Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
28 jona–4 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71–75: “Tsy misy fiadiana izay voaforona hamelezana anareo ka hiroborobo”


“28 jona–4 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71–75: -Tsy misy fiadiana izay voaforona hamelezana anareo ka hiroborobo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“28 jona–4 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71–75,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
I Jesoa miaraka amin’ny ondry

Au Berger elles sont chères, nataon’i Simon Dewey

28 jona–4 jolay

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71–75

“Tsy misy fiadiana izay voaforona hamelezana anareo ka hiroborobo”

Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71–75 ianao dia eritrereto ireo olona ampianarinao. Inona no fantatrao momba azy ireo? Inona no ilain’izy ireo?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ireo mpianatra hizara ny sasany amin’ireo fahamarinana hitany nandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71–75. Inona no traikefa nananan’izy ireo tamin’ireo fahamarinana ireo?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71

Afaka manaraka ny fitarihan’ny Fanahy Masina isika rehefa miaro ny tombontsoantsika.

  • Efa mba nahatsapa fahatahorana ve isika na nitebiteby rehefa niaro ny tombontsoantsika? Azonao atao angamba ny manasa ireo mpianatra hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo teny na andian-teny hitany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71 izay manoritsoritra ny fomba nangatahan’ny Tompo an’i Joseph sy i Sidney hamaly ny tsikera nataon’i Ezra Booth sy ny hafa. Avy eo ireo mpianatra dia afaka mifanakalo hevitra ao anaty vondrona kely maromaro ny mety ho dikan’ireo toromarika ireo ho antsika ankehitriny. Nahoana no manan-danja ny hanaovantsika zavatra “araka ny ampahany amin’ny Fanahy” izay nomen’ny Tompo antsika? (andininy 1).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72:8–16

Ny eveka no mitantana ny zavatra ara-panahy sy ara-nofo ao amin’ny fanjakan’ ny Tompo.

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampiana ireo izay ampianarinao hankasitraka ny eveka izay nantsoina hanompo azy ireo amin’ny alalan’ny toromarika nomen’ny Tompo an’i Newel K Whitney, fony izy nantsoina ho eveka tao Kirtland? Azonao atao ny mangataka ireo mpianatra mba handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72:8–16 hitadiavana ny sasany amin’ireo andraikitra nosahanin’ny eveka Whitney ary hampitaha izany amin’ireo andraikitra sahan’ireo eveka amin’izao fotoana izao (jereo ny fanoritsoritan’ny Filoha Gordon B. Hinckley ireo andraikitra sahanin’ny eveka ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Azon’ireo mpianatra atao angamba ny mizara ny fomba nitahiana azy ireo noho ny asa fanompoana nataon’ny eveka iray. Inona no azontsika atao mba hanohanana tanteraka ny evekantsika?

    Sary
    barika sy lasàka misy sakafo

    Ny eveka dia manampy ny mpikambana hamaha ny olana eo amin’ny zavatra ilain’izy ireo ara-nofo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 73

Afaka mikatsaka fahafahana hizara ny filazantsara isika.

  • Niteny an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ny Tompo mba hitory ny filazantsara “araka izay azo atao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 73:4) sady nandika ny Baiboly ihany koa. Angamba afaka mizara fomba vitsivitsy izay hitany fa “azo atao”, na azo tanterahina, ireo mpianatra mba hizarana ny filazantsara eo anivon’ireo andraikitra hafa sahanin’izy ireo. Mety hahita torohevitra manampy izy ireo ao amin’ilay hafatra nozarain’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf hoe“Asa fitoriana: Mizara ny zavatra tena inoana sy tsapanao” (Liahona, mey 2019, 15–18).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:2–16

Tian’ Andriamanitra isika “hiasa amin’ny [herintsika].”

  • Mety hanentana an’ireo mpianatra mba hizara ny filazantsara amim-pahavitrihana kokoa ny toromarika nomen’ny Tompo ho an’ny loholona maro momba ny fomba fizarana ny filazantsara. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny hoe Miasa amin’ny herinareo dia angataho ireo mpianatra mba hitanisa ireo teny na andian-teny izay tonga ao an-tsaina rehefa mieritreritra olona izay miasa amin’ny heriny amin’ny fizarana ny filazantsara. Afaka mifanakalo hevitra ny amin’ny dikan’ny hoe “mitaredretra” na “midonana-poana” amin’ny fizarana ny filazantsara ihany koa izy ireo. Inona no ampianarin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:2–16 antsika momba ny fomba nanohanan’ny Mpamonjy ireo izay nanompo Azy tamim-pahatokiana?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ireo andraikitra sahanin’ny eveka

Nampianatra ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe:

“Fankasitrahana lalina ho an’ireo evekantsika no entiko ato am-poko. Tena feno fankasitrahana lehibe aho noho ny fanambarana nataon’ilay Tsitoha izay namoronana io anjara fanompoana io sy ny hiasan’izany.

“… Antenainay ianareo mba hijoro ho mpisorona avo miahy ny paroasy, ho mpanoro hevitra ny vahoaka, ho mpiaro sy mpanampy ireo izay manana fahasahiranana, ho mpampionona an’izay malahelo, ho mpamatsy an’ireo izay sahirana. Antenainay ianareo mba hijoro ho mpiambina sy mpiaro ny fotopampianarana izay ampianarina ao amin’ny paroasinareo, sy ny kalitaon’ny fampianarana, ny famenoana ireo anjara fanompoana maro izay ilaina. …

“… Ianareo dia tokony hijery an’ireo izay noana na tsy manan-kohanina na tsy manan-kialofana. Tsy maintsy fantarinareo ny toe-piainan’ireo rehetra izay eo ambany fiahianareo.

“Tsy maintsy mijoro ho mpampionona sy mpanoro lalana ny olonareo ianareo. Tokony hisokatra foana ny varavaranareo handray izay mety ho fitarainana amin’ny filana vonjy. Tsy maintsy matanjaka ny lamosinareo hizara ny enta-mavesany. Tsy maintsy manatona amim-pitiavana ianareo na dia amin’ireo mpanao ratsy aza” (“The Shepherds of the Flock,” Ensign, May 1999, 52–53).

Manatsara ny fampianarantsika

Lasa mpampianatra tahaka an’i Kristy kokoa. Ampiasao ireo fanontaniana fanaovana tomban’ezaka mahakasika ny tena manokana ao amin’ny pejy 37 ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy mba hanampy anao hianatra ny fomba ahafahanao mampianatra tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa.

Hamoaka printy