Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
1–7 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10–11: “Mba hahazoanao mivoaka ho mpandresy”


“1–7 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10–11: -Mba hahazoanao mivoaka ho mpandresy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“1–7 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10–11,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
Bokin’i Môrmôna natao sora-tanana

Tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna natao sora-tanana avy tany ifotony.

1–7 febroary

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10–11

“Mba hahazoanao mivoaka ho mpandresy”

Inona no zavatra tsapanao rehefa namaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10–11 ianao? Inona no eritreritra tonga tao aminao mikasika ireo zavatra ilain’ny olona ampianarinao?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hanomezana fahafahana ireo mpianatra hiresaka mikasika ny zavatra nianaran’izy ireo nandritra ny fandalinan’izy ireo manokana sy niaraka tamin’ny fianakaviana ny soratra masina, dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10 ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11. Azon’ny mpianatra vitsivitsy soratana eo ambanin’ireo lohateny ireo ny laharan’ny andininy izay nahitan’izy ireo fahamarinana manan-danja. Misafidiana andininy vitsivitsy ary asao ireo mpianatra mba hizara ireo fahamarinana hitan’izy ireo tao.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:1–33

Mikatsaka ny handrava ny asan’ Andriamanitra i Satana.

  • Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10 dia afaka manampy ireo mpianatra hamantatra sy hanohitra ny ezaka ataon’i Satana mba handravana ny finoan’izy ireo. Mba hizarana tantara fohy fonoson’io fizarana io, dia afaka manasa mpianatra iray ianao mba hizara ilay tantara mikasika ny namerezan’i Martin Harris ireo pejy miisa 116 izay dikanteny tamin’ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3 ary ny Saints, 1:50–53). Afaka mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:1–33 avy eo ireo mpianatra mba hitady ny tetik’i Satana mikasika ireo pejy very. Inona no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba fiasan’i Satana sy ny antony hanaovany ireo zavatra ireo? (jereo koa ny andininy 63). Ahoana no fiasany amin’izao fotoana izao mba hanaovany izany fomba izany? Ahoana no fomba hanampian’ny Tompo antsika mba handresena an’i Satana eo amin’ny fiainantsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:34–52

“Ny [fahendren’ny Tompo] dia lehibe kokoa noho ny hafetsen’ny devoly.”

  • Rehefa mahatsapa ho kivy isika mahakasika ireo fahotantsika, dia afaka manana fanantenana amin’ny alalan’ny fahafantarana ny fomba nanoneran’ny Tompo ny fahotana izay nataon’i Joseph Smith sy i Martin Harris rehefa tsy nankatò ny Tompo izy ireo ary namery ireo pejy miisa 116 izay dikanteny tamin’ny Bokin’i Môrmôna. Eritrereto ny fomba ahafahanao manampy ireo mpianatra hanana fanantenana amin’ny alalan’io tantara io. Ohatra, afaka manasa azy ireo ianao mba hizara ny zavatra nianaran’izy ireo mikasika ny Tompo avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:34–52 (jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:1–3). Azon’ireo mpianatra zaraina ny fomba nahitan’izy ireo an’ilay hoe “[ny fahendren’ny Tompo] dia lehibe noho ny hafetsen’ny devoly”? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:43). Nahoana no mampatanjaka ny finoantsika Azy ny fahafantarana izany?

    Sary
    i Môrmôna mamintina ireo takela-bolamena

    I Môrmôna mamintina ireo takelaka, nataon’i Tom Lovell

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11

Rehefa mangataka amin’ Andriamanitra isika dia hahazo.

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia manasa antsika mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11 toy ireny hoe nosoratana ho antsika ireny. Mety te hizara zavatra avy amin’io fizarana io izay manan-danja manokana amin’izy ireo ireo mpianatra. Ahoana no fomba entin’izy ireo mampihatra ny zavatra nianaran’izy ireo?

  • Ny fomba iray hamporisihana ny hisian’ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11 dia ny fanasana ireo mpianatra mba hitady fitsipika iray ao amin’ny fizarana ary hanoratra fanontaniana mikasika izany avy eo. Mety anisan’ny ao anatin’ny fanontaniana toy izany ny hoe: “Inona no dikan’izany hoe mifikitra amin’i Kristy amin’ny fonao rehetra?” (andininy 19) na “Ahoana no fomba hahazoantsika ny tenin’ Andriamanitra?” (andininy 21). Azon’ireo mpianatra soratana eny an-tampon’ny taratasy kely iray ny fanontanian’izy ireo ary ampandalovina amin’ny rehetra ao amin’ny efitrano, ka samy manoratra hevitra sy izay mety ho valiny mahakasika ireo fanontaniana napetraky ny tsirairay. (Mety manampy ny fizarana ireo mpianatra ho vondrona kely vitsivitsy aloha.) Avy eo ireo mpianatra dia afaka mizara amin’ny iray kilasy ireo hevi-baovao sasany izay nosoratan’ny hafa mikasika ny fanontanian’izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:8–26

Hanome antsika ny Fanahiny Andriamanitra rehefa manomana ny tenantsika araka ny fombany isika.

  • Mety hitondra tombontsoa ho an’ny mpianatrao ve ny firesahana mikasika ny famantarana ny fanambarana ho an’ny tena manokana amin’ny alalan’ny Fanahy? Raha eny, dia afaka manomboka fifanakalozan-kevitra ianao amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo mba haka sary an-tsaina hoe nangatahana izy ireo mba hanoratra fahamarinana vitsivitsy mikasika ny fomba hahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana. Inona ny zavatra avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:8–26 hampidirin’izy ireo ao anatin’izany? Ohatra, inona no hosoratan’izy ireo mikasika ny fiomanana mba handray fitarihana eo amin’ny fiainantsika sy mba handray ireo valim-panontaniantsika? Inona no holazain’izy ireo mikasika ny famantarana ireo valiny rehefa tonga izany? Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ny fomba hampiharana ny zavatra nianaran’izy ireo rehefa miezaka ny mikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana izy ireo.

    Ao anatin’ity asa atao ity dia azonao zaraina ny teny nambaran’ny Rahavavy Julie B. Beck filoha teo aloha an’ny Fikambanana Ifanampiana hoe: “Ny fahafahana hanana fahamendrehana ny hahazo fanambarana ho an’ny tena manokana sy handray izany ary handray andraikitra eo anatrehan’izany no fahaiza-manao faran’izay manan-danja azo tovozina eto amin’ity tany ity” (“Ary na dia ny mpanompo vavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin’izany andro izany,” Liahona, mey 2010, 11).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampandraiso anjara ireo izay manana fahasahiranana. Inona no azonao atao rehefa toa tsy mifandray amin’ny mpianatra ambiny rehetra ny mpianatra iray? Indraindray dia, ilaina ampandraisina anjara fotsiny izy. Hevero ny hangataka io olona io mba handray anjara ao anatin’ny lesona manaraka. Raha toa ka tsy tonga dia mamaly ny ezaka ataonao izy amin’ny voalohany dia tohizo ny fanehoana fitiavana sy fiahiana azy. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 8–9.)

Hamoaka printy