Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
24–30 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58–59: “Hazoto hirotsaka amin’ny tanjona tsara”


“24–30 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58–59: -Hazoto hirotsaka amin’ny tanjona tsara,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“24–30 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58–59,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady

Sary
araben’i Independence, Missouri

Independence, Missouri, nataon’i Al Rounds

24–30 mey

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58–59

“Hazoto hirotsaka amin’ny tanjona tsara”

Rehefa avy mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58–59 ianao dia diniho ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona tsapanao fa itaoman’ny fanahy anao mba hozaraina amin’ny mpianatrao? Inona no antenainao fa ho hitan’izy ireo? Ahoana no hanampianao azy ireo hahita ireo zavatra ireo?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hamporisihana ireo mpianatra hizara ny zavatra nianarany tamin’ny fandalinany ny soratra masina dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no nianaranao? Ahoana no hiainantsika ny zavatra nianarantsika? Azon’ireo mpianatra atao lisitra eo ambanin’ilay fanontaniana voalohany ireo fahamarinana hitany tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58–59. Avy eo dia afaka mandany minitra vitsivitsy izy ireo hifanakalozana hevitra momba ny fiainana araka ireo fahamarinana ireo sy hanoratana ny hevitr’izy ireo eo ambanin’ilay fanontaniana faharoa.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:1–5, 26–33

Tonga amin’ny fotoana nalahatr’ Andriamanitra sy amin’ny alalan’ny fahazotoantsika ny fitahiana.

  • Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58 dia mampianatra fahamarinana izay afaka mitondra fiadanana mandritra ny fotoan-tsarotra. Mety nahita ny sasany amin’ireo fahamarinana ireo ny mpianatra nandritra ny fandalinana an’ity fizarana ity. Asao izy ireo hizara ny zavatra hitany. Na afaka mandalina manokana na ao anatina vondrona ny andininy 1–5, 26–33 izy ireo ao an-dakilasy mba hitadiavana zavatra izay mety hanampy olona izay miaina fitsapana na miandry fitahiana nampanantenaina. Aorian’ny fizarana ny zavatra hitan’izy ireo dia angamba afaka mizara zavatra niainana na soratra masina hafa izay nanamafy ny fahamarinana ao amin’ireo andininy ireo ny mpianatra sasany.

  • Ny teny nolazain-dRahavavy Linda S. Reeves ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia afaka manampy ihany koa amin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo. Ahoana no hanovan’ireo teny nolazain-dRahavavy Reeves ny fomba fijerintsika ny fitsapana mahazo antsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:26–29

Afaka ny “hahatonga fahamarinana fatratra” isika “amin’ny nahim-po[ntsika].”

  • Inona no nianaran’ireo mpianatra avy tamin’ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:26–29 tamin’ity herinandro ity? Angamba azonao zaraina ho vondrona maromaro ny kilasy ary azonao asaina ireo mpianatra hifanakalo hevitra ao amin’ny vondrona misy azy mikasika ireo andian-teny izay hitan’izy ireo fa manan-danja ao amin’ireo andininy ireo. Ahoana no hitaoman’ireo andininy ireo antsika “hahatonga fahamarinana fatratra”? (andininy 27). Nahoana isika no tian’ny Tompo tsy ho “terena amin’ny zava-drehetra”? (andininy 26). Inona no ambaran’ireo andininy ireo momba izay irin’ny Tompo hahatongavantsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–19

Andron’ny Tompo ny Sabata.

  • Mba hanampiana ireo mpianatra hikaroka ny zavatra nampianarin’ny Tompo tamin’ireo Olomasina tany am-boalohany tao Missouri momba ny Sabata dia azonao asaina izy ireo mba handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–19 ary hitanisa eny amin’ny solaitrabe ny zavatra ampianarin’ny andininy tsirairay antsika momba ny Sabata. Azon’ireo mpianatra atao ihany koa ny mizara ny fomba nitomboan’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny andro Sabata rehefa nitandrina ny andro Sabata ho masina izy ireo.

  • Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59 ny Tompo dia mampianatra mikasika ny andro Sabata amin’ny fampiasana teny toy ny hoe “firavoravoana” sy ny hoe “miramirana” ary ny hoe “falifaly” (andininy 14–15). Afaka mitady teny toy ireo ao amin’ny andininy 9–19 ireo mpianatra. Dia afaka mizara ny zavatra ataony avy eo ireo mpianatra mba hanaovana ny sabata ho maharavoravo. Ahoana no azontsika ampiasana ireo andininy ireo mba hampianarana ny hafa ny antony hanajantsika ny andro Sabata?

  • Mety ho fahafahana ho an’ireo mpianatra ihany koa io fifanakalozan-kevitra io mba hizarana hevitra momba ny fomba ampiasan’izy ireo sy ny fianakaviany ny Sabata mba hahatonga ny tokantranon’izy ireo ho ivon’ny fianarana ny filazantsara. Asao izy ireo hizara ny fomba hanampian’ny ezaka ataony manampy azy ireo hijanona “tsy ho voapentimpetin’izao tontolo izao [tanteraka kokoa]” (andininy 9).

    Sary
    mofo sy kaopin’ny fanasan’ny Tompo

    Ny fanasan’ny Tompo dia ampahany manan-danja amin’ny fanajana ny Sabata.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Afaka mitondra antsika any amin’ny Mpamonjy ny fahoriantsika.

I Linda S. Reeves, mpikambana tao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha, dia nampianatra hoe:

“Mamela antsika mba hotsapaina sy hozahan-toetra ny Tompo ary indraindray dia hatrany amin’izay ambony indrindra zakantsika. Nahita ny fiainan’ireo olon-tiantsika isika, ary koa ny an’ny tenantsika, toy ny kilan’ny afo ary tsy misy raisina intsony ka manontany tena hoe nahoana no namela ny zavatra toy izany hitranga ny Ray any An-danitra be fitiavana sy tia miahy. Kanefa tsy mamela antsika amin’izao izy. Mitsangana miaraka amin’ny tanana mivelatra Izy ary manasa antsika amin’ny fony hanatona Azy. …

“… Tsy andriny ny hanampiana antsika, hampionona antsika ary hanamaivana ny fanaintainantsika rehefa miantehitra amin’ny herin’ny Sorompanavotana sy manaja ny fanekempihavanantsika isika. Mety ho ireo fizahan-toetra sy fahoriana iainantsika no ho ireo zavatra hitarika antsika hanatona Azy sy hiantehitra amin’ny fanekempihavanantsika mba hahafahantsika miverina eo anatrehany sy hahazo ny zavatra rehetra ananan’ny Ray.” (“Takio ireo fitahian’ny fanekempihavananao,” Liahona, nôv. 2013, 119–20).

Manatsara ny fampianarantsika

Makà antoka fa mampianatra fotopampianarana marina ianao. “Manontania tena tsy tapaka hoe: -Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny zavatra ampianariko an’ireo mpianatro mba hanorina finoana an’i Kristy, hibebaka, hanao sy hitandrina fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ary handray ny Fanahy masina?-” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 20).

Hamoaka printy