Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
26 aprily–2 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45: “Ho tanteraka ny fampanantenana”


“26 aprily–2 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45: -Ho tanteraka ny fampanantenana-” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“26 aprily–2 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
zatovo eo ivelan’ny tempoly

26 aprily–2 mey

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45

“Ho tanteraka ny fampanantenana”

Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45 ianao dia eritrereto ireo andinin-tsoratra masina, teny nolazain’ny mpitarika ato amin’ny Fiangonana, zavatra niainana, fanontaniana, ary loharanom-pahalalana hafa izay azonao ampiasaina hampianarana ny fotopampianarana. Rehefa mampianatra ianao dia asao ireo mpianatra mba hirakitra an-tsoratra ireo bitsika azon’izy ireo ary hanao drafitra mba hanao asa mifanaraka amin’izany.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Azon’ny mpianatra atao ny manoratra amin’ny taratasy kely iray ny laharan’ny andininy iray avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45 izay manentana ny fanahin’izy ireo. Dia azonao angonina avy eo ireo taratasy dia manao an-tsapaka ny vitsivitsy amin’izany, ary manasa ireo mpianatra izay nanoratra izany mba hamaky ny andininy izay nosoratany amin’ny iray kilasy ary hizara ny antony nisafidianany izany. Amporisiho ny hafa mba hizara ny heviny ihany koa.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:1–5

I Jesoa Kristy no Mpisolovava antsika eo anatrehan’ny Ray.

  • Afaka misy manazava ve ny ao amin’ny kilasinao hoe inona no ataon’izany mpisolovava izany? Mety hanampy ny mijery ny famaritana ny hoe mpisolovava ao amin’ny rakibolana. Rehefa takatry ny mpianatra izany dia afaka mamaky tsiroaroa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:3–5 izy ireo. Afaka mifampizara ireo teny na andian-teny avy amin’ireo andininy ireo izay manampy azy ireo hahatakatra ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpisolovava antsika eo amin’ny Ray Azy izy ireo. (Jereo ihany koa ny 2 Nefia 2:8–9; Môzià 15:7–9; Môrônia 7:27–28; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:5; 62:1.) Angataho ireo mpianatra mba hizara ny zavatra tsapan’izy ireo momba ny maha-Mpisolovava azy ireo ny Mpamonjy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:11–75

Tsy mila matahotra ny Fiaviana Fanindroany isika.

  • Ahoana no ahafahanao manampy ireo mpianatra hahita ireo fampitandremana mampieritreritra sy ireo fampanantenana mahavelom-panantenana ao amin’ny fizarana 45? Ohatra, azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny lohateny hoe Faminaniana sy ny hoe Fitahiana nampanantenaina, dia azon’ny mpianatra soratana eo ambanin’ireo lohateny ireo ny fampianarana hitany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:11–75. Nahoana no tian’ny Tompo ho fantatsika mialoha ireo zavatra ireo? Inona no azontsika atao mba hahazoana ireo fitahiana nampanantenaina?

  • Angamba afaka mifampizara torohevitra ireo mpianatra momba ny fomba hananana fomba fijery miandrandra ny tsara sy feno fanantenana eo am-piatrehantsika ireo loza efa voalaza fa hitranga amin’izao androntsika izao (toy ireo izay tantaraina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:1–75). Inona no torohevitra efa renao na novakinao vao tsy ela avy tamin’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana izay afaka manampy antsika hiatrika amim-pilaminana ireo toe-javatra mampatahotra?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:31–32

“[Mitsangàna] eo amin’ ny toerana masina,” ary aoka tsy hoesorina.

  • Mety te hizara ny eritreriny momba ny fiezahany “hitsangana eo amin’ny toerana masina” ireo mpianatra, araka ny torohevitry ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:31-32. Ahoana no hanorenantsika toerana masina eo amin’ny fiainantsika? Ny zavatra voalaza ao amin’ny Loharanom-pitaovana fanampiny dia afaka manampy hevitra vaovao amin’io fifanakalozan-kevitra io.

    Sary
    ireo virijiny folo

    Fanoharana momba ireo virijiny folo, nataon’i Dan Burr

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

“[M]itsangana eo amin’ny toerana masina.”

Ny Rahavavy Ann M. Dibb, mpikambana teo aloha tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany, dia nampianatra fa ny toromarika mba hitsangana eo amin’ny toerana masina sy tsy hoesorina dia “manazava ny fomba hahazoantsika fiarovana, hery, ary fiadanana amin’ny fotoana mikorontandrontana.” Rehefa avy nilaza izy fa anisan’izany toerana masina izany ny tempolintsika sy ny trano fiangonantsika ary ny tokantranontsika dia hoy izy hoe “afaka mahita fitoerana hafa maro isika tsirairay.” Notohizany hoe:

“Azontsika raisina ho toy ny tontolo azo tsapain-tanana na faritra iray ny teny hoe: toerana amin’ny voalohany. Na izany aza anefa, ny toerana dia mety ho –toe-tena mazava tsara, fihevitra, na toe-panahy– [Merriam-Webster.com Dictionary, “place,” merriam-webster.com]. Izany dia midika hoe mety ho tafiditra ao anatin’ireo hoe toerana masina koa ireo fotoana hitrangan-javatra eo amin’ny fiainana—ireo fotoana nijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona tamintsika, ireo fotoana ahatsapantsika ny fitiavan’ny Ray any An-danitra, na ireo fotoana izay andraisantsika ny valin’ny vavaka nataontsika. Ankoatra izany dia mino aho fa manorina toerana masina ianao isak’izay sahy mijoro amin’ny marina, indrindra fa rehefa tsy misy olon-kafa vonona ny hanao izany” (“Ny toerana masinareo,” Liahona, mey 2013, 115).

Manatsara ny fampianarantsika

Aoka ianao ho vavolombelona velona. Rehefa miaina ny fotopampianarana ampianarinao ianao dia ho afaka ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona mahery vaika sy manokana anananao fa marina izany. Hanamafy ny fijoroana ho vavolombelona anananao ao am-pon’ireo mpianatrao ny Fanahy Masina. Eritrereto ireo fitsipika izay hampianarinao amin’ity herinandro ity sy amin’ireo herinandro manaraka. Ahoana no ahafahanao miaina bebe kokoa izany? (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 13–14

Hamoaka printy