Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
21–27 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67–70: “Sarobidy mihoatra noho ny haren’ny Tany manontolo”


“21–27 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67–70: -Sarobidy mihoatra noho ny haren’ny Tany manontolo,-” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“21–27 jona. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67–70,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady

Sary
revelation manuscript book in display case

21–27 jona

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67–70

“Sarobidy mihoatra noho ny haren’ny Tany manontolo”

Ny hoe miomana hampianatra dia mihoatra noho ny hoe mieritreritra izay zavatra holazainao sy hataonao amin’ny maha-mpampianatra fotsiny. Tokony ho tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fiheverana ny zavatra azon’ireo mpianatra atao mba hifampianarany. Ahoana no hanasanao ireo mpianatra hizara zavatra niainana na hevi-baovao izay azony rehefa namaky ireo soratra masina ireo?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny hoe Tamin’ity herinandro ity ny Tompo dia nampianatra ahy … dia asao ireo mpianatra hanohy ilay fehezan-teny amin’ny zavatra izay nianarany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:1–9

Ireo fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith dia marina ary avy amin’ Andriamanitra.

  • Ny fahatakarana ny fampahalalana ara-tantara ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67 dia afaka manampy amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ity fizarana ity. Angamba azon’ny mpianatra iray atao ny mamintina ny toe-java-nitranga izay nitarika tamin’io fanambarana io (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67, sasin-tenin’ny fizarana; Saints, 1:140–43). Raha teo isika tamin’ilay fivoriana namoahana ireo fanambarana izay noresahana, dia inona no antony mety hanekentsika ilay hevitra? Inona no azontsika lazaina amin’ireo olona izay sahiran-tsaina amin’ny tsy fahatomombanan’ny fitenin’i Joseph Smith? Inona no ampianarin’ny fizarana 67 antsika mikasika ny mpaminany sy ny fanambarana? Azon’ireo mpianatra atao ihany koa ny mizara ny fomba nahafantarany tamin’ny ezaka nataony manokana fa marina ireo fanambarana ireo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:1–6

Ireo teny nentanim-panahy ambaran’ireo mpanompon’ny Tompo dia tenin’ny Tompo.

  • Mba hanampiana ireo mpianatra hifanakalo hevitra momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:1–6, dia azonao asaina izy ireo hamaky ireo andininy ireo ao anatina vondrona kely maromaro ary hifampizara ireo fahamarinana hafa izay ianarany momba ny fampianaran’ireo mpanompon’ny Tompo. Asao ireo vondrona mba hifampizara ny fomba nahafantarany hoe marina ireo fitsipika ampianarina ao amin’ny andininy 4. Afaka mizara ny zavatra niainany ireo mpianatra tamin’ny fotoana nitenenany na nampianarany “araka izay anentanan’ny Fanahy Masina” azy (andininy 3) ary ny fomba niarahan’ny Tompo taminy sy ny naha-teo anilan’izy ireo Azy (jereo ny andininy 6).

  • Raha tianao hifanakalozana hevitra ny fomba hifandraisan’ireo andininy ireo amin’ireo fampianaran’ny mpanompon’ny Tompo ao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia afaka manampy ny tenin’ny Loholona Jeffre R. Holland ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Afaka mizara ireo hafatra farany indrindra tamin’ny fihaonambe izay nanamafy orina ny finoany ny fotopampianarana hita ao amin’ireo andininy ireo ihany koa ireo mpianatra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–31

Manana andraikitra hampianatra ny zanany ny ray aman-dreny.

  • Misy ray aman-dreny ve ao amin’ny kilasinao, na ho ray aman-dreny atsy ho atsy? Angamba hahita tombontsoa izy ireo amin’ny firesahana momba ny torohevitry ny Tompo ho an’ny ray aman-dreny ao amin’ny fizarana 68. Ohatra, angamba afaka maka fitsipika iray avy ao amin’ny andininy 25–28 ireo ray aman-dreny ao amin’ny kilasinao ary hiresaka momba ny fomba hiezahany mampianatra ireo zavatra ireo amin’ny zanany (ny andininy 29–31 ihany koa dia msy fitsipika manan-danja). Na afaka miresaka momba ny fomba nampianaran’ny ray aman-dreniny azy ireo ny fitsipiky ny filazantsara ireo mpianatrao.

    Nahoana no ny tokantrano no toerana tsara indrindra ho an’ny ankizy mba hianarana ny filazantsara? Inona no holazaintsika ny ray aman-dreny izay mahatsapa ho tsy mahay mampianatra ny zanany na tototry ny andraikitra ka tsy afaka ny hanao izany?

    Sary
    fianakaviana manao fandalinana

    Nomen’ Andriamanitra andraikitra mba hampianatra ny zanany ireo ray aman-dreny.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 70:1–4

Tompon’andraikitra amin’ireo fanambarana nomen’ny Tompo antsika isika.

  • Ny Tompo dia nanome andraikitra ny rahalahy sasany mba ho mpitantan-draharaha hiandraikitra ireo fanambarana mba hitondra izany ho any Missouri sy hanara-maso ny famoahana izany. Amin’ny lafiny inona no ahitantsika ny tenantsika ho mpitantan-draharaha misahana ireo fanambarana? Inona avy ireo fampianarana hafa avy amin’ity fizarana ity momba ny maha-mpitantan-draharaha izay afaka mihatra amintsika?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Miresaka amintsika Andriamanitra amin’izao.

Ny Loholona Jeffrey R. Holland dia nizara ny fomba iharan’ny fitsipika ampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:4 amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany: “Mangataka anareo aho ao anatin’ireo andro ho avy mba tsy handinika fotsiny ireo hafatra henonareo fa koa handinika ny maha-zava-mahatalanjona manokana ny fihaonamben’ny Fiangonana—eritrerireto hoe inona no dikan’ny fihaonambe toy izao ho antsika Olomasin’ny Andro Farany ary inona ao amin’izany no hanasantsika an’izao tontolo izao mba hohenoiny sy hodinihiny. Mijoro ho vavolombelona amin’ireo firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra isika fa tsy velona fotsiny Andriamanitra fa miresaka koa Izy ary amin’izao vanimpotoanantsika sy androntsika izao ny torohevitra henonareo dia eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina, –sitrapon’ny Tompo, … tenin’ny Tompo, … feon’ny Tompo, dia ny herin’Andriamanitra ho famonjena– [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:4]” (“Faneva ho an’ireo firenena,” Liahona, mey 2011, 111).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny mpianatra hifanohana. “Ny olona tsirairay ao amin’ny kilasinao dia loharano manan-karena fijoroana ho vavolombelona, hevi-baovao ary traikefa eo amin’ny fiainana ny filazantsara. Asao izy ireo hifampizara sy hifampahery” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 5).

Hamoaka printy