Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
3–9 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46–48: “Katsahonareo fatratra tokoa ny fanomezam-pahasoavana tsara indrindra”


“3–9 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46–48: -Katsahonareo fatratra tokoa ny fanomezam-pahasoavana tsara indrindra-” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“3–9 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46–48,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
olona mivory eo akaikin’ny kamory iray

Fivoriana teo amin’ny, nataon’i Worthington Whittredge

3–9 mey

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46–48

“Katsahonareo Fatratra Tokoa ny Fanomezam-pahasoavana Tsara Indrindra”

Eo am-pamakianao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46–48 dia mety hijoro ho vavolombelona aminao ny amin’ny fahamarinan’ireo fizarana ireo ny Fanahy Masina. Mety hanampy anao hahita fomba hanampiana ireo mpianatrao hahita ireo fahamarinana ireo ny firaketana sy ny fijerena ireo zavatra tsapanao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mety hanampy ny mpianatra ny mizara indraindray ny fandehan’ny fandalinan’izy ireo manokana na miaraka amin’ny fianakaviana ny soratra masina. Ohatra, rehefa mizara hevi-baovao momba ny zavatra hitany na hitan’ny mpikambana iray ao amin’ny fianakaviana tamin’ity herinandro ity ny mpianatra dia azonao anontaniana izy ireo hoe inona no nataony nandritra ny fandalinany ka nitondra izany hevitra izany.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:1–7

Tokony ho raisintsika tsara ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ny rehetra.

  • Ho an’ny maro dia mety hisy fiantraikany be amin’ny fahavitrihany ato am-piangonana ny zavatra tsapany mandritra ireo fivoriam-piangonana. Ny toromariky ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:1–7 dia afaka manampy ireo mpikambana ao amin’ny paroasinao hamorona fitsaohana hahatsapan’ny olona ho voaray tsara sy manan-danja ho an’ny tsirairay sy ho an’ireo mpitsidika. Azon’ireo mpianatra atao ny manao fikarohana ao amin’ireo andininy ireo mba hitadiavana fitsipika mifandray amin’ny fivoriam-piangonana ary hitanisa eny amin’ny solaitrabe ny zavatra hitany. Ho an’ny zavatra tsirairay ao amin’ilay lisitra dia azon’ny iray kilasy atao ny mifanakalo hevitra momba ny fampiharana ilay fitsipika.

  • Ahoana no ahafahan’ireo torohevitry ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46 manampy ireo mpianatra hahita ireo fivoriam-piangonana ho toy ny fahafahana iray hahatsapana ny Fanahy Masina? Azonao asaina ireo mpianatra mba handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:2 ary hifanakalo hevitra momba ny fotoana nahitan’izy ireo mpitarika sy mpampianatra nitarika fivoriana tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Inona no andraikitr’ireo izay manatrika ny fivoriana? Asao ireo mpianatra mba hizara fotoana izay nahatsapany fa notarihin’ny Fanahy Masina ny fivoriana iray.

  • Angamba azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainany tamin’ny fotoana voalohany nanatrehany fivoriana tao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Inona no nanampy azy ireo hahatsapa ho voaray tsara? Inona no torohevitra homen’izy ireo ny mpianatra hafa mba hanampiana amin’ny fanaovana ireo fivoriam-piangonana ho mandray ny olona amin’ny fomba tsara kokoa? Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mampihatra ny torohevitry ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:1–7? Avelao ireo mpianatra hanao fanazaran-tena ny amin’izay holazainy raha toa ka mahita olona vaovao sambany miditra ny trano fiangonana izy ireo.

  • Ny fihirana toy ny “Chantons du Christ le grand amour!” (Cantiques, no. 130) dia afaka manampy ihany koa ireo mpianatra hieritreritra sy hifanakalo hevitra momba ny fomba hanaovana ireo fivoriam-piangonantsika ho mandray olona tsara sy mankahery kokoa. Angamba afaka miara-mihira ilay fihirana ireo mpianatra ary mizara hevitra avy amin’ny tonony momba ny fomba hanampiana ny hafa hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra ato am-piangonana.

    Sary
    mpikambana ao am-piangonana

    Nampianatra ny Tompo fa ny rehetra dia raisina an-tanan-droa ao amin’ny Fiangonany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:7–33

Manome fanomezam-pahasoavana ara-panahy ny Ray any An-danitra ho tombontsoan’ireo zanany.

  • Ireo Olomasina tany am-boalohany dia nino mafy ny fiasan’ny Fanahy Masina. Ahoana no hanampianao ny mpianatrao hanorina ny finoany mba hahafahan’ireo fanomezam-pahasoavana ireo hiasa amin’ny fiainantsika ankehitriny? Azonao atomboka amin’ny fanasana ireo mpianatra hamaky tsiroaroa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:7–33 izany. Angataho izy ireo mba hitady fanomezam-pahasoavana ara-panahy dimy farafahakeliny ary hifanakalo hevitra momba ireo fomba efa nahitany ireo fanomezam-pahasoavana ireo niasa teo amin’ny fiainany na ny fiainan’ny olona iray izay fantany, tafiditra ao anatin’izany ireo olona mpiray kilasy. Inona no hitan’izy ireo ka azon’izy ireo zaraina amin’ny iray kilasy mba hanorenana ny finoany an’ireo fanomezam-pahasoavana ireo?

  • Nanambara ny Tompo fa ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy dia mitondra tombontsoa ho an’ireo izay mahatoky ary tsy mitady “famantarana” (andininy 9). Mety hoe azon’ny mpianatra atao ny mifanakalo hevitra momba ny fomba hitondran’ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy tombontsoa ho an’ny mahatoky. Ahoana no hanampian’ireo fanomezam-pahasoavana ireo an’ireo izay te hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara na te hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny filazantsara?

  • Ny olona sasany dia tia an’ Andriamanitra ary miezaka mitandrina ny didiny kanefa tsy mbola niaina ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy. Ahoana no ahafahan’ny torohevitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:7–33 manampy?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47

Ny Fanahy Masina dia afaka mitarika antsika rehefa manatanteraka ny antsontsika isika.

  • Olona maro no afaka mahatsapa ny zavatra tsapan’i John Whitmer rehefa naniry ny hahazo antoka izy fa avy amin’ Andriamanitra ny antsony. Angamba afaka mizara zavatra niainana izay mitovy amin’izany ireo mpianatra. Inona no hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47 izay mety nanome fahatokian-tena an’i John Whitmer tamin’ny asa nampanaovina azy?

Manatsara ny fampianarantsika

Ny andraikitrao amin’ny maha-mpampianatra anao. Ny mampianatra dia tsy hoe mampiseho fampahalalana izay nomaninao fotsiny. Ankoatra ny zavatra maro hafa dia tafiditra ao anatin’izany ny fanorenana tontolo izay ahafahan’ireo mpianatra mianatra sy mahita ny marina amin’ny ezaka ataony manokana ary hizara ny zavatra nianarany amin’ny hafa. Ohatra, mandritra ny lesona dia anontanio ireo mpianatra ny momba ny zavatra niainany rehefa nandalina ny soratra masina tany an-trano.

Hamoaka printy