Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
19–25 aprily. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44: “Ny lalàko hitondrana ny fiangonako”


“19–25 aprily. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44: -Ny lalàko hitondrana ny fiangonako,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“19–25 aprily. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady

Sary
Jesoa Kristy

19–25 aprily

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44

“Ny lalàko hitondrana ny fiangonako”

Tsy ho afaka ny hifanakalozan’ny iray kilasy hevitra daholo ny fitsipika rehetra ampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44. Mikatsaha fitaomam-panahy izay hanampy anao hisafidy ireo fitsipika izay tena hanan-danja ho an’ny mpianatrao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Rehefa navoaka ireo fanambarana tao amin’ny fizarana 42 dia nanoratra i Joseph Smith fa “[noraisin’ireo Olomasina tamim-pifaliana izy ireo]” (“Letter to Martin Harris,” Feb. 22, 1831, josephsmithpapers.org). Amporisiho ireo mpianatra mba hizara izay mety ho zavatra nianaran’izy ireo avy tamin’ny fandalinana nataon’izy ireo manokana na niaraka tamin’ny fianakaviana tamin’ity herinandro ity izay noraisin’izy ireo tamim-pifaliana.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–42

Mitondra ny Fiangonany ny lalàn’ Andriamanitra ary azo itondrana ny fiainantsika koa.

  • Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41, ny Tompo dia nanampy ireo Olomasina mba hiomana handray ny lalàny izay nambarany andro vitsivitsy taty aoriana (jereo ny fizarana 42). Inona no mety nanampian’ny fanambarana ao amin’ny fizarana 41 an’ireo Olomasina mba handray ny lalàn’ Andriamanitra? Mba hanampiana ireo mpianatra hamaly io fanontaniana io, dia azonao asaina izy ireo mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:1–6 ary hitady ireo fitsipika izay afaka manampy antsika handray ny lalàn’ Andriamanitra. Ahoana no ahafahantsika mampihatra ireo fitsipika ireo rehefa manana fahafahana handray torolalana avy amin’ny Tompo isika?

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia manoro hevitra ny hizarana ny fizarana 42 ho vondron’andinin-tsoratra masina miisa dimy ka ny vondrona tsirairay dia maneho fitsipiky ny filazantsara manan-danja iray. Ireo fampivondronana ireo dia mety hanamora kokoa ny hanaovanareo fifanakalozan-kevitra ataon’ny iray kilasy mikasika ity fizarana ity. Ohatra, azonao soratana eo amin’ny solaitrabe ireo soratra masina ary afaka manasa ny mpianatra tsirairay ianao mba hifidy vondrona iray. Angataho ireo mpianatra mba hamaky ireo andinin-tsoratra masin’izy ireo sy hitady zavatra izay tsapan’izy ireo fa manan-danja amintsika amin’izao androntsika izao. Avy eo dia afaka mizara ohatra avy amin’ny fiainan’izy ireo manokana izy ireo izay mampiseho fa tena voatahy isika rehefa mitondra ny fiainantsika amin’ny alalan’ireo lalàna ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:9–11

Mangataka ireo mpanompony ny Tompo mba hahafoy tena.

  • I Edward Partridge, izay eveka voalohany tao amin’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny dia nodidina mba handao ny asa fivelomany ka “[hanokana] ny fotoany rehetra” amin’ny fanatanterahana ny antsony. Na dia tsy takina amintsika aza izany dia inona no hitantsika eo amin’ireo andininy ireo izay mety miantefa amin’ny fanompoantsika an’ Andriamanitra? (Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa momba an’i Edward Partridge, dia jereo ny “A Bishop unto the Church,” Revelations in Context, 77–83.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61, 65–68; 43:1–7

Mitondra fiadanana sy fifaliana ary fiainana mandrakizay ny fanambarana.

  • Tahaka an’ireo mpitarika tany am-piandohana ireo dia mety manana fanontaniana izay toa “mistery” ireo mpianatrao satria mitaky fitarihana avy amin’ny Tompo izany. Afaka mamporisika azy ireo ianao mba hanoratra izay fanontaniana na olana ananan’izy ireo ka ilan’izy ireo fanambarana ho an’ny tena manokana. Inona no zavatra hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61, 65–68 izay mety hanampy antsika rehefa mikatsaka fanambarana isika?

  • Mba hanampiana ireo mpikambana hahatakatra ny fomba fanomezan’ Andriamanitra fanambarana mba hitarihana ny Fiangonany, dia afaka manasa azy ireo ianao mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:1–7. Afaka mijery ny horonan-tsary “Les prophètes et la révélation—Entendre sa voix” (ChurchofJesusChrist.org) koa izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:8–10

Miara-mivory matetika isika mba “hifananatra sy hifampahery.”

  • Ahoana no fomba mety ampiasantsika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:8–10 mba hampianarana olona izay mahatsapa fa tsy ilaina ny manatrika ireo fivoriam-piangonana? Ny lisitra ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia afaka manampy amin’ny fampifantohana an’ity fifanakalozan-kevitra ity amin’ireo tanjona masin’ireo kôlejin’ny fisoronana sy ny Fikambanana Ifanampiana (miantefa amin’ireo kilasin’ny Zatovovavy koa ilay lisitra). Azon’ireo mpianatra zaraina ny fitahiana azon’izy ireo amin’ny alalan’ny fandraisan’izy ireo anjara ao amin’ny kôlejy, ny Fikambanana Ifanampiana sy ireo fotoam-pianarana ao amin’ny Fiangonana. Inona no tian’ny andininy 8–10 holazaina mikasika ny zavatra tokony hataontsika mba hiomanana sy handraisana anjara amin’ireo fivoriantsika?

    Sary
    kilasin’ny Sekoly Alahady ho an’ny zatovo

    Ny fivoriana any am-piangonana dia fomba iray “hifananarana sy hifampaherezana.”

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Nahoana isika no narindra ho ao anatin’ireo kôlejy sy ireo Fikambanana Ifanampiana?

Ny Rahavavy Julie B. Beck, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha, dia nanazava ny antony nandrindran’ Andriamanitra antsika ho ao anatin’ireo kôlejin’ny fisoronana sy ireo Fikambanana Ifanampiana:

  1. “Handrindrana antsika ho eo ambany fitarihan’ny fisoronana ary manaraka ny lamina araka ny fisoronana.”

  2. Hampifantohana ireo zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray any An-danitra amin’ny asan’ny Tompo ary hampirosihana azy ireo hirotsaka ao anatin’izany. Ireo kôlejy sy Fikambanana Ifanampiana dia mpianatra voarindra izay manana andraikitra mba hitondra fanampiana ao amin’ny asan’ny Raintsika ho fanatanterahana ny fiainana mandrakizay ho an’ny zanany.”

  3. Mba hanampiana ireo eveka hitantana amim-pahendrena ny trano fanobian’ny Tompo. Ny trano fanobian’ny Tompo dia ahitana ny -fotoana, talenta, fangorahana, fitaovana ary vola- izay an’ireo mpikamban’ny Fiangonana [Boky Torolalana 2: Fitantanana ny Fiangonana, 6.1.3, ChurchofJesusChrist.org]. Ireo talentan’ireo Olomasina dia ampiasaina mba hikarakarana ny mahantra sy ny sahirana ary mba hanorenana ny fanjakan’ny Tompo.”

  4. “Mba hanolorana fiarovana sy toeram-pialofana ho an’ireo zanaky ny Ray any An-danitra sy ny fianakavian’izy ireo amin’izao andro farany izao.”

  5. “Hampatanjahana sy hanohanana antsika ao anatin’ireo anjara asantsika sy andraikitsika eo anatrehan’ny fianakaviantsika amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra antsika.” (“Why We Are Organized into Quorums and Relief Societies” [Brigham Young University devotional, Jan. 17, 2012], speeches.byu.edu.)

Manatsara ny fampianarantsika

Manolora fanasana. “Raha manolotra fanasana foana mba hanao zavatra manokana ianao dia diniho ny mba hanasana ny mpianatra hieritreritra izay fombany manokana hampiharana ny zavatra nianarany” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 35).

Hamoaka printy