Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
17–23 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–57: “Mpitantan-draharaha mahatoky, marina ary hendry”


“17–23 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–57: -Mpitantan-draharaha mahatoky, marina ary hendry,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“17–23 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–57,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady

Sary
mpiompy iray miaraka amin’ny omby

Famaritana soritr’angadinomby voalohany, nataon’i James Taylor Harwood

17–23 mey

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–57

“Mpitantan-draharaha mahatoky, marina ary hendry”

Indraindray dia mety ho tonga ny fitaomam-panahy momba ny zavatra tokony hampianarina eo am-pifanakalozanao hevitra miaraka amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Zarao izao teny nolazain’ny Loholona Quentin L. Cook izao: “Ny fanantenako dia ny handinihantsika manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana ireo fitantanan-draharaha izay iandraiketantsika” (“Fitantanan-draharaha—Fahatokiana masina,” Liahona, nôv. 2009, 94). Azonao anontaniana an’ireo mpianatra avy eo ny zavatra nianarany avy tamin’ny fizarana 51–57 momba ny fahaizan’izy ireo mitantan-draharaha.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51:9, 15–20

Tian’ny Tompo ho mpitantan-draharaha mahatoky sy marina ary hendry isika.

  • Ahoana no hanampianao ireo mpianatrao handinika ny fomba iantefan’ireo tenin’ny Tompo ao amin’ny fizarana 51 amin’izy ireo? Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny hoe Inona no nampiandraiketin’ny Tompo ahy? ary asao ireo mpianatra mba hitanisa ny valinteniny (jereo ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” mba hahitana hevitra). Avy eo dia afaka mikaroka fitsipika ao amin’ny andininy 9, 15–20 izy ireo izay mampianatra azy ireo ny fomba hahatongavana ho mpitantan-draharaha tsara kokoa amin’ireo zavatra notanisain’izy ireo. Na afaka mifantoka amin’ireo teny hoe “mahatoky” sy “marina” ary “hendry” ao amin’ny andininy 19 ianao dia ifanakalozy hevitra ny fomba ahafahan’ireo teny tsirairay ireo mitarika antsika eo amin’ny fanatanterahana ny maha-mpitantan-draharaha antsika. Raha ilaina dia iaraho mijery ny famaritana ny hoe “Fitantanan-draharaha” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Sary
saha maitso

Ireo mpikambana izay miaina ny lalàn’ny fanokanana dia nanome ny fananany rehetra ho an’ny Fiangonana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:10; 53:3; 55:1–3

Ny fanomezana ny Fanahy Masina dia azo amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana.

  • Andininy maro ao amin’ireo fanambarana ireo no milaza ny fandraisana ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana. Raha manan-danja ho an’ny kilasinao ny fanaovana fifanakalozan-kevitra momba io lohahevitra io dia azonao anontaniana ny mpianatra ny zavatra ianarany avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:10; 53:3; 55:1–3 momba ny fanomezana ny Fanahy Masina. Ho fampahalalana bebe kokoa mikasika ity lohahevitra ity dia jereo ny Asan’ny Apostoly 8:14–17; 19:1–6. Angamba afaka miresaka momba ny zavatra niainany tamin’ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina ireo mpianatra na ny zavatra azon’izy ireo atao mba handraisana hatrany ny fitaomany eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:9–11, 22–27

Afaka mizara ny filazantsara isika na aiza na aiza misy antsika.

  • Rehefa nandefa mpitarika maro tao amin’ny Fiangonana ho any Missouri ny Tompo, dia niteny azy ireo Izy mba hampiasa ny fotoana lanin’izy ireo amin’ny diany ary “hitory eny an-dalana” (andininy 25–24). Ny famakiana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:9–11, 22–27 dia mety hitarika ho amin’ny firesadresahana momba ny fomba ahafahantsika mizara ny filazantsara “eny an-dalana,” na mandritra ny fizotry ny fiainantsika andavanandro. Azon’ireo mpianatra atao ny miresaka momba ny fomba hanaovan’izy ireo ny fizarana ny filazantsara ho zavatra mandeha ho azy eo amin’ny fiainany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:14–19

Nanome lamina iray hialana amin’ny fitaka ny Tompo.

  • Mba hampidirana ilay lamina nambaran’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:14–19, dia afaka mizara karazana lamina hafa izay mety mahazatra ny mpianatra ianao, toy ny lamina entina manorina zavatra na ny lamina arahina eo amin’ny fomba fiainana. Mety manana ohatra izay azy ireo manokana mba hozaraina ireo mpianatra. Nahoana no zava-dehibe ny fananana lamina arahina? Ahoana no ahafahantsika mampihatra ilay lamina ao amin’ny andininy 14–19 mba hialana amin’ny fitaka izay hitantsika eto amin’izao tontolo izao ankehitriny?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 54

Afaka mitodika any amin’ny Tompo aho rehefa ratrain’ny safidin’ny hafa.

  • Maro amintsika no efa niaina fahadisoam-panantenana rehefa tsy nihazona ny fanolorantenany ny olona iray izay niankinantsika. Nitranga tamin’ireo Olomasina tao Colesville, New York izany, izay nanantena ny hipetraka tao amin’ny tanin’i Leman Copley tao Ohio. Mba hisintonana lesona avy amin’io zavatra niainana io dia azon’ireo mpianatra jerena ny lohatenin’ny fizarana 54 (jereo koa ny Saints, 1:125–28; “A Bishop unto the Church,” Revelations in Context, 78–79). Afaka maka sary an-tsaina izy ireo hoe nanana namana teo anivon’ireo Olomasina tao Colesville ary avy eo dia nahita torohevitra tao amin’ny fizarana 54 izay azony zaraina amin’ilay namana. Na afaka mikaroka fanambarana ho an’ny zavatra izay mety hanampy olona iray mijaly noho ny safidin’ny olona iray hafa izy ireo. (Azonao hamafisina ilay fampanantenana ao amin’ny andininy 6 ho an’ireo izay mitandrina ny fanekempihavanany.)

  • Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 54:10 dia misy andian-teny maro izy mety ho hitan’ireo mpianatrao ho manan-danja, toy ny hoe “miareta amin’ny fahoriana,” “nikatsaka Ahy fatratra,” ary “fitsaharana ho an’ny fanahiny.” Afaka maka fehezan-teny iray ireo mpianatra mba hosaintsainina sy hohalalinina, sady mampiasa ireo fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy na ireo loharanom-pahalalana hafa mba hikarohana soratra masina mifandray amin’izany. Avy eo dia afaka mizara ny eritreriny izy ireo.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny fitantanan-draharahantsika.

Ny Filoha Spencer W. Kimball dia nanazava hoe: “Ato amin’ny Fiangonana ny fitantanan-draharaha dia fahatokisana masina ara-panahy na ara-batana izay hitakiana ny maha-tompon’andraikitra. Satria ny zava-drehetra dia an’ny Tompo, dia mpitantana ny vatantsika sy ny saintsika, sy ny fianakaviantsika ary ny fananantsika isika. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:11–15.) Ny mpitantan-draharaha mahatoky dia ny olona izay mampihatra fanapahana amim-pahamarinana, mikarakara ny an’ny tenany ary mijery ireo mahantra sy ny sahirana” (“Welfare Services: The Gospel in Action,” Ensign, Nov. 1977, 78).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny mpianatra hifanohana Manorena tontolo izay hifanohanan’ireo mpianatra sy hifampaherezan’izy ireo. Asao izy ireo hizara hevitra na tetikady izay manatsara ny fandalinany manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 36.)

Hamoaka printy