Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
12–18 aprily. Fotopampianarana 37–40: “Raha tsy iray ianareo dia tsy Ahy”


“12–18 aprily. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37–40: -Raha tsy iray ianareo dia tsy Ahy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“12–18 aprily. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37–40,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
Ireo Olomasina miomana ny hifindra

Mifindra any Kirtland ireo Olomasina, nataon’i Sam Lawlor

12–18 aprily

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37–40

“Raha tsy iray ianareo dia tsy Ahy”

Mialoha ny handrafetana ny zavatra hataonao mandritra ny fotoam-pianarana dia halalino ombam-bavaka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37–40. Tena hahazo fitarihana ara-panahy ianao ao anatin’ny fanomananao raha toa aloha ka miaina zavatra manan-danja manokana avy amin’ireo soratra masina ireo ianao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny hoe, Rehefa namaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37–40 aho dia nahatsapa fa niteny tamiko ny Tompo hoe . Afaka mizara ny fomba hamenoan’izy ireo ilay fehezan-teny ireo mpianatra. Amporisiho izy ireo hizara andininy avy amin’ny zavatra novakin’izy ireo rehefa manome valiny.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37–38

Angonin’ Andriamanitra isika mba hitahiana antsika.

  • Indraindray dia mora kokoa ny mianatra avy amin’ireo fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana rehefa mieritreritra ny tenantsika ho eo amin’ny toeran’ireo olona izay nomena azy ireo tany ifotony isika. Mba hanampiana ireo mpianatra hanao izany ao anatin’ny fizarana 37–38, dia afaka manasa azy ireo ianao mba haka sary an-tsaina hoe nipetraka tany Fayette, New York izy ireo tamin’ny 1831. Afaka mody manao hoe Joseph Smith ny mpianatra iray ary mamaky amin’izy ireo ny fizarana 37. Ahoana no mety ho fihetsika nasehontsika teo anatrehan’izany didy izany? Afaka maka sary an-tsaina angamba ireo mpianatra hoe manana namana iray izy ireo izay tsy te hivondrona any Ohio. Afaka mitady fitsipika ao anatin’ny fizarana 38 izy ireo izay afaka ny handrisika ilay naman’izy ireo mba ho mahatoky amin’ilay didy mba hivondrona. (Raha ilaina dia afaka mitarika azy ireo manokana any amin’ireo andininy 1–4, 11–12, 17–22, sy 27–33 ianao.) Ireo mpianatra koa dia mety maniry ny hizara ny fomba nanampian’ny fitsipika mitovy amin’izany azy ireo rehefa nila nankatò didy iray izay toa sarotra izy ireo.

  • Tsy didina hivondrona amin’ny alalan’ny fifindrana any amin’ny toerana iray intsony ireo Olomasin’ny Andro Farany, kanefa mbola mivondrona ao anatin’ny fianakaviana sy paroasy ary tsatòka isika. Mba hifanakalozana hevitra mikasika ireo fitahiana azontsika avy amin’izany fivondronana izany dia azonao zaraina ho vondrona roa ny mpianatra. Angataho ny vondrona iray mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:31–33 sy hitady ireo fitahiana izay mifandray amin’ny fivondronana amin’ny maha-fianakaviana ary angataho ilay vondrona iray hafa mba hamaky ireo andinin-tsoratra masina ireo ihany sy hitady ireo fitahiana izay mifandray amin’ny fivondronana ao anatin’ireo paroasy sy tsatòka. Avy eo izy ireo afaka mizara ny eritreriny amin’ny iray kilasy. Inona no fitahiana azontsika rehefa miara-mivondrona ao amin’ny kilasin’ny Sekoly Alahady isika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:24–27

Tsy maintsy iray ny vahoakan’ Andriamanitra.

  • Avy amina toe-piainana samihafa ireo Olomasina nivondrona tany Ohio, kanefa nodidin’ny Tompo izy ireo mba handresy ny fahasamihafan’izy ireo ary mba “ho iray” (andininy 27). Nahoana isika indraindray no tsy mahita ny olona hafa ho mitovy amintsika? Amporisiho ireo mpianatra mba hisaintsaina ny fomba fitondran’izy ireo ny hafa rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:24–27 izy ireo. Inona no dikan’ny hoe mihevitra ny rahalahintsika na anadahintsika ary ny anabavintsika na rahavavintsika ho toy ny tenantsika? Nahoana no tsy ho afaka ho tena vahoakan’ Andriamanitra isika raha tsy iray?

  • Ny famakiana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:24–27 dia afaka mitondra any amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny firaisana ao anatin’ny fifandraisantsika, amin’ny maha-mpikambana antsika ao amin’ny paroasy, amin’ny maha-fianakaviana antsika sy ny sisa.   Ohatra, afaka mizara teny nambara na zavatra tsapa avy amin’ilay horonan-tsary ireo mpianatra izay manampy azy ireo hahatakatra tsara kokoa ireo fitsipika ao amin’ny andininy 24–27. Izy ireo dia afaka misaintsaina sy mizara hevitra mikasika ny fanontaniana tahaka ny hoe “Inona no azoko atao mba hanampiana ny paroasinay hiray hina bebe kokoa?”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:39; 39–40

Maniry ny hanome antsika ireo [haren’ny mandrakizay] ny Ray.

  • Mety hanampy ireo mpianatra hifanafakalo hevitra momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:39 ny fanaovana tabilao. Azon’ireo mpianatra tanisaina eo amin’ny tsanganana iray ireo “haren’ny tany,” na ireo zavatra izay raisina ho sarobidy ety nefa tsy maharitra any amin’ny fiainana ho avy. Azon’izy ireo tanisaina eo amin’ilay tsanganana iray hafa ireo “[haren’ny mandrakizay],” na ireo zavatra izay sarobidy amin’ Andriamanitra ary afaka maharitra mandrakizay. Inona avy ireo zavatra niainana izay nampianatra antsika fa sarobidy kokoa ny haren’ny mandrakizay noho ny haren’ny tany?

  • Nanana faniriana tsara tahaka ny maro amintsika i James Covel. Saingy ny tsy fankatoavany ny torolalana nomen’ Andriamanitra azy dia fampitandremana lehibe ho antsika rehetra. Mba hanampiana ireo mpianatra hianatra avy amin’ny zavatra niainan’i Covel, dia afaka manasa ny sasany amin’izy ireo ianao mba hitady ao anatin’ny fizarana 39 ireo zavatra nasain’ny Tompo nataony. Ny hafa dia afaka mitady ireo fitahiana izay nampanantenaina azy raha mankatò izy. Afaka manadihady ny fizarana 40 koa izy ireo mba hahitana ny antony tsy nahazoan’i James Covel ireo fitahiana ireo. Ahoana no fomba fiantefan’ny zavatra niainany amintsika? Inona avy ireo “[zavatra mahavarimbariana eto amin’izao tontolo izao]” izay matetika manakana antsika tsy handray “amim-pifaliana” ny tenin’ Andriamanitra? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 40:2

Manatsara ny fampianarantsika

Aza miezaka ny hampianatra ny zavatra rehetra ao anatin’ny lesona. “Misy zavatra maro tokony hifanakalozana hevitra ao anatin’ny lesona tsirairay, saingy tsy ilaina ny mampianatra ny zavatra rehetra ao anatin’ny fotoam-pianarana iray mba handonana ny fon’olona iray—hevi-dehibe iray na roa matetika dia ampy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 7). Ny Fanahy Maisina, ireo fanamarihana avy amin’ireo mpianatra ary ireo hevitra ao anatin’ity rindran-damina ity dia afaka manampy anao hahafantatra ny zavatra tokony hifantohana.

Hamoaka printy