Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
15–21 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14–17: “Mijoro ho vavolombelona”


“15–21 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14–17: -Mijoro ho vavolombelona,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“15–21 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14–17,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
I Joseph Smith sy ireo Vavolombelona Telo miara-mandohalika mivavaka

15–21 febroary

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14–17

“Mijoro ho vavolombelona”

Eritrereto ny fotopampianarana sy ireo zava-nitranga voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14–17. Ahoana no fomba ahafahanao mitaona ny olona ampianarinao mba “hijoro ho vavolombelona amin’[ireo] zavatra ireo”? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:8).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Inona no hitan’ireo mpianatrao fa nanan-danja tao anatin’ny fandalinan’izy ireo manokana na niaraka tamin’ny fianakaviana? Azonao asaina angamba ny iray kilasy mba hizara hevitra iray mikasika ny fandraisana anjara amin’ny asan’ny Tompo avy amin’ny fizarana tsirairay ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14–17.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14–16

Manasa antsika handray anjara ao amin’ny asany ny Tompo.

  • Inona no zavatra fantatr’ireo mpianatra mikasika ny fianakaviana Whitmer? (jereo ny Saints, 1:68–69). Mety hanampy azy ireo ny hitanisa eny amin’ny solaitrabe toe-javatra sasantsasany mikasika ny fianakaviana Whitmer. Nahoana no manampy antsika hahatakatra tsara kokoa ny torohevitra nomen’ny Tompo ny fianakaviana Whitmer ao amin’ny fizarana 14–16 ireo toe-javatra ireo? Ohatra, inona no mety ho antony nampitahan’ny Tompo ny asany tamin’ny fijinjana saha iray?

  • Mba hanomezana fahafahana ireo mpianatra hizara ny heviny mikasika ny fandraisana anjara ao amin’ny asan’ny Tompo, dia afaka manoratra ireto soratra masina manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe ianao: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:1; 14:2–4; 14:5, 8; 14:6–7; 14:9–11; 15:6. Azon’ny mpianatra atao ny mamaky tsiroaroa ny iray amin’ireo andian-tsoratra masina ireo ary mifanakalo hevitra mikasika ny zavatra nianaran’izy ireo momba ny Tompo. Afaka mizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nifanakalozan’izy ireo hevitra ny sasany amin’ireo mpianatra niara-niasa tsiroaroa.

  • Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra niainan’izy ireo teo amin’ny fanampiana ny hafa hanakaiky kokoa ny Mpamonjy, tafiditra ao anatin’izany ny firotsahana ho misiônera manompo amin’ny fotoana feno na ny asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana ary amin’ny alalan’ny fanompoana. Ahoana no fomba nahitan’izy ireo fa tanteraka teo amin’ny fiainan’izy ireo ny tenin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 15: 6 sy 16:6? Inona no ianarantsika avy amin’ireo fizarana ireo izay afaka manampy antsika hiomana hizara ny filazantsara?

    Sary
    mpiasa eny an-tsaha mijinja varimbazaha

    Sarina mpiasa eny amin’ny saham-barimbazaha nataon’i Greg Newbold

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17

Afaka mitoetra ho mahatoky amin’ny zavatra fantatsika isika na dia lavin’ny hafa aza.

  • Nahoana ny Tompo no nanolotra vavolombelon’ny Bokin’i Môrmôna? Afaka mizara hevitra izay tonga teo amin’izy ireo rehefa namaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17 ireo mpianatra. Mety misy hevitra fanampiny ao anatin’ireo soratra masina voalaza ao amin’ny sasin-tenin’ny fizarana 17 na ao amin’ny “Tenivavolombelon’ireo vavolombelona telo,” izay hita any am-piandohan’ny Bokin’i Môrmôna. Inona no fiantraikan’ny fijoroana ho vavolombelon’ireo Vavolombelona telo teo amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny Bokin’i Môrmôna?

  • Na dia tsy nahita anjely na nihazona takela-bolamena aza isika, dia mbola afaka mijoro ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna. Inona no zavatra hitan’ireo mpianatra ao amin’ny fizarana 17 (tafiditra ao anatin’izany ny sasin-tenin’ny fizarana) izay tsapan’izy ireo fa miantefa amin’izy ireo? Raha toa ka misy olona manontany ny antony inoantsika fa marina ny Bokin’i Môrmôna dia inona no havalintsika? Afaka manoratra valiny fohy angamba ny mpianatra ary afaka manasa vitsivitsy amin’izy ireo ianao mba hizara ny zavatra nosoratany. Ny teny nambaran’ny Filoha Ezra Taft Benson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia afaka mitaona ireo mpikambana mba hizara amin’ny hafa ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Bokin’i Môrmôna.

  • Mety hampanentana ny fanahy ny manasa mpianatra iray hizara ny zavatra niainan’ireo vavolombelona hafa nahita ireo takela-bolamena (jereo “Ny tenivavolombelon’ireo vavolombelona valo” ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny zavatra niainan’i Mary Whitmer ao amin’ny Saints, 1:70–71). Inona no zavatra ianarantsika avy amin’ireo zavatra niainan’ireo vavolombelona ireo?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny Bokin’i Môrmôna.

Nanolotra izao fanasana manaraka izao ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana ny Filoha Ezra Taft Benson tamin’ny 1988:

“Ny Bokin’i Môrmôna dia fitaovana iray izay narafitr’ Andriamanitra mba -[hipaohana] ny tany toy ny amin’ny tondra-drano, [ary hanangonana] ny olom-boafidi[ny].- (Mosesy 7:62.) Io bokin-tsoratra masina io dia ilaina mba ho lasa manan-danja kokoa eo amin’ny fitoriantsika ny teny sy ny fampianarantsika ary ny asa fitoriana ataontsika.

“… Amin’izao vanim-potoan’ny fifaneraserana amin’ny alalan’ny fitaovana elektrônika sy ny fizarana amin’antontany marobe ny teny natonta printy izao, dia ho tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra isika raha toa ka tsy mampiely ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fomba goavana amin’izao fotoana izao.

“Manana ny Bokin’i Môrmôna isika, manana ireo mpikambana isika, manana ireo misiônera isika, manana ireo loharano isika, ary mila izany izao tontolo izao. Izao no fotoana!

“Ry rahalahy sy anabavy malalako, zara raha takatsika ny herin’ny Bokin’i Môrmôna, na ny anjara asa masina tsy maintsy hazonin’izany, na ny halavirana tsy maintsy hampielezana izany” (Teachings of Presidents of the Church: Ezra Taft Benson [2014], 143–44).

Manatsara ny fampianarantsika

Mametraha fanontaniana izay manasa ireo mpianatra hijoro ho vavolombelona. Ny fametrahana fanontaniana tena tsara iray dia afaka ny ho fomba mahery vaika hanasana ny Fanahy. Ohatra, rehefa mampianatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:9, dia afaka mametraka fanontaniana toy izao ianao: “Ahoana no fomba nahafantaranao fa i Jesoa Kristy dia -hazavana tsy azo afenina ao amin’ny haizina-?” (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 32.)

Hamoaka printy