Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
29 martsa–4 aprily. Paska: “Izaho no Ilay velona; Izaho no Ilay efa novonoina”


“29 martsa–4 aprily. Paska: -Izaho no Ilay velona; Izaho no Ilay efa novonoina,-” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“29 martsa–4 aprily. Paska,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
Sarivongan’ i Kristy

29 martsa–4 aprily

Paska

“Izaho no Ilay velona; Izaho no Ilay efa novonoina”

Tsy misy zavatra tokony ho takatsika ka manan-danja kokoa noho ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy. Eritrereto ireo olona izay hanatrika ny kilasinao. Inona no hanampy azy ireo hampitombo ny finoany an’i Jesoa Kristy?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Rehefa nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny mpianatrao tamin’ity taona ity dia mety nahita soratra masina momba ny Mpamonjy izay manan-danja aminy izy ireo. Atombohy ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo fahafahana hizara ireo soratra masina ireo. Tamin’ny fomba ahoana hatreto no nampitomboan’ny fandalinantsika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny finoantsika an’i Jesoa Kristy?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Nanatanteraka “Sorompanavotana fanaperana” i Jesoa Kristy.

  • Koa satria fotopampianarana tena manan-danja tokoa ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy, dia hevero ny handany fotoana ampy tsara hakana antoka fa mahatakatra izany ny mpianatra. Mba hanaovana izany dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny fanontaniana tahaka ireto: Inona no atao hoe Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? Inona no fiantraikan’izany eo amin’ny fiainako isan’andro? Inona no fiantraikan’izany eo amin’ny fiainako mandrakizay? Ahoana no hahazoako ny hery manavotry ny Mpamonjy eo amin’ny fiainako? Omeo minitra vitsy ny mpianatra hisaintsainana ireo fanontaniana ireo ary hitadiavana soratra masina izay manampy amin’ny famaliana izany. Azon’ny mpianatra atao ny manoratra ny andinin-tsoratra masiny eny amin’ny solaitrabe, ary afaka miara-miresadresaka ny vitsivitsy amin’izany ianareo rehetra. Ireto misy ohatra vitsivitsy: Lioka 22:39–44; 1 Jaona 1:7; 2 Nefia 2:6–9; Môzià 3:5–13, 17–18; Almà 7:11–14; Môrônia 10:32–33; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19; 45:3–5.

  • Mety ho tianao ny hanasa ny mpianatra hamaky ny tenin’ny Mpamonjy izy tenany mihitsy momba ny fijaliany izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19. Ahoana no hampitomboan’ireo andininy ireo ny fankasitrahantsika ny sorona nataon’i Jesoa Kristy? Misy horonan-tsary hafa momba ny Paska voatanisa ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

    Sary
    i Jesoa mivavaka

    Tompon’ny vavaka, nataon’i Yongsung Kim

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:11–14, 20–24; 110:1–10

Nijoro ho vavolombelona ny Mpaminany Joseph Smith fa velona i Jesoa Kristy.

  • Nahita ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty i Joseph Smith ary nizara fijoroana ho vavolombelona mahery vaika fa velona i Jesoa Kristy. Mba hanampiana ny mpianatra handalina ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Joseph Smith dia azonao atao ny mizara azy ireo ho vondrona roa ary manome andraikitra ny vondrona tsirairay hamaky na ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:11–14, 20–24 na ny 110:1–10. Asao ny mpianatra tsirairay hitady teny iray farafahakeliny ao amin’ireo andininy ireo izay mamariparitra ny Mpamonjy. Azon’ny mpianatra atao ny mifandimby manoratra ireo teny hitany eny amin’ny solaitrabe, ary azonao ampiasaina ireo teny ireo mba hitarihana fifanakalozan-kevitra momba ny toetra sy ny herin’ny Mpamonjy. Ahoana no nampatanjahan’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Joseph Smith ny finoanareo ny Andriamanitra sy ny iraka nampanaovina an’i Jesoa Kristy?

  • Ny mpianatra sasany dia mety ho nampifandray ireo fampianarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana tamin’ny teny sy fitsipika ao amin’ilay hira ao amin’ny fihirana hoe “Velona Ilay Mpanavotra ahy” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 76; jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Mety ho vonona ny hizara ny zavatra hitany izy ireo. Azonareo iarahana mamaky na mihira ihany koa io hira io dia mitady ny zavatra mampifandray izany amin’ireto soratra masina manaraka ireto: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:34; 45:3–5; 84:77; 98:18; 138:23. Ahoana no nahatonga antsika lasa nahafantatra fa velona ny Mpanavotra antsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:26–27; 42:45–46; 63:49; 88:14–17, 27–31; 93:33–34

Noho i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty isika.

  • Mba hanampiana ny mpianatra hiresadresaka ny zavatra ampianarin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana momba ny fitsanganana amin’ny maty, dia azonao asaina izy ireo haka sary an-tsaina fa misy namana na olona ao amin’ny fianakaviana manontany azy ireo ny dikan’izany hoe mitsangana amin’ny maty izany. Ahoana no ahafahantsika manampy izany olona izany hahatakatra ny atao hoe fitsanganana amin’ny maty? Amporisiho ny mpianatra hikaroka ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:14–17, 27–31 izay zavatra mety hanampy. Isan’ny toko sy andinin-tsoratra masina mety hanampy ny Almà 11:40–45 sy Almà 40:21–23. Inona no hozaraintsika mba hanampiana namana na olona ao amin’ny fianakaviana hahatsapa ny fifaliana sy ny fanantenana azo avy amin’ny fotopampianaran’ny fitsanganana amin’ny maty?

  • Ahoana no mety hanampianao ny mpianatra handinika ny fitsanganana amin’ny maty izay fanomezana avy amin’ny Mpamonjy? Azonao atao angamba ny manoratra eny amin’ny solaitrabe hoe Noho i Jesoa Kristy … dia asao ny mpianatra hijery ao amin’ireto soratra masina manaraka ireto ireo teny azo hamenoana io fehezan-teny io: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:26–27; 42:45–46; 63:49; 93:33–34. Inona no fiantraikan’ireo fahamarinana ao amin’ireo andininy ireo eo amin’ny fomba fahitantsika ny fahafatesana? Inona no fiantraikan’izany eo amin’ny fiainantsika andavanandro?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny mpianatra hanadihady ny soratra masina. “Mametraha fanontaniana izay mitaky ny mpianatra mba hitady ny valiny ao amin’ny soratra masina. … Ampio izy ireo hahita fa na dia nosoratana taona maro lasa aza ny soratra masina dia ahitana ny valiny omen’ny Tompo mikasika ireo fanontaniana sy ireo olana atrehantsika rehetra izany” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 30).

Hamoaka printy