Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
10–16 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–50: “Izay avy amin’ Andriamanitra dia hazavana”


“10–16 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–50: -Izay avy amin’ Andriamanitra dia hazavana,-” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“10–16 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–50,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
kamory amin’ny fiposahan’ny masoandro

10–16 mey

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–50

“Izay avy amin’ Andriamanitra dia hazavana.”

Mba ho azo “irahin’ny Mpampionona hitory ny tenin’ny fahamarinana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:17) dia katsaho ny fitaomam-panahy avy amin’ Andriamanitra rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–50 ianao. Avy eo dia mahaiza mihaino ny fitarihan’ Andriamanitra rehefa mampianatra ianao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ankoatra ny fizarana ny hevi-baovao izay voarainy rehefa mandalina ny soratra masina dia mety hahitan’ireo mpianatra tombontsoa ny fifanakalozan-kevitra momba ny fomba ahatongavan’ireo hevi-baovao ireo. Azonao asaina ireo mpianatra mba hifampizara hevi-baovao momba ny andininy iray avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–50 ary hifanakalo hevitra ny amin’ny zavatra izay nitarika azy ireo hahita izany hevi-baovao izany.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49; 50:1–36

Afaka manampy ahy hahafantatra ireo fampianarana diso ny fahamarinan’ny filazantsara.

  • Ny fizarana 49 dia nomena mba hilazana fotopampianarana marina izay nanitsy ny zavatra nampianarin’ny hafa (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana mba hahazoana fampahalalana ara-tantara). Mba hanampiana ny mpianatra handalina ity fizarana ity dia azonao zaraina ho vondrona maromaro ireo mpianatra ary omeo ireo lohahevitra ara-potopampianarana izay efa noresahina ny vondrona tsirairay (araka ny voatanisa ao amin’ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny fizarana 49). Afaka mifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto ireo vondrona: Inona no fahamarinana nampianarin’ny Tompo momba io lohahevitra io ao amin’ny fizarana 49? Inona no inoan’ny olona momba io lohahevitra io ankehitriny? Inona ireo fahamarinana fanampiny nampianarin’ny Tompo momba izany tamin’ny alalan’ireo mpaminanintsika amin’izao andro farany izao? Omeo fahafahana hizara ny fankasitrahany noho ireo fahamarinana nambara amin’izao androntsika izao ireo mpianatra.

  • Tahaka ireo loholona tao Kirtland izay “tsy nahatakatra ny fisehoan’ireo fanahy samy hafa” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50, sasin-tenin’ny fizarana), dia indraindray isika manontany tena raha toa ka avy amin’ny Fanahy na avy amin’ny fitaomana hafa ny zavatra izay tsapantsika. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:1–36 mba hanampy antsika hahafantatra ny fitaoman’ny Fanahy? Azonao avela maka andinin-tsoratra masina maromaro ny mpianatra tsirairay mba hohalalinina ary avy eo dia hangataka ireo mpianatra mba hizara ny zavatra hitany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17

Manan-danja ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ny fanambadian’ny lehilahy sy vehivavy.

  • Koa satria manan-danja lehibe ao amin’ny drafitry Ray any An-danitra ny fanambadiana, dia maika ery ny hametraka fisafotofotoan-kevitra momba izany i Satana. Mety hitondra tombontsoa ho an’ny kilasinao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ireo fahamarinana nambaran’ny Tompo momba ny fanambadiana. Ohatra, fahamarinana inona momba ny fanambadiana no ianarantsika avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17? Soratra masina hafa mety hanampy ny Genesisy 2:20–24, na ny 1 Korintiana 11:11 na ireo hafa hita ao amin’ny “Fanambadiana, Manambady” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Afaka mahita fahamarinana ihany koa ireo mpianatra ao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao.” Araka ny zavatra ianarantsika avy amin’ireo loharanom-pitaovana ireo, dia nahoana no manan-danja eo amin’ny drafitr’ Andriamanitra ny fanambadian’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray? (jereo ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”).

    Sary
    mpivady eo ivelan’ny tempoly

    Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’ Andriamanitra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:13–22

Miaraka ankeherezin’ny fanahy ireo mpampianatra sy mpianatra.

  • Ny toromariky ny Tompo momba ny fitoriana sy ny fandraisana ny fahamarinana dia mety hanome fahafahana tsara mba hifanakalozana hevitra momba ny andraikitra iraisanao mpampianatra amin’ireo mpianatrao amin’ny fanomezana lanja ny fianarana ny filazantsara. Asao ny mpianatra hiara-hijery tsiroaroa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:13–22 ary hifanakalo hevitra momba ny anjara asan’ny Fanahy, sy ny mpampianatra, ary ny mpianatra. Afaka mizara ny zavatra nianarany amin’ny iray kilasy ny mpianatra vitsivitsy. Inona koa ireo “fomba hafa” izay andramantsika indraindray mba hampianarana sy hianarana ny filazantsara? (andininy 17). Ahoana no ahafahantsika ho lasa tsaratsara kokoa amin’ny fandraisana amin’ny alalan’ny Fanahy? Entanin’ny fanahy hanao inona isika ao an-tokantranontsika sy ao am-piangonana mba hampianarana sy hianarana amin’ny fomba tsara kokoa ny filazantsara?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny fanambadiana dia manan-danja ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Nanazava ny antony maha-manan-danja ny fanambadiana amin’ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra ny Loholona David A. Bednar:

“Araka ny nanaovan’ Andriamanitra azy, ny lehilahy sy ny vehivavy dia natao hiaraka handroso mankany amin’ny fahatanterahana sy ny fahafenoan’ny voninahitra. Noho ny toetra voajanahary sy ny fahaiza-manaon’izy ireo izay samy miavaka tsara dia samy mitondra fomba fijery sy traikefa tsy manam-paharoa ny lehilahy sy ny vehivavy eo amin’ny fifandraisana ao amin’ny fanambadiana. Ny lehilahy sy ny vehivavy dia mitondra anjara biriky amin’ny fomba samy hafa nefa mitovy lenta hanatratrarana ny firaisan-kina izay tsy azo tratrarina amin’ny fomba hafa ankoatra izany. Ny lehilahy dia mameno sy mandavorary ny vehivavy ary ny vehivavy dia mameno sy mandavorary ny lehilahy rehefa mianatra amin’izy samy izy sy mifampahery ary mifampitahy izy ireo. …

“Ny tokantrano ahitana mpivady maha-te-ho tia sy mahatoky no toerana tsara indrindra izay ahafahan’ireo ankizy ho voataiza amim-pitiavana sy amim-pahamarinana ary ao anatin’izany no ahafahana manome ireo zavatra ilain’ny zanaka eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-batana. Tahaka ny hitondran’ny toetra miavaka ananan’ny lahy sy ny vavy anjara biriky feno amin’ny fahafenoan’ny fifandraisana eo amin’ny fanambadiana mihitsy no maha-tena ilaina an’ireo toetra ireo amin’ny fanabeazana, famelomana, ary ny fampianarana ny zanaka” (“Marriage Is Essential to His Eternal Plan,” Ensign, June 2006, 83–84).

Manatsara ny fampianarantsika

Mitariha fifanakalozan-kevitra nentanim-panahy. Manana zavatra azo atolotra ny rehetra saingy indraindray dia tsy ny rehetra no manana fahafahana hanao izany. Araho ny fitarihan’ny Fanahy dia mitadiava fomba ahafahana mampitombo ny isan’ny mpianatra izay afaka mizara ny eritreriny sy ny zavatra tsapany.

Hamoaka printy