny olona voafariparitra ao amin’ny 4 Nefia dia afaka manampy ny ankizy hianatra momba ny fifaliana azo avy amin’ny fiainana ny filazantsara.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hiresaka momba ny zavatra mahafaly azy ireo. Mba hilazalazana amin’ny ankizy momba ny fahasambaran’ny olona ao amin’ny 4 Nefia dia vakio ireo andian-teny fototra ao amin’ny andininy 2–3 sy 15–17. Azonao ampiasaina koa ny “Toko 48: Fiadanana tao AmerikaTantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna,136–37). Antitrantero fa sambatra ireo olona satria niova fo ho an’ny Tompo izy ireo, niaina ireo didy izy ireo, ary nifankatia izy ireo.

  • Mampisehoa sarina olona sambatra. Hazavao fa ny olona tao amin’ny 4 Nefia dia nanana fahasambarana naharitra efa ho 200 taona satria izy rehetra dia samy niezaka mafy mba hiaina ny filazantsara. Ampio ny ankizy hieritreritra didy sasantsasany azon’izy ireo ankatoavina. Ohatra, azonao vakiana amin’izy ireo ny 4 Nefia 1:15 mba hampianarana fa tsy niady intsony ny vahoaka. Asao ny ankizy mba hilalao an-tsehatra ny fankatoavana ireo didy izay noeritreretin’izy ireo. Iaraho manao ny hira iray momba ny fifaliana azo avy amin’ny fiainana ny filazantsara, toy ny hoe “Rehefa manampy izahayBokin-kiran’ny ankizy,108).

  • Mamakia andian-teny avy ao amin’ny 4 Nefia 1:24-29, 34-35, ary 43 izay mamaritra ny zava-nitranga rehefa nitsahatra tamin’ny fankatovana ireo didy ny Nefita sasany. Rehefa manao izany ianao, dia asao ny ankizy hanao tarehy mampalahelo rehefa maheno zavatra izay toa tsy sambatra. Mijoroa ho vavolombelona fa ny fitandremana ny didy dia mitondra ho amin’ny fahasambarana.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

3 Nefia 27:3–8

Izaho dia mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Diniho ny fomba hanampianao ireo ankizy ampianarinao mba hahafantatra ireo fitahiana lehibe izay tonga avy amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy azy.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hamaky ny 3 Nefia 27:3, ka hitady ny fanontaniana napetrak’ireo mpianatr’i Jesoa Taminy. Dia asao izy ireo hijery ny valiny ao amin’ny 3 Nefia 27:5-8. Araka ireo andininy ireo, nahoana no zava-dehibe ny anaran’ny Fiangonana?

  • Ampio ny ankizy hieritreritra vondrona samihafa izay misy azy ireo, toy ny fianakaviana na kilasin’ny Kilonga. Angataho izy ireo hilaza aminao ny zavatra tiany momba ny vondrona tsirairay. Angataho ny ankizy hanampy anao hanoratra ny teny tsirairay ao amin’ny anaran’ny Fiangonana eo amin’ny taratasy iray hafa. Dia afangaroy ireo taratasy ary asao ny ankizy mba handamina ireo teny ireo. Inona avy ireo fitahiana azontsika noho isika mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?

3 Nefia 27:13–22

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia miorina eo amin’ny filazantsarany.

Namintina ny filazantsarany ny Mpamonjy tao amin’ny 3 Nefia 27. Afaka manampy ny ankizy hahatakatra ny atao hoe filazantsara amin’ny fomba ahoana ny teniny?

Asa atao azo tanterahina

  • Hazavao amin’ny ankizy fa ny teny hoe filazantsara dia midika hoe “vaovao mahafaly”. Ampio ny ankizy hizaha ao amin’ny 3 Nefia 27:13-15 ny zavatra iray izay toy ny vaovao mahafaly ho azy ireo. Nahoana isika no feno fankasitrahana noho ny fahafantarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

  • Soraty eo amin’ny solaitrabe ireo fitsipiky ny filazantsara toy ny finoana, fibebahana, batisa, ny Fanahy Masina, ary ny faharetana hatramin’ny farany. Asao ny ankizy hizaha ny 3 Nefia 27:19-21, ary hitady ireo teny ireo na teny mitovy amin’izany ao amin’ny famariparitan’i Jesoa ny filazantsarany.

  • Angataho ny ankizy mba haka sary an-tsaina hoe manana namana iray izy ireo izay manontany azy ireo ny zavatra inoan’izy ireo amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy. Ampio izy ireo hahita fahamarinana ao amin’ny 3 Nefia 27:13-21 izay azony zaraina mba hamintinana ny zavatra inoantsika.

  • Asao ny ankizy hisafidy iray amin’ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara izay nampianarin’ ny Mpamonjy tao amin’ny 3 Nefia 27:13-21 ka tian’izy ireo hianarana bebe kokoa ny momba izany. Ampio izy ireo hampiasa ny fanamarihana eny ambanin’ny pejy, na ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina mba hahitana soratra masina iray na roa mifandraika amin’izany fahamarinana izany. Asao izy ireo hizara ny soratra masina hitany sy ny zavatra nianarany. Nahoana isika no feno fankasitrahana noho ny fahafantarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

4 Nefia

Mitondra fifaliana ho ahy ny fiainana ny filazantsara.

Satria niova fo ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany izy ireo dia afaka nanorina fiarahamonina feno fiadanana sy firaisan-kina ny olona voafariparitra ao amin’ny 4 Nefia. Inona no azon’ny ankizy ianarana avy amin’izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Manomàna ravin-taratasy misy andian-teny avy ao amin’ny 4 Nefia 1:2-3, 5, sy 15-17 izay mamaritra ny fitahiana azon’ny olona (toy ny hoe “tsy nisy fifandirana teo amin’ny tany”). Ataovy ao anaty boaty ireo taratasy ireo ary avelao ny ankizy tsirairay hisintona anankiray avy ao ary hamaky izany. Amporisiho ireo ankizy hitady ny andian-teniny ao amin’ireo andininy avy ao amin’ny 4 Nefia ireo . Inona no ianarantsika avy amin’ireo andian-teny ireo? Inona no fitoviana hitantsika eo amin’ireo andininy ireo sy ny famaritana an’i Ziona ao amin’ny Mosesy 7:18?

  • Mba hanampiana ireo ankizy hampihatra izay ampianarina ao amin’ny 4 Nefia 1:15–16, dia manehoa amin’izy ireo toe-javatra ka tezitra tamin’ny izy samy izy ny olona. Asaivo lalaovin’ny ankizy izany toe-javatra izany ka hanao toy ny ahoana izany raha toa ka niezaka ny hiaina “tsy nisy fifandirana” izy ireo. Nahoana no mora kokoa ny misoroka ny fifandirana rehefa manana ny “fitiavan’ Andriamanitra” ao am-pontsika isika?

  • Vakio miaraka amin’ny ankizy ireto andininy manaraka ireto, ary angataho izy ireo mba hitady ny antony tsy nananan’ny Nefita sy ny Lamanita fiadanana sy fahasambarana intsony: 4 Nefia 1:20, 24–29, 34–35, ary 43. Ahoana no ahafahantsika misoroka ireo loza ireo? Ampio ny ankizy hahita ny fomba ahafahantsika misoroka ny ho tonga miavonavona amin’ny alalan’ny famerenana mijery ny Enseignements des Présidents de l’Eglise: Ezra Taft Benson (2014), 238-39.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy hanapa-kevitra ny amin’ny zavatra iray izay hataony mba hitondrana fiadanana sy fahasambarana bebe kokoa ao an-tokantranony ary hizara izany amin’ny fianakaviany.

Manatsara ny fampianarantsika

Tohano ireo ray aman-drenin’ny ankizy. “Ny ray aman-dreny no mpampianatra filazantsara manan-danja indrindra ho an’ny zanany. Izy ireo dia samy manana andraikitra voalohany hitarika ny zanany ary manana hery tena lehibe hanaovana izany (jereo ny Deoteronomia 6:6–7). Rehefa mampianatra ny ankizy any am-piangonana ianao dia mivavaha mba hahita fomba hanohanana ny ray aman-dreny amin’ilay anjara asa lehibe hazonin’izy ireo ” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25).

Hamoaka printy