Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
8–14 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12–13; Joseph Smith—Tantara 1:66–75: “Ianareo ry mpiara-manompo amiko”


“8–14 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12–13; Joseph Smith—Tantara 1:66–75: -Ianareo ry mpiara-manompo amiko,-” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“8–14 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12–13; Joseph Smith—Tantara 1:66–75,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
Renirano Susquehanna

8–14 febroary

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12–13; Joseph Smith—Tantara 1:66–75

“Ianareo ry mpiara-manompo amiko”

Tahaka ny nanazavan’ny Fanahy Masina ny sain’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery mahakasika ny soratra masina mihitsy no hahafahany mitaona ny fanahinao rehefa mandalina ombam-bavaka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12–13 sy ny Joseph Smith—Tantara 1:66–75 ianao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Fomba iray hamporisihana ny mpianatra hizara ny manontany azy ireo ny fomba handalinany ny soratra masina. Inona no nataon’izy ireo mba hahita hevi-baovao tao amin’ny soratra masina tamin’ity herinandro ity?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13

Naverin’i Jaona Mpanao Batisa tamin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna.

  • Fomba iray azon’ny mpianatra hifanakalozana hevitra momba ireo fahamarinana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13 ny miresaka momba ny fomba mety hanampian’io fizarana io ny zatovo hahatakatra tsaratsara kokoa ny Fisoronana Aharôna. Inona no ampianarin’ny fizarana 13 momba ny Fisoronana Aharôna ka tokony ho takatry ny zatovolahy sy ny zatovovavy? Mba hanomezana fahafahana ny tsirairay handray anjara, dia azonao atao ny mangataka ny mpianatra hiresaka tsiroaroa io fanontaniana io ary avy eo dia hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nianarany avy amin’ny tsirairay avy.

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia manolotra ireo loharanom-pitaovana afaka manampy amin’ny fanazavana ny sasany amin’ireo andian-teny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ny fandalinana ireo loharanom-pitaovana ireo. Mba hitarihana fifanakalozan-kevitra momba ireo fanalahidy voalaza ato amin’ity fizarana ity dia azonao atao ny maneho andiana fanalahidy ary manasa ny mpianatra hiresaka mikasika ny zavatra azontsika atao amin’ny alalan’ny fanalahidy. Afaka manampy ihany koa ny fanazavana nomen-dRahavavy Ruth sy ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Inona avy ireo fitahiana afaka ny ho azontsika avy amin’ny fanalahidin’ny Fisoronana Aharôna? Mety ho hafa toy ny ahoana ny fiainantsika raha tsy misy an’ireo fitahiana ireo?

  • Isan’ny zavatra tena tsara momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ny hoe izy io dia mampandray anjara antsika ao anatin’ilay asa izay nataon’ireo lehilahy sy vehivavy ao amin’ny soratra masina: manangana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany. Izany, amin’ny lafiny iray, dia mahatonga antsika ho “mpiara-manompo” amin’izy ireo. Inona no dikan’ny hoe mpiara-manompo ao amin’ny asan’ny Tompo? Ny Matio 3:13–17; Lioka 1:13–17; 3:2–20 dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny asa nataon’i Jaona Mpanao Batisa.

    Sary
    I Joseph Smith manao batisa an’i Oliver Cowdery

    I Joseph Smith manao batisa an’i Oliver Cowdery, nataon’i Del Parson

Joseph Smith—Tantara 1:66–75

Manome antsika fahafahana hahazo ny herin’ Andriamanitra ny ôrdônansy.

  • Mba hanomezana fahafahana ny mpianatra hijoro ho vavolombelona eo amin’izy samy izy mikasika ireo fitahiana tonga avy amin’ny fandraisana ny ôrdônansin’ny fisoronana, dia azonao atao ny manasa azy ireo hamerina hamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:66–75, anisan’izany ilay fanamarihana ho an’ny andininy 71, ka hitady ireo fitahiana noraisin’i Joseph sy i Oliver taorian’ny batisany sy ny fanendrena azy ireo ho amin’ny fisoronana. Ahoana no hanoloran’ny ôrdônansy hery ara-panahy? Azon’ny mpianatra atao avy eo ny mizara ny zavatra niainany rehefa tsapany ny herin’ Andriamanitra izay tonga avy amin’ny fandraisana ny ôrdônansin’ny fisoronana toy ny batisa, ny fanasan’ny Tompo, na ny ôrdônansin’ny tempoly. Azonao atao koa ny maneho ilay horonan-tsary “Les bénédictions de la Prêtrise” (ChurchofJesusChrist.org) ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra.

  • Mety hahazoan’ny mpianatra tombontsoa ny famoronana tabilao iray maneho ireo fitahiana izay tonga avy amin’ny ôrdônansin’ny fisoronana. Ohatra, azonao atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ny lohateny hoe Ôrdônansy sy Fitahiana. Ny mpianatra dia afaka mamakafaka soratra masina tahaka ireto manaraka ireto mba hamenoana ilay tabilao: Jaona 14:26; Asan’ny Apostoly 2:38; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–22; 131:1–4; Joseph Smith—Tantara 1:73–74. Azon’izy ireo atao koa ny mampiditra ireo fitahiana hafa efa azon’izy ireo noho ireo ôrdônansy ireo. Azon’izy ireo atao angamba ny mizara zavatra niainana rehefa nahatsapa izy ireo fa nitondra ny herin’ny Mpamonjy teo amin’ny fiainany ireo ôrdônansy.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Inona no atao hoe fanalahidin’ny fisoronana?

Ny Loholona Dale G. Renlund sy i Ruth vadiny dia nanolotra ity fanazavana ity momba ny fanalahidin’ny fisoronana.

“Ny andian-teny hoe fanalahidin’ny fisoronana dia ampiasaina amin’ny fomba roa samy hafa. Ny voalohany dia entina ilazana zo na tombontsoa iray manokana nomena ireo rehetra izay mandray ny Fisoronana Aharôna na Melkizedeka. … Ohatra hoe, ny mpihazona ny Fisoronana Aharôna dia mandray ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely sy ny fanalahidin’ny filazantsara fiomanana an’ny fibebahana sy ny batisa asitrika ho an’ny famelana ny fahotana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1; 84:26–27). Ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia mandray ny fanalahidin’ny misterin’ny fanjakana, ny fanalahidin’ny fahalalana an’ Andriamanitra, ary ny fanalahidin’ny fitahiana ara-panahy rehetra ao amin’ny Fiangonana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19; 107:18). …

“Ny fomba faharoa ampiasana ny andian-teny hoe fanalahidin’ny fisoronana dia entina ilazana ny fitarihana. Ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana dia mahazo fanalahidin’ny fisoronana fanampiny, izay zo hiahiana sokajin-drafitra iray ao amin’ny Fiangonana na ny kôlejy iray. Amin’ity heviny iray ity, ny fanalahidin’ny fisoronana dia fahefana sy hery mba hitantanana, hitarihana, ary hitondrana ao amin’ny Fiangonana” (The Melchizedek Priesthood: Understanding the Doctrine, Living the Principles [2018], 26).

Manatsara ny fampianarantsika

Zarao matetika ny fijoroana ho vavolombelona anananao. “Ny fijoroanao ho vavolombelona amin’ny fomba tsotra sy amin-kitsim-po mikasika ny fahamarinana ara-panahy, dia afaka ny hisy fiantraikany mahery vaika eo amin’ireo izay ampianarinao. … Tsy ilaina atao tsara rafitra sy lava be izany” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 11). Hevero ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana momba ny Fisoronana Aharôna rehefa mifanakalo hevitra momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13 ianareo.

Hamoaka printy