Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
8–14 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–26: “[Ankaherezo] ny Fiangonana”


“8–14 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–26: -[Ankaherezo] ny Fiangonana,-” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“8–14 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–26,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
Emma Smith

8–14 martsa

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–26

“[Ankaherezo] ny Fiangonana”

Alohan’ny hamakiana ity rindran-damina ity dia vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–26 ary saintsaino ireo fitsipika tsapanao fa hankahery ireo mpianatrao. Dia eritrereto avy eo izay loharanom-pitaovana hanampy anao hampianatra, anisan’izany ireo izay haroso ato amin’ity rindran-damina ity.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Inona avy ireo fitahiana efa azontsika rehefa “[natokantsika] ny fotoan[tsika] handinihana ny soratra masina”? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 26:1). Ahoana no nahatsapantsika ny Fanahy tao an-tokantranontsika? Azon’ny mpianatra atao angamba ny mizara ny fomba nandreseny ireo sakana na ireo zavatra nanelingelina mba hahafahana manokana fotoana hanaovana fandalinana soratra masina ataon’ny tena manokana sy ny fianakaviana.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–26

Afaka mankahery ny Fiangonana daholo isika.

  • Azonao atao ny mamantatra miaraka amin’ny mpianatra ny dikan’ny hoe “hanentana ny fiangonana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:7). Azon’ny olona iray atao angamba ny mizara ny famaritana ny teny hoe manentana ao amin’ny rakibolana na mizara izay karazana fanentanana efa hitany. Inona avy ireo fahafahana ananantsika mba hifanentanantsika? Ahoana no hankaherezan’izany ny Fiangonana? Inona koa no ianarantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23–26 izay afaka manampy antsika hankahery ny Fiangonana? Azonareo atao koa ny mifanakalo hevitra mikasika ny fomba iantefan’ireo fitsipika ireo eo amin’ny fankaherezana ny tokantranontsika. Mba hampiharana ireo fitsipika ireo amin’ny asa fanompoana ataontsika, dia afaka mijery ireo ampahany amin’ny hafatra nozarain-dRahavavy Bonnie H. Cordon ianao izay mitondra ny lohateny hoe “Lasa mpiandry ondry” (Liahona, nôv. 2018, 74–76).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24

Ny Tompo dia afaka manampy antsika “hiala tao amin’ny fijalian[tsika].”

  • Ilay fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24 dia nomena mba “hanatanjahana, hampaherezana, ary hampianarana” an’i Joseph sy i Oliver nandritra ny fotoam-pitsapana iray (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24, sasin-teny; jereo koa ny Saints, 1:94–96). Azonao atao ny manasa ny mpianatra rehetra hikaroka ao amin’io toko io ny porofo fa nahafantatra an’i Joseph sy ny toe-javatra nisy azy ny Tompo. Inona no nataon’ny Tompo nanoloana ny filan’i Joseph? Ahoana no hanaovany izany koa ho antsika amin’izao fotoana izao? Hevero ny hangataka ny mpianatra hizara ny zavatra niainany rehefa tsapan’izy ireo fa nahafantatra ny toe-javatra niainan’izy ireo manokana ny Tompo ary nampahery azy ireo nandritra ny fahoriany.

    Sary
    I Jesoa manasitrana olona

    Nanasitrana karazana aretina maro Izy,nataon’i J Kirk Richards

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25

“Vehivavy nofinidy” i Emma Smith.

  • Mba hanampiana ny mpianatra hahita zavatra manan-danja ho an’ny tenany manokana ao anatin’ny fanambarana nomen’ny Tompo an’i Emma Smith dia eritrereto ity asa atao ity: Angataho ny antsasaky ny mpianatra hikaroka ao amin’ny fizarana 25 ireo zavatra nangatahan’ny Tompo mba hataon’i Emma, ary angataho ny antsasany hafa amin’ny mpianatra mba hitady ireo zavatra nampanantenainy fa hataony. Asao izy ireo hanao lisitra ny zavatra hitany sy hifampizara izany. Afaka mizara fitsipika izay manan-danja amin’izy ireo tokoa ny mpianatra vitsivitsy.

  • Inona avy ireo teny sy andian-teny ao amin’ny fizarana 25 izay manohana ny fanambarana nataon’ny Tompo tamin’i Emma Smith hoe “Ianao dia vehivavy nofinidy”? (andininy 3). Azon’ny mpianatra atao koa ny mifanakalo hevitra mikasika ny fomba niainan’i Emma ireo fitsipika ao amin’io fanambarana io. Isan’ny loharanom-pitaovana tena manampy ny “Thou Art an Elect Lady” (Revelations in Context, 33–39), sy “Ny feon’ny famerenana amin’ny laoniny” ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.

  • Araka ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:11–12, dia inona no tsapan’ny Tompo momba ny hira masina? Azon’ny mpianatra atao angamba ny miresaka ireo fomba hampiasana ireo hira ao amin’ny fihirana mba hanasana ny Fanahy ho ao an-tranon’izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:5, 14

Tokony hikatsaka ny hanana “fanahin’ny fahamorana” isika.

  • Ny Tompo dia nanoro hevitra an’i Emma mba “[hitozo] ao amin’ ny fanahin’ny fahamorana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:14; jereo koa ny andininy 5). Mba hahafantarana ny mety ho hevitr’izany dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny hoe Fahamorana dia asao ny mpianatra hanoratra eo akaikin’izany ny zavatra tonga ao an-tsain’izy ireo rehefa mahita ilay teny. Aorian’izay izy ireo dia afaka mitady ao amin’ny fizarana 25 ireo teny sy andian-teny izay tsapany fa mifandray amin’ny fahamorana ary avy eo dia mizara ny zavatra hitany. Hevero ny hizara ny teny nambaran’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Nahoana no zava-dehibe izany hoe malemy fanahy izany?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:10, 13

Tokony hikatsaka ireo zavatry ny tontolo tsara kokoa isika.

  • Mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ny torohevitry ny Tompo mba “hahafoy ny zavatr’izao tontolo izao … ary hikatsaka ny zavatry ny tontolo tsara kokoa” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:10), dia afaka mangataka azy ireo ianao hitanisa ohatra amin’ireo “zavatr’izao tontolo izao” sy ohatra amin’ireo “zavatry ny tontolo tsara kokoa.” Inona ny torohevitra azontsika ifampizarana mba hanampiana antsika hifantoka amin’ny zavatra maharitra mandrakizay? Inona no mampifandray an’ilay torohevitra ao amin’ny andininy 13 amin’io tanjona io?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Tanjaka ny halemem-panahy.

Nanazava ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ilay toetra tahaka ny an’i Kristy hoe halemem-panahy matetika dia tsy takatry ny olona amin’izao tontolo ankehitriny izao. Ny halemem-panahy dia matanjaka fa tsy osa, mandray andraikitra fa tsy miandry baiko; sahy fa tsy saron-kenatra; mahafehy tena fa tsy entim-po; manetry tena fa tsy mieboebo; malala-tanana fa tsy manana fo vato. Ny olona malemy fanahy dia tsy mora sosotra na miseho ho mahavita azy na manjakazaka, ary mankasitraka avy hatrany ny fahombiazan’ny hafa” (“Malemy fanahy sy mietry am-po,” Liahona, mey 2018, 32).

Manatsara ny fampianarantsika

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana nampanantenaina. Rehefa manasa ny mpianatra hampihatra ny zavatra ianarany ianao dia mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana nampanantenain’ Andriamanitra (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 35).

Hamoaka printy