Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
14–20 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64–66: “Mitaky ny fo sy ny saina marisika ny Tompo”


“14–20 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64–66: -Mitaky ny fo sy ny saina marisika ny Tompo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“14–20 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64–66,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
saha iray amin’ny fiposahan’ny masoandro

Faribohitr’i Daviess County, Missouri

14–20 jona

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64–66

“Mitaky ny fo sy ny saina marisika ny Tompo”

Mandritra ny fandalinanao amin’ity herinandro ity dia diniho ombam-bavaka izay fitsipika avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64–66 izay hampitombo ny finoana sy ny fahalalan’ireo mpianatrao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hamporisihana ireo mpianatra hizara zavatra izay hitany fa manan-danja tao amin’ny fandalinany ny soratra masina tamin’ity herinandro ity dia azonao angatahina izy ireo mba hisaintsaina ireo fanamby atrehintsika amin’izao andro izao. Avy eo dia asao izy ireo hizara andininy avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64–66 izay tsapany fa afaka manampy amin’ny iray amin’ireo fanamby ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:1–11

Takina amintsika ny hamela ny olon-drehetra.

  • Angamba hitondra tombontsoa ho an’ny mpianatra ny mifanakalo hevitra momba ny antony mahatonga ny famelana ny hafa ho sarotra tokoa, sy ny fomba nandreseny ireo fahasarotana ireo. Afaka manao fikarohana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:1–11 izy ireo hitadiavana fitsipika sy fahamarinana izay mitaona azy ireo hahay hamela heloka bebe kokoa. Inona no zavatra ianarantsika momba ny Mpamonjy avy amin’ireo andininy ireo? Mba hanehoana ireo fitahiana azo amin’ny famelana ny hafa dia azonao zaraina ny tantaran’i Morrell Bowen ao amin’ny hafatry ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe “Ny fanompoana fampihavanana” (Liahona, nôv. 2018, 77–79) na ilay horonan-tsary hoe “Le pardon : Mon fardeau a été rendu léger” (ChurchofJesusChrist.org). Na mety misy mpianatra iray vonona hizara zavatra niainana manokana momba ny namelany olona na namelan’ny olona azy. Inona no fitahiana azon’ireo olona ao amin’ireo ohatra ireo tamin’ny alalan’ny herin’ny famelan-keloka?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:31–34

Mangataka antsika mba hanana “fo sy saina marisika” ny Tompo.

  • Tsy tian’ny Tompo ho “ketraka” isika, na izany aza dia voajanahary ho an’ny olona izay manao izay tsara indrindra azony atao, anisan’izany angamba ny sasany ao amin’ny kilasinao, ny lasa “ketraka amin’ny fanaovan-tsoa.” Nahoana no mitranga izany fahaketrahana izany? Inona no torohevitra hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:31–34 izay afaka manampy antsika rehefa manana izany fahatsapana izany isika?

  • Mba hanatevenana ny fifanakalozan-kevitra ataonareo dia azonao atao ny maneho sarina zavatra lehibe sy manaitra ny maso izay naorina nandritra ny fotoana lava tamin’ny alalan’ny “zavatra madinika”, toy ny sary vita amin’ny rari-vato madinika iray na tranobe vita amin’ny biriky. Inona avy ireo ohatra vitsivitsy ana “asa lehibe” izay nomen’ny Tompo antsika? Inona no zavatra madinika azontsika atao izao mba ho fototra iorenan’izany asa izany?

  • Mba hanampiana ireo mpianatra hisaintsaina lalina kokoa momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:34 dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny hoe Fo sy Saina marisika. Azon’ireo mpianatra tanisaina eo ambanin’ireo lohateny kely ireo izay tsapany fa dikan’ny hoe manome ny fo sy ny saina marisitsika ho an’ny Tompo. Ho fanazavana ireo teny ireo dia jereo ny tenin’ny Loholona Donald L. Hallstrom ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Afaka manome hevi-baovao ihany koa ny soratra masina tahaka ireto manaraka ireto: Môzià 7:33; Etera 4:15; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:34; Mosesy 7:18; Joseph Smith—Tantara 1:19.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65

Manomana izao tontolo izao amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany.

  • Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65 dia manome famaritana manentana ny fanahy momba ny iraka ampanaovina ny Fiangonan’ny Tompo amin’izao andro farany izao. Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny anjara andraikiny ao amin’io iraka io dia azonao asaina izy ireo handalina ny fizarana 65 mba hitadiavana ny valin’ny fanontaniana tahaka ireto: Inona no tian’ny Tompo hotontosain’ny fanjakany eto an-tany? Inona no tiany hataoko mba hitondrana fanampiana? Jereo ny hafatry ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Afaka mizara ny fomba hamaliany ireo fanontanian’ny Filoha Oaks ireo mpianatra.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

“Ny fo sy ny saina marisika.”

Ny Loholona Donald L. Hallstrom dia nanolotra izao heviny azo handikana ny andian-teny hoe “fo sy ny saina marisika” izao:

“Ny fo dia fanoharana ny fitiavana sy ny fanolorantena. Mahafoy tena isika ary mizaka enta-mavesatra ho an’ireo izay tiantsika, izay tsy ho nozakaintsika noho ny antony hafa mihitsy. Raha tsy misy ny fitiavana, dia mihena ny fanolorantena ataontsika. …

“Ny hoe manana -saina marisika- dia midika hoe fanomezana ny ezaka tsara indrindra vitantsika sy ny eritreritsika tsara indrindra ary fikatsahana ny fahendren’ Andriamanitra. Midika izany fa ny fandalinana hanolorantsika tena indrindra mandritra ny fiainana dia ireo zavatra maharitra mandrakizay. Midika izany fa misy fifandraisana tsy azo ravana eo amin’ny fandrenesana ny tenin’ Andriamanitra sy ny fankatoavana izany” (“The Heart and a Willing Mind,” Ensign, June 2011, 31–32).

Fiomanana ho amin’ny Fiaviana Fanindroany

“Manao ahoana re raha toa ka rahampitso no andro hahatongavan[’i Jesoa Kristy]? Raha fantatsika fa hihaona amin’ny Tompo isika rahampitso, amin’ny alalan’ny fahafatesantsika aloha loatra na amin’ny alalan’ny fahatongavany tsy nampoizina, inona no hataontsika anio? Inona ireo fibabohana hataontsika? Inona ireo fomba fanao hajanontsika? Inona ireo fifandirana na olana hovahantsika? Inona avy ireo famelan-keloka hataontsika? Fijoroana ho vavolombelona inona no hozaraintsika?” (Dallin H. Oaks, “Preparation for the Second Coming,” Ensign or Liahona, May 2004, 9).

Manatsara ny fampianarantsika

Misintòna hery avy amin’ny Mpamonjy. “Na dia miezaka aza ianao mba hiaina tsara kokoa toy ny niainan’ny Mpamonjy sy hampianatra tsara kokoa mba ho tahaka ny Mpamonjy, dia tsy azo ihodivirana ny mety tsy hahombiazanao indraindray. Aza kivy fa avelao aza ny fahadisoanao sy ny fahalemenao hampitodika anao any amin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 14).

Hamoaka printy