Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
1–7 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–22: “Ny fitsanganan’ny Fiangonan’i Kristy”


“1–7 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–22: -Ny fitsanganan’ny Fiangonan’i Kristy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“1–7 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–22,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
Tranon’i Peter Whitmer

Tranon’i Peter Whitmer, nataon’i Al Rounds

1–7 martsa

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–22

“Ny fitsanganan’ny Fiangonan’i Kristy”

Raketo ireo zavatra tsapanao ara-panahy rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–22 ianao. Ny sasany amin’ireo fahatsapana ireo dia mety hitondra hevitra izay hanampy anao rehefa mampianatra ianao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mety nahazo hevi-baovao mikasika ireo fitahiana avy amin’ny fananana ny Fiangonana marina eto an-tany ireo mpianatra nandritra ny fandalinana nataon’izy ireo tany an-trano. Asao izy ireo mba hizara soratra masina avy amin’ireo fizarana izay mampiseho ny antony maha-feno fankasitrahana azy ireo noho ny fameranana amin’ny laoniny ny Fiangonana.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–21

Tafaverina tamin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy

  • Afaka mahazo tombontsoa avy amin’ny fandalinana ireo zavatra mampitovy Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ny Fiangonana izay naorin’i Kristy taloha ireo mpianatra. Afaka manao tabilao iray eny amin’ny solaitrabe ianao izay mizara efatra ary ahitana ny lohateny hoe Fotopampianarana, Ôrdônansy, Fahefan’ny Fisoronana, ary Mpaminany. Afaka manome ireto soratra masina manaraka ireto izay mikasika ny Fiangonan’i Kristy taloha ianao: Matio 16:15–19; Jaona 7:16–17; Efesiana 2:19–22; 3 Nefia 11:23–26; Môrônia 4–5. Afaka mitady ny zavatra ampianaran’ny soratra masina tsirairay momba ny Fiangonan’i Kristy ireo mpianatra ary manoratra ilay toko sy andininy eny amin’ny solaitrabe eo amin’ny faritra mifanaraka amin’izany ao anatin’ilay tabilao. (Mety azo ampidirina ao anatin’ny faritra mihoatra ny anankiray ny toko sy andininy sasany.) Azon’izy ireo atao mitovy amin’izany ireto soratra masina manaraka mikasika ny Fiangonan’i Kristy naverina tamin’ny laoniny ireto: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:17–25, 60, 72–79; 21:1–2. Inona no zavatra nianaranao mikasika ny fameranana tamin’ny laoniny ny Fiangonan’i Kristy avy tamin’io fampitahana io?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 75–7922

Manampy antsika mba ho lasa tahaka ny Mpamonjy ireo ôrdônansy masina.

  • Omeo fotoana ireo mpianatra mba handalinana ireo fepetra takina mba hahafahana mirotsaka amin’ny batisa izay fariparitana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, ary angataho izy ireo mba hisaintsaina fanontaniana tahaka ireto: Nahoana no manampy antsika hiomana mba hatao batisa ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo ireo fepetra takina ireo? Inona no dikan’ny hoe mitondra ny anaran’i Kristy eo amintsika? (jereo ny Môzià 5:5–12). Inona no manampy anao hihazona ny “[finiavanao] hanompo [an’i Jesoa Kristy] hatramin’ny farany”?

  • Inona no ampianarin’ny fizarana 22 mikasika ny batisa? Angataho ireo mpianatra mba haka sary an-tsaina hoe manana namana iray izy ireo izay efa vita batisa tany amin’ny fiangonana iray hafa. Azon’izy ireo vakina ity fizarana ity mba hahitana torohevitra mikasika ny fomba hanampiana io naman’izy ireo io mba hahatakatra ny antony ilana ny hanaovana batisa ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy naverina tamin’ny laoniny. Afaka milalao an-tsehatra io toe-javatra io ireo mpianatra ka, na ataon’ny iray kilasy izany na mandeha tsiroaroa ireo mpianatra.

  • Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:75–79 ary asao ireo mpianatra mba hieritreritra ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny Mpamonjy sy ny heriny eo amin’ny fiainantsika. Inona avy ireo teny na andian-teny misarika ny saina rehefa mamaky ireo vavaky ny fanasan’ny Tompo amin’izany fomba izany isika? Nahoana no manan-danja ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro?

    Sary
    diakona iray mizara ny fanasan’ ny Tompo

    ôrdônansy masina ny fanasan’ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:38–60

Mitahy ireo mpikamban’ny Fiangonana sy ireo fianakaviany ny asa fanompoana tanterahan’ny fisoronana.

  • Ny famaritana ireo andraikitry ny fisoronana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:38–60 dia afaka manampy ireo mpianatrao hampivelatra ny fahatakaran’izy ireo ny asa fanompoana tanterahan’ny fisoronana. Afaka manasa azy ireo ianao angamba mba haka sary an-tsaina hoe misy namana na olona iray ao amin’ny fianakaviana vao vita batisa izay hotendrena ho amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana. Ahoana no fomba hampiasan’izy ireo ireo andininy ireo mba hanampiana azy hahatakatra ny andraikiny? Inona no ohatra hozarain’izy ireo mba hanampiana azy hahatakatra fa manampy azy ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa ny fanatanterahana ireo andraikitra ireo? Azon’izy ireo lalaovina an-tsehatra angamba io fifampiresahana io.

    Ankoatra izany dia ahoana no mety ahafahan’izy ireo mampiasa ireo andininy ireo mba hanampiana rahavavy vao vita batisa iray hahafantatra ny fomba hahafahany mandray anjara ao anatin’ilay asa voafaritra eto? (Afaka manampy ny teny nambara ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–7

Voatahy isika rehefa mandray ny tenin’ny Tompo amin’ny alalan’ny mpaminaniny.

  • Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21 dia ahitana fanambarana mahery vaika mikasika ny fanarahana ny mpaminanin’ny Tompo. Mba hanampiana ireo mpianatra hisaintsaina sy hifanakalo hevitra mikasika ireo teny nambara ireo dia angataho izy ireo mba hitady andian-teny iray ao amin’ny andininy 4–7 izay tian’izy ireo ho takatra tsara kokoa ary mba hanoratra izany andian-teny izany eny amin’ny solaitrabe. Mifidiana vitsivitsy amin’ireo andian-teny ireo ary ifanakalozy hevitra amin’ny iray kilasy ny mety ho dikan’izy ireo. Inona no ampianarin’ireo andian-teny ireo antsika mikasika ny fanarahana ny mpaminanin’ny Tompo?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Miasa miaraka amin’ny herin’ny fisoronana daholo isika rehetra.

“Tendrena ho amin’ireo anjara fanompoan’ny fisoronana ny lehilahy, ary ny vehivavy sy ny lehilahy dia samy asaina mba hiaina ny hery sy ireo fitahiana avy amin’ny fisoronana eo amin’ny fiainan’izy ireo. …

“… Ny [vehivavy] dia mitory ny teny sy mivavaka eo anivon’ireo mpiangona, mihazona anjara toerana maro eo amin’ny lafin’ny fitarihana sy ny asa fanompoana, mandray anjara ao amin’ny filankevitry ny fisoronana eo an-toerana sy maneran-tany ary manao asa fitoriana amin’ny fomba ôfisialy manerana an’izao tontolo izao. Amin’ny alalan’ireo fomba ireo sy ireo fomba hafa, dia mampiasa ny fahefan’ny fisoronana ny vehivavy na dia tsy voatendry ho amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana aza izy ireo. …

“… Ao anatin’ireo antsom-piangonana, ireo ôrdônansin’ny tempoly, ireo fifandraisan’ny fianakaviana, ary ny asa fanompoana atao mangingina sy atao manokana, dia miara-mandroso ireo vehivavy sy lehilahy Olomasin’ny Andro Farany miaraka amin’ny hery sy ny fahefan’ny fisoronana. Tena zava-dehibe ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy io fifampiankinan’ny lehilahy sy ny vehivavy ao anatin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny heriny io” (Gospel Topics, “Joseph Smith’s Teachings about Priesthood, Temple, Women,” topics.ChurchofJesusChrist.org).

Manatsara ny fampianarantsika

Miara-mianatra isika. Amin’ny maha-mpampianatra anao dia miara-mianatra amin’ny mpianatrao ianao. Asehoy ny fahavononanao hianatra avy amin’izy ireo amin’ny alalan’ny fihainoana ny hevitr’izy ireo.

Hamoaka printy