Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
7–13 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63: “Izay avy any ambony dia masina”


“7–13 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63: -Izay avy any ambony dia masina,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“7–13 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
Sahan’i Missouri

Springhill, Faribohitr’i Daviess County, Missouri, nataon’i Garth Robinson Oborn

7–13 jona

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63

“Izay avy any ambony dia masina”

Raketo an-tsoratra izay fahatsapana azonao rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63 ianao. Mety ho hita ho kely ny fahatsapana iray, saingy tahaka ny voa dia afaka mitombo ka lasa zavatra manan-danja sy misy vokany izany rehefa manohy mikatsaka sy mandalina ianao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hampifantohana ny fifanakalozan-kevitra ataonareo amin’ireo andinin-tsoratra masina izay hitan’ireo mpianatra fa tena manan-danja dia azonao asaina izy ireo mba hanoratra eo amin’ny tapa-taratasy ireo andininy avy ao amin’ny fizarana 63 izay tian’izy ireo hifanakalozana hevitra. Avy eo dia azonao angonina ireo taratasy dia manomboka mifanakalo hevitra momba ireo andininy izay nomen’ny mpianatra maro. Asao izy ireo hizara ny antony nisafidianany ireo andininy ireo.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:7–12

Tonga amin’ny alalan’ny finoana sy ny sitrapon’ Andriamanitra ny famantarana.

  • Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ireo fitsipika ampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:7–12, dia mety hanampy ny mijery ohatra vitsivitsy amin’ireo olona ao amin’ny soratra masina izay nahita famantarana na fahagagana. Mety hoe azon’ny mpianatra atao ny mieritreritra ohatra ana olona izay nampatanjahan’ny fahitana famantarana ny finoany (jereo ohatra ny Lioka 1:5–20, 59–64) na olona nisalasala na dia efa nahita famantarana aza (jereo ohatra ny 1 Nefia 3:27–31; Almà 30:43–56). Avy eo dia azon’ireo mpianatra ampiasaina izay nianarany tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:7–12 mba hanazavana ireo fihetsika samihafa manoloana ny fahitana ireo famantarana. Na afaka mijery andinin-tsoratra masina hafa momba ny famantarana ianao, tahaka ireo izay voatanisa ao amin’ny hoe “Famantarana” ao amin’ny torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Ahoana no ahazoantsika antoka fa tsy mikatsaka na miantehitra amin’ny famantarana isika mba ho fototra iorenan’ny finoantsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:13–16

Ny hoe fahadiovam-pitondrantena dia ny mitazona ny saintsika sy ny asantsika ho madio.

  • Na dia miresaka manokana momba ny fanitsakitsaham-bady aza ny ankamaroan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:13–16 dia mitombina tsara ho an’izay mety ho fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena rehetra ireo fitsipika ampianarina ao. Asao ireo mpianatra mba hamantatra ireo voka-dratsy voalazalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:13–16. Afaka manao famantarana mampitandrina (andininy 15) na manaitra ihany koa izy ireo izay mampitandrina ny amin’ireo voka-dratsy ireo. Afaka mifanakalo hevitra ny amin’izay heveriny ho dikan’ireo voka-dratsy ireo ihany koa izy ireo. Ohatra hoe, nahoana ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena no mitarika ho amin’ny fitsarana tonga eo amin’ny olona iray izay miseho ho “toy ny fandrika” (andininy 15)? Nahoana ny Tompo no manoro hevitra antsika mba “hibebaka faingana tokoa” (andininy 15) amin’ny fahotana eo amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo? (jereo ny teny nambaran-dRahavavy Linda S. Reeves ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny”).

  • Ny famakiana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:16 dia afaka mitondra any amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny fitaomana mahery vaikan’ny pôrnôgrafia eo amin’ny fiarahamonina misy antsika. Inona no ifandraisan’ireo fampitandremana ao amin’ny andininy 16 amin’ity olana ity? (Na dia miresaka manokana an’ireo lehilahy mitsiriritra vehivavy aza io fanambarana io dia mihatra amin’olon-drehetra ireo fampitandremana ireo.) Inona no azontsika atao mba hiarovan-tena na hiarovana ireo olona tiantsika amin’ny pôrnôgrafia? Mety te hifanome torohevitra ireo mpianatra.

    Sary
    lehilahy sy vehivavy eo amin’ny tempoly

    Mahazo fitahiana isika rehefa mitandrina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:58–64

Tokony ho raisina amim-panajana ireo zavatra masina.

  • Azonareo atao ny mifanakalo hevitra momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:58–64 ho fampitandremana amin’ny fanononam-poana ny anaran’ny Tompo, ary ny sasany amin’ireo soratra masina ao amin’ny teny iditra hoe “Faniratsirana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (topics.ChurchofJesusChrist.org) dia afaka manatsara ny fifanakalozan-kevitra toy izany. Azonao ampiana ihany koa ireo mpianatra mba hampihatra ireo andininy ireo amin’ny ankapoben-javatra. Ohatra, azonareo ifanakalozana hevitra ny zavatra fanampiny entin’ilay andian-teny hoe “tsy manana fahefana” (andininy 62) mba hampitombo ny fahatakarantsika io andinin-tsoratra masina io. Afaka mitanisa zavatra masina hafa izay “avy any ambony” na avy amin’ Andriamanitra ihany koa ireo mpianatra. Inona no dikan’ny hoe miresaka ireo zavatra ireo “amim-piheverana”? (andininy 64).

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny fahadiovam-pitondrantena no mahatonga antsika ho mendrika ny hanana ny Fanahy Masina ho namana.

Nampianatra ny Rahavavy Linda S. Reeves, avy ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany hoe:

“Tsy mahalala zavatra hafa izay hanome fahafahana antsika hanana ny Fanahy Masina ho namana lalandava mihoatra noho ny hatsaran-toetra aho!. …

“Rehefa mandray anjara amin’ny fijerena na famakiana na amin’ny fiainana zavatra izay ambany kokoa noho ireo fenitra napetraky ny Raintsika any An-danitra isika dia mamparefo antsika izany ry rahavavy malala. Na firy taona isika na firy taona, raha toa ny zavatra jerentsika, na vakintsika, na henointsika na safidintsika hatao tsy mifanaraka amin’ireo fenitry ny Tompo ao amin’ny Jeunes, Soyez Forts, dia ajanony, ario na poteho izany dia akatony ny varavarana. …

“… Mino aho fa raha afaka mahatsiaro sy mahatsapa isan’andro ny halalin’ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjintsika antsika isika, dia ho vonona ny hanao izay hangatahany amintsika isika mba hiverenana eo anatrehan’izy ireo indray” (“Mendrika ireo fitahiana nampanantenaina antsika,” Liahona, nôv. 2015, 10–11).

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà hira masina. Ireo hafatra ao amin’ireo fihirana sy hira avy ao amin’ny Bokin-kiran’ny ankizy dia afaka manamafy ny fotopampianarana izay halalininao ao amin’ny soratra masina. Ohatra, ny fihirana hira momba ny fiderana ny anaran’ Andriamanitra, toy ny “Gloire au Dieu tout-puissant!” (Cantiques, no. 32), dia afaka manamafy ny hafatra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavananas 63:58–64.

Hamoaka printy