Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
22–28 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29: “Hanangona ny vahoakany i Jesoa Kristy”


“22–28 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29: -Hanangona ny vahoakany i Jesoa Kristy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“22–28 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady

Sary
I Jesoa mijoro eo anoloan’ny vahoaka mandohalika

Ny lohalika rehetra hitsaoka, nataon’i J. Kirk Richards

22–28 martsa

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29

Hanangona ny vahoakany i Jesoa Kristy

Ny fomba tena manan-danja hiomanana amin’ny fampianarana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29 dia ny mandalina izany ombam-bavaka sy mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy. Eritrereto ireo fomba hafa hanasana ny Fanahy eo amin’ny fiainanao, toy ny fifadian-kanina, na ny fandehanana any amin’ny tempoly na ny fanompoana ny hafa.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:5, dia miteny amin’ireo Olomasina ny Tompo hoe: “Asandrato ny fonareo, ary mifalia.” Afaka manasa ireo mpianatra ianao mba hizara ny zavatra nianaran’izy ireo nandritra ny fandalinana nataon’izy ireo manokana na niaraka tamin’ny fianakaviana izay nahatonga azy ireo “[hanandratra ny fon’izy ireo sy hifaly].”

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29

Nanomana drafitra ho an’ny fisandratantsika ny Ray any An-danitra.

  • Ny fomba iray hamporisihana ny fianarana any an-trano dia amin’ny alalan’ny firesahana ireo asa atao hita ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Ohatra, azonao tanisaina eny amin’ny solaitrabe ireo lafiny mandrafitra ny drafitry ny famonjena toy ny fiainana talohan’ny nahaterahana, Fahariana, ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, sy ny sisa. Azon’ireo mpianatrao zaraina ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29 mikasika ireo lafiny mandrafitra ilay drafitra ireo. Mety afaka mangataka azy ireo aza ianao mba hizara ny zavatra ho ampianaran’izy ireo avy ao amin’io fizarana io ny olona iray izay tsy mahafantatra mikasika ny drafitr’ Andriamanitra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–8, 14–21

Hanangona ny vahoakany i Jesoa Kristy mialoha ny Fiaviany Fanindroany.

  • Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny antony hanangonan’i Jesoa Kristy ny vahoakany, dia afaka manasa azy ireo ianao mba hamaky ny andininy 1–8 ary hifanakalo hevitra mikasika ireo fanontaniana momba ny fanangonana, toy ny hoe: Ahoana no fomba efa niainantsika an’ilay Kristy manangona sy miaro antsika, toy ny reniakoho manangona sy miaro ny zanany? Ahoana no fomba hiangonantsika eo amin’ny Mpamonjy? (jereo mba hahitana ohatra ny andininy 2). Azon’ireo mpianatra zaraina ireo fitahiana azon’izy ireo amin’ny alalan’ny fivondronana sy fitsaohana miaraka amin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana.

    Sary
    reniakoho miaraka amin’ny zanany

    Impiry, nataon’ i Liz Lemon Swindle

  • Mba hanampiana ireo mpianatra hieritreritra ny andraikitr’izy ireo eo amin’ny fanampiana ny Ray any An-danitra hanangona ny zanany, dia azonao zaraina ny tenin’ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Inona no zavatra ianarantsika mikasika ny fanangonana avy amin’ireo hafatra ireo? Nahoana no manamafy ny zavatra nolazain’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–8 ireo hafatra ireo?

  • Mety hampikorontan-tsaina ireo mpianatra ny sasany amin’ireo zavatra hitranga amin’ny andro farany izay voafaritra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29: 14–21. Avelao izy ireo hizara ny zavatra tsapan’izy ireo. Nahoana no mampitandrina antsika mikasika ireo zavatra hitranga ireo ny Tompo? Inona avy ireo fahamarinana mampitony ianarantsika momba ny Mpamonjy sy ny fanangonana avy ao amin’ny andininy 1–8? Nahoana ny fanangonana no manampy antsika hiatrika ireo zavatra hitranga ireo amim-pinoana fa tsy amin-tahotra? Ao anatin’ilay fifanakalozan-kevitra ataonareo, dia afaka mihira hira iray momba ny fanangonana ianareo toy ny “Israël, ton Dieu t’appelle” (Cantiques, no. 6), ary mifanakalo hevitra mikasika ny zavatra ampianarin’io hira io momba ny fanangonana ny Isiraely.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:3–35

Ny didin’ny Tompo rehetra dia ara-panahy.

  • Na dia mety toa ara-nofo aza ireo didy sasany dia ara-panahy ireo didy rehetra ho an’ny Tompo. Mba hahatakarana io fahamarinana io dia afaka miaraka mamaky ny andininy 34–35 ireo mpianatra ary mitanisa ireo didy sasantsasany eny amin’ny solaitrabe miaraka amin’ireo fitsipika ara-panahy sy fitahiana mifandray amin’ny tsirairay amin’izany. Afaka mizara ohatra avy amin’ny fiainan’izy ireo koa izy ireo na avy amin’ny soratra masina izay nanampy azy ireo hahita ny toetoetra ara-panahin’ireo didin’ Andriamanitra. Inona no fiantraikan’ity asa atao ity eo amin’ny fomba fahitantsika ireo didy?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29

Mandray anjara amin’ny fanangonana ny Isiraely.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

“Izao tokoa no andro farany, ary ny Tompo dia manafaingana ny asany amin’ny fanangonana ny Isiraely. Izany fanangonana izany no zavatra manan-danja indrindra mitranga ety an-tany amin’izao fotoana izao. Tsy misy zavatra hafa azo ampitahaina amin’izany, na amin’ny halehibeny izany, na amin’ny lanjany, na amin’ny hatsarany. Ary raha misafidy ianao, raha tianao izany, dia afaka ny ho mpandray anjara lehibe amin’izany ianao. Afaka ny ho mpandray anjara amin’ny zavatra lehibe iray ianao, zavatra tena goavana, zavatra tena tsara!

“Rehefa miresaka fanangonana isika, dia milaza izao fahamarinana fototra izao tsotra izao isika: ny zanaky ny Raintsika any An-danitra tsirairay avy, eo amin’ny lafy roan’ny voaly, dia mendrika ny handre ny hafatry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Manapa-kevitra manokana izy ireo raha toa te hahafantatra misimisy kokoa. …

“Natokan’ny Raintsika any An-danitra ny maro amin’ireo fanahiny mahery indrindra—aleo angamba ataoko hoe ny ekipany mahery indrindra—ho an’ity dingana farany ity. Ireo fanahy mahery ireo—ireo mpilalao tena mahay ireo, ireo be herim-po ireo—dia ianareo!” (“Fanantenana ho an’i Isiraely”[fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018],) ChurchofJesusChrist.org).

Manatsara ny fampianarantsika

Mampianara amin’ny fomba mazava sy tsotra. Ampianaro amin’ny fomba mazava sy tsotra ny fotopampianarana fa aza miezaka ny hampifalifaly ny mpianatrao fotsiny. Afaka matoky ianao fa “ny herin’ny tenin’ Andriamanitra” dia hanana “fiantraikany mahery kokoa [a]min’ny sain’ny olona noho … ny zavatra hafa” (Almà 31:5).

Hamoaka printy