Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
31 mey–6 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62: “Eo an-tanako ny nofo rehetra”


“31 mey–6 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62: -Eo an-tanako ny nofo rehetra,-” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“31 mey–6 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
Reniranon’i Missouri

Afon-dasy teo Missouri, nataon’i Bryan Mark Taylor

31 mey–6 jona

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62

“Eo an-tanako ny nofo rehetra”

Hoy ny Loholona Ronald A. Rasband: “Tsy maintsy mampatanjaka ny tenantsika ara-panahy aloha isika tsirairay dia izay vao mampatanjaka ireo manodidina antsika. Halalino tsy tapaka ny soratra masina, ary tsarovy ireo zavatra tao an-tsainareo sy tsapanareo rehefa namaky izany ianareo” (“Fandrao hadinonao,” Liahona, nôv. 2016, 114).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Afaka manao izay hisian’ny fifanakalozan-kevitra manan-danja ianao amin’ny fanasana ireo mpianatra hamaly fanontaniana na hevitra iray manokana izay mifandray amin’ireo soratra masina izay novakin’izy ireo tany an-trano. Ohatra, Azonao asaina izy ireo hizara zavatra izay nianarany tamin’ity herinandro ity momba ny Ray any An-danitra na i Jesoa Kristy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:2–3, 7, 13–14; 62:3, 9

Faly ny Tompo rehefa manokatra ny vavantsika isika mba hizara ny filazantsara.

  • Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia fantatsika fa ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia harena sarobidy izay mitahy ny fiainan’ireo zanak’ Andriamanitra. Koa nahoana ary isika no miahotra indraindray ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika amin’ny hafa? Asao ireo mpianatra hitanisa eny amin’ny solaitrabe ny antony sasany mety tsy hanokafantsika ny vavantsika mba hizara ny filazantsara. Avy eo ireo mpianatra dia afaka mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:2–3, 7, 13–14; 62:39, mba hitadiavana teny na andian-teny izay mitaona azy ireo hizara ny filazantsara. Azon’izy ireo soratana eny amin’ny solaitrabe ny zavatra hitany. Mety hoe afaka mizara zavatra niainana izay nandreseny ny tahony ka nizarany ny filazantsara tamin’olona ny mpianatra.

  • Ao anatin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62 dia misy fampianarana, izay sady voalaza mivantana no lazaina an-kolaka, mikasika ny fizarana ny filazantsara. Mba hanampiana ny mpianatra hahita ireo fampianarana ireo dia azonao angatahina ny olona tsirairay mba hijery ny iray amin’ireo fizarana ireo ary hizara izay zavatra hitany fa mampianatra azy ireo momba ny fizarana ny filazantsara. Mety hanatsara ny fifanakalozan-kevitra izay atao ny mamaky ny momba ireo misiônera fakan-tahaka any amin’ny soratra masina hafa (jereo ohatra, Asan’ny Apostoly 8:27–40; Almà 19:16–17) sy ny mifanakalo hevitra momba ny zavatra ianarantsika avy amin’izy ireo. Inona no ohatra azontsika zaraina avy amin’ny fiainantsika manokana? Misy mpianatra afaka mizara ny fomba nampahafantarana azy ny filazantsara sy ny zavatra tsapany momba ny olona nampianatra azy ireo ve? Mety hitondra tombontsoa ho an’ny kilasinao ny fanaovana tantara an-tsehatra ireo fomba azontsika atao hanokafana ny vavantsika sy hizarana ny filazantsara.

    Sary
    misiônera ao anaty fiara mpitatitra

    Tian’ Andriamanitra hizara ny filazantsara amin’ny hafa isika.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:2–4; 61:1–2, 20, 36–38; 62:1, 6

Mampianatra antsika momba an’i Jesoa Kristy ny soratra masina.

  • Asao ireo mpianatra hanoratra eny amin’ny solaitrabe izay zavatra nianarany momba ny Mpamonjy tamin’ity herinandro ity avy tamin’ny fandalinany ny fizarana 60–62, miaraka amin’ireo andininy mifandray aminy. Na afaka mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:2–4; 61:1–2, 20, 36–38; 62:1, 6 izy ireo hitadiavana zavatra nampianarina momba ny Mpamonjy. Tantara inona avy ao amin’ny soratra masina na avy amin’ny fiainantsika manokana no maneho ireo anjara asa sy toetran’ny Mpamonjy izay nianarantsika? (ohatra, Jaona 8:1–11; Etera 2:14–15). Azonao asaina ireo mpianatra hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy na hisaintsaina mangina ny lanjan’i Kristy ho azy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:5; 61:22; 62:5–8

Tian’ny Tompo handray fanapahan-kevitra isika “araka izay [hitantsika] fa mety.”

  • Asao ireo mpianatra mba hamaky tsiroaroa na ao anatina vondrona kely ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:5; 61:22; 62:5–8 ary hizara izay tsapany fa mety ho hafatry ny Tompo ho antsika. Oviana izy ireo no nahatsapa fa tokony hampiasa ny fahaizan’ny tenany manokana mandanjalanja rehefa mandray fanapahan-kevitra? Eritrereto ny hizara ny zavatra nolazain’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo. Ahoana no hanampian’ny ray aman-dreny ny zanany hianatra io fitsipika manan-danja io?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Manao zavatra araka ny fahaizantsika mandanjalanja tsara.

Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe:

“Ny faniriana mba hotarihin’ny Tompo dia tanjaka, saingy mila ampiarahana amin’ny fahatakarana izany fa ny Raintsika any An-danitra dia mamela fanapahan-kevitra maro mba horaisintsika amin’ny alalan’ny safidintsika manokana. Ny fandraisana fanapahan-kevitra ataon’ny tena manokana dia anisan’ireo loharanom-pitomboana izay natao mba hiainantsika amin’ny fiainana an-tany. Ireo olona izay manandrana manilika ny fandraisana fanapahan-kevitra rehetra any amin’ny Tompo sy mangataka fanambarana amin’ny safidy rehetra izay ataony dia ho tafalatsaka tsy ho ela ao anatin’ireo toe-javatra izay hanaovany vavaka mba hangataka fitarihana saingy tsy ho azony izany. Ohatra, izany no mety mitranga amin’ireo toe-javatra maro izay misy safidy tsy dia manan-danja na azo ekena daholo izay safidy atao.

“Tokony hanadihady ireo zavatra ao an-tsaintsika isika amin’ny alalan’ny fampiasana ny hery hoenti-mandanjalanja napetraky ny Mpahary antsika ao anatintsika. Avy eo isika dia tokony hivavaka mba hahazoana fitarihana ary hanaraka izany raha mahazo izany. Raha tsy mahazo fitarihana isika dia tokony hanao asa araka ny fomba izay heverintsika fa tsara indrindra” (“Our Strengths Can Become Our Downfall,” Ensign, Oct. 1994, 13–14).

Manatsara ny fampianarantsika

Fantaro ireo izay manana fahasahiranana. Mety ho sarotra fantarina ny zavatra manahirana an’ireo olona ampianarinao. Saingy rehefa ampian’ny Fanahy sy ireo mpitarika anao ianao dia azonao fantarina ny fomba tsara indrindra hanampiana ireo olona ireo. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 8–9.)

Hamoaka printy