Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
22–28 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18–19: “Lehibe ny hasarobidin’ny olona”


“22–28 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18–19: -Lehibe ny hasarobidin’ny olona,-” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“22–28 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18–19,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
Toeram-piompiana sy fambolen’i Martin Harris

Toeram-piompiana sy fambolen’i Martin Harris nataon’i Al Rounds

22–28 febroary

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18–19

“Lehibe ny hasarobidin’ny olona”

Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ihany no hahafahan’ny fon’ny olona iray miova. Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “Raha mampianatra ireo fitsipika ara-potopampianarana ianareo dia afaka ny ho tonga ny Fanahy Masina” (“Dinidinika niarahana tamin’ny Loholona Richard G. Scott sy ny Loholona Henry B. Eyring” [fampitana tamin’ny alalan’ny satelita ny fanofanana nataon’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 11 aog 2003]).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hitaomana ny mpianatra hizara ny zavatra niainany tamin’ny soratra masina dia iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:34–36. Dia asao avy eo ny mpianatra hizara andininy iray novakin’izy ireo tamin’ity herinandro ity izay nahatsapan’izy ireo ny feon’ny Tompo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–16; 19:15–20, 39–41

Mifaly ny Tompo rehefa mibebaka isika.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–16

“Lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra.”

  • Ahoana no ahafahanao manampy ny mpianatra hahatakatra ny halehiben’ny lanjantsika eo imason’ Andriamanitra? Azon’izy ireo atao angamba ny mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–16 ary mizara ny zavatra niainany izay nahafantarany ny lanjan’izy ireo amin’ Andriamanitra. Inona no fiantraikan’ireo andininy ireo eo amin’ny fomba fahitantsika ny tenantsika? ny olona hafa? Ahoana no fomba hanehoan’ Andriamanitra amintsika fa sarobidy Aminy tokoa isika?

    Sary
    i Jesoa mitrotro ankizilahy kely

    Ny hasarobidin’ny Fanahy iray, nataon’i Liz Lemon Swindle

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:15–19

Nijaly ho an’ny zanak’olombelona rehetra i Jesoa Kristy.

  • Ahoana no ahafahanao manampy ny mpianatra hahatsapa ny tenivavolombelon’ny Fanahy Masina eo am-pisaintsainany ny famariparitan’ny Mpamonjy ny sorompanavotana nataony? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:15–19). Azonao atao angamba ny manasa olona hihira ny hira iray ao amin’ny fihirana tena tiany indrindra mikasika ny Mpamonjy. Azonao atao koa ny mampiseho sarin’ny Mpamonjy iray ary manasa ny mpianatra hamaky ny andininy 15–19; ary aorian’izay izy ireo dia afaka manoratra ny eritreriny sy ny zavatra tsapany. (Ny tenin’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia afaka ihany koa mampitombo ny fankasitrahan’ny mpianatra ny fijalian’ny Mpamonjy.) Afaka manampy ny mpianatra hisaintsaina ny fanoratana fehezan-teny iray tahaka ity: Feno fankasitrahana noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy aho satria … Mety ho vonona hizara ny zavatra nosoratany sy hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy ny mpianatra vitsivitsy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–26, 34–41

Matetika no mitaky fahafoizan-tena ny fanaovana ny sitrapon’ Andriamanitra.

  • Noho ireo mpianatra miaina ao anatin’ny toe-javatra izay tsy maintsy hanaovan’izy ireo fahafoizan-tena ho an’ny filazantsara dia mety hitondra fitaomam-panahy ho azy ireo ny mianatra mikasika ny fahafoizan-tena izay nataon’i Martin Harris mba hahafahana namoaka ny Bokin’i Môrmôna. Azonao atao angamba ny manasa olona hiomana mialoha mba hitantara ao an-dakilasy ny fandraisan’i Martin fanapahan-kevitra ny hanao antoka ny toeram-pamboleny mba handoavana ny saran’ny fanontana ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny Saints, 1:76–78). Andininy inona ao amin’ny fizarana 19 no mety ho nanampy azy handray ny fanapahan-keviny? Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ny fomba nitahian’ny Bokin’i Môrmôna azy ireo sy ny halehiben’ny fankasitrahany ny fahafoizan-tena nataon’i Martin Harris sy ireo olona hafa izay nahafoy tena mba hahafahana namoaka ilay boky.

  • Azon’ny olona iray ao an-dakilasy atao angamba ny mitantara ny fahafoizan-tena iray nataony ho an’ny Tompo. Izany dia mety hitarika ny mpianatra hisaintsaina ny fahavononan’izy ireo manokana mba hahafoy tena. Amporisiho izy ireo hizara izay zavatra hitany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19 ka mitaona azy ireo hanao fahafoizan-tena mba hanaovana ny sitrapon’ Andriamanitra (jereo indrindra indrindra ny andininy 16–26, 34–41).

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny vidin’ny fitiavan’ Andriamanitra.

Rehefa niresaka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18 ny Loholona D. Todd Christofferson dia niteny hoe: “Ndeha isika hisaintsaina ny vidin’ny fitiavana sarobidin’ Andriamanitra. … Ny fialany aina tao Getsemane sy teo amin’ny hazo fijaliana dia mihoatra noho izay azon’ny olona zakaina. Na dia izany aza, noho ny fitiavany an-dRainy sy antsika, dia niaritra Izy ka ny vokatr’izany dia afaka manome antsika ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay Izy” (“Hitoetra amin’ny fitiavako,” na Liahona, nôv. 2016, 50).

Manatsara ny fampianarantsika

Manorena tontolo izay manasa ny Fanahy. Maro ny fomba azonao hanasana ny Fanahy ho ao amin’ny kilasinao. Afaka mamporisika ny mpianatra haneho fanajana ny feon-kira mialoha ny fotoam-pianarana. Ny fanehoana fitiavana sy ny fijoroana ho vavolombelona dia afaka manorina tontolo feno fitiavana sy masina. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 15.)

Hamoaka printy