Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
15–21 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27–28: “Ny zava-drehetra dia tsy maintsy atao amim-pilaminana”


“15–21 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27–28: -Ny zava-drehetra dia tsy maintsy atao amim-pilaminana,-” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“15–21 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27–28,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
Joseph Smith

15–21 martsa

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27–28

“Ny zava-drehetra dia tsy maintsy atao amim-pilaminana”

Na dia nitranga tamin’ny fotoana sy toerana hafa aza ireo zava-nitranga izay niteraka ny fahazoana ireo fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27–28 dia manan-danja amin’izao andro izao ireo fitsipika ampianarina ao amin’ireo fizarana ireo. Inona avy ireo fitsipika mety hitahy ireo mpianatra ao amin’ny kilasinao ao anatin’ny toe-java-misy izay atrehan’izy ireo?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Omeo minitra vitsy ireo mpianatra hamerenana mijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27–28, dia hitady andininy iray na andian-teny iray izay hitany fa manan-danja. Mba hanomezana fahafahana ny tsirairay hizara ny zavatra hitany dia azonao zaraina ho tsiroaroa ny mpianatra mba hizara izany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:1–2

Tokony handray ny fanasan’ny Tompo amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra isika.

  • Mba hamporisihana ny fifanakalozan-kevitra momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:1–2, dia hevero ny hanoratra fanontaniana tahaka ity eny amin’ny solaitrabe: Inona no nampianarin’ny Mpamonjy antsika mikasika ny tanjona hanaovana ny fanasan’ny Tompo? Afaka mitady andian-teny ao amin’ireo andininy ireo ny mpianatra izay manampy azy ireo hamaly ilay fanontaniana. Mety ho vonona izy ireo ny hizara ny fahatsapana voarainy mikasika ny fomba hahazoana traikefa masina kokoa rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.

    Mety hahita hevitra fanampiny ny mpianatra amin’ny alalan’ny famakiana ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy rehefa nanorina ny fanasan’ny Tompo Izy (jereo ny Lioka 22:19–20; 3 Nefia 18:1–11; jereo koa ny horonan-tsary “La dernière cène” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Raha nanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo ataontsika ny Mpamonjy dia inona no mety hovaintsika?

    Sary
    mofo sy rano amin’ny fanasan’ny Tompo

    Ny fanasan’ny Tompo dia ahitana tandindon’ny sorona nataon’ny Mpamonjy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18

Ny fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra dia hanampy antsika handresy ny ratsy.

  • Ahoana no ahafahanao manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba hampiasana ny fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra mba handresena ny ratsy amin’izao androntsika izao? Hevero ny hanasa olona iray hanao sary eny amin’ny solaitrabe ilay fiarovan-tena soritsoritana ao amin’ny andininy 15–18. Dia azon’ny mpianatra atao avy eo ny mizara izay hevitra hitan’izy ireo tamin’ny fandalinany manokana mikasika ireo ampahany tsirairay amin’ny fiarovan-tena. Na azon’ny mpianatra vakina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18 dia asian’izy ireo anarana ireo ampahany isan’isany amin’ny fiarovan-tena eny amin’ny solaitrabe sy ireo faritra amin’ny vatana izay arovan’izany. Inona no dikan’ny hoe mitafy ny fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra? Azon’ny mpianatra atao angamba ny miresaka mikasika ny fomba hiarovan’ny Tompo antsika amin’ny ratsy rehefa mitafy ny fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra isika.

  • Raha mampianatra zatovo ianao dia mety ho tianao ny hampifandray ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18 amin’ireo fenitra ao amin’ny Jeunes, soyez forts. Ohatra, ny mpianatra dia afaka mamaky ireo andininy ary mifanakalo hevitra mikasika ny antony ilantsika ny fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra. Avy eo izy ireo dia afaka miara-miasa tsiroaroa ary mamerina mijery ny iray amin’ireo fenitra ao amin’ny Jeunes, soyez forts. Inona no ianarantsika avy amin’ireo loharanon-kevitra ireo mikasika ny fanafihan’i Satana antsika? Ahoana no ahafahan’ny fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra manampy antsika hanohitra ireo fanafihana ireo? Ahoana no ahafahantsika mitafy ny fiarovan-tena avy Aminy?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28

Mandray fanambarana ho an’ny Fiangonan’ny Tompo ny mpaminany velona.

  • Mba hanampiana ny mpianatra hianatra momba ny anjara asan’ny mpaminany dia azonareo atao ny mamerina mijery ilay zavatra niainana izay nitarika an’i Joseph Smith hivavaka sy handray ny fizarana 28 (jereo ny sasin-teny), ary avy eo ianareo dia afaka mamaky ny andininy 2–3, 6–7, 11–13. Ahoana no hiezahan’i Satana mandresy lahatra antsika hanaraka ireo izay tsy notendren’ny Tompo? Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara zavatra niainana izay nampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananany fa mandray fanambarana ho an’ny Fiangonana ny mpaminany.

  • Fomba iray hianaran’ny mpianatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28 ny maka sary an-tsaina fa mahafantatra olona iray izay vao nahazo antso vaovao ato amin’ny Fiangonana izy ireo. Inona no azontsika zaraina avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:1–6, 13–16 mba hanampiana izany olona izany amin’ny antsony? Ireo teny nindramina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia afaka manome hevitra fanampiny amin’ilay fifanakalozan-kevitra.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Torohevitra momba ny fanambarana ho an’ny tena manokana.

Nampianatra ny Filoha Joseph F. Smith sy ireo mpanolotsainy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

“Rehefa misy fahitana, nofy, fiteny, faminaniana, zavatra tsapa, na izay mety ho fanomezam-pahasoavan’ny fitaomam-panahy miavaka amin’ny mahazatra izay mampita zavatra izay tsy mifanaraka amin’ny fanambarana eken’ny Fiangonana na mifanohitra amin’ny fanapahan-kevitry ny ambaratongam-pahefana isan-tsokajiny, ny Olomasin’ny Andro Farany dia afaka mahafantatra fa tsy avy amin’ Andriamanitra izany, na dia toa azo hinoana aza izany. … Amin’ny zavatra araka izao tontolo izao sy ara-panahy dia mety handray fitarihana sy fanambarana mahakasika ny tenany avy amin’ Andriamanitra ny Olomasina, saingy izany dia tsy manome fahefana mba hitarika ny hafa. …

“Ny tantaran’ny Fiangonana dia mirakitra fanambarana sandoka maro izay nolazain’ireo mpamitaka na ireo mpanaraka be fahatany fa voarain’izy ireo, ary izy ireo dia nino ireo fahitana hitany ka nikatsaka ny hitarika olona hafa hanaiky izany, saingy isak’izay nisy izany dia fahadisoam-panantenana, alahelo ary zava-doza no naterak’izany” (Joseph F. Smith, Anthon H. Lund, Charles W. Penrose, “A Warning Voice,” Improvement Era, Sept. 1913, 1148–49).

Manatsara ny fampianarantsika

Mifantoha amin’ny fotopampianarana marina. Nampianatra ny Filoha Boyd K. Packer hoe: “Ny fotopampianarana marina, rehefa takatra, dia manova ny toetra sy ny fitondrantena” (“Do Not Fear,” Ensign or Liahona, May 2004, 79). Rehefa mampianatra isika dia tokony hifantoka amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy raha te hanampy amin’ny fitondrana fanahy ho eo Aminy isika.

Hamoaka printy