Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
19–25 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81–83: “Amin’izay omena be no takiana be”


“19–25 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81–83: -Amin’izay omena be no takiana be,-” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“19–25 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81–83,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
I Kristy sy ilay zatovo mpanankarena

I Kristy sy ilay zatovo Mpanankarena, nataon’i Heinrich Hofmann

19–25 jolay

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81–83

“Amin’izay omena be no takiana be”

Tsarovy fa miaina zavatra ara-panahy ireo mpianatrao rehefa mandalina ny soratra masina any an-trano. Diniho ombam-bavaka ny fomba azonao hamporisihana azy ireo hizara ny zavatra niainany mba hankaherezana ny tsirairay.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ireo mpianatra mba haka andian-teny iray avy amin’ny tsirairay avy amin’ireto fizarana manaraka ireto izay tsara atao lohatenin’ny fizarana ho an’ny: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81, 82, ary 83. Nahoana izy ireo no nisafidy ireo lohateny ireo?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5; 82:18–19

Tokony samy “hikatsaka ny tombontsoan’ny naman[tsika]” isika.

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia mandroso fanontaniana hosaintsainina momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5. Mety ho fanontaniana tsara hanaovana fifanakozan-kevitra ho an’ny kilasinao ihany koa izy ireo. Eritrereto ihany koa ny hizara zavatra niainana manokana izay nahatsapanao ho “osa” ka nampahery na nampatanjaka anao ny fanompoana nataon’ny olona iray. Mety niaina manokana zavatra mitovy amin’izany izay azony zaraina koa ireo mpianatra. Azonao zaraina ihany koa ny teny nambaran’ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

  • Asao ireo mpianatra handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:18–19 hitadiavana ireo fitsipika izay manampy azy ireo hahatakatra ireo tanjon’ny fanompoana ny hafa sy ny fitahiana avy amin’izany. Avy eo dia avelao izy ireo hizara ny zavatra ianarany. Azonao aseho ihany koa ilay horonan-tsary hoe “Enseignements de Thomas S. Monson : Secourir les personnes dans le besoin” (ChurchofJesusChrist.org). Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ireo mpikambana tao amin’ny paroasin’i Eveka Monson ny zavatra ampianarin’ny andininy 18–19?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:8–10

“Izaho Tompo dia voafatotra rehefa ataonareo izay lazaiko.”

  • Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fifandraisana misy eo amin’ny fahavononantsika hankatò sy ireo fitahiana nampanantenain’ Andriamanitra dia azonareo vakina miaraka na ao anatina vondrona kely maromaro ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38; 82:10; 130:20–21. Inona no ampianarin’ireo soratra masina ireo antsika momba ny Tompo? Mety ho afaka mitanisa ireo teny izay manoritsoritra ny toetrany ireo mpianatra miainga avy amin’ireo andininy ireo.

  • Rehefa avy mamaky ny andininy 10 ireo mpianatra dia afaka miresaka momba ny zavatra nampanantenain’ny Tompo antsika sy ny fomba nitazonan’ny Tompo ny fampanantenana nomeny. Ny tantara notantarain-dRahavavy Virgina H hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia afaka manampy ny mpianatra hahita fa ny Tompo dia mitahy antsika araka ny fahendreny manokana, fa tsy amin’ny fomba izay tiantsika sy andrasantsika foana.

  • Inona no ianarantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:8–10 mikasika ny antony anomezan’ny Ray any An-danitra didy ho antsika? Mety hahita hevi-baovao ao amin’ireo andininy ireo ny mpianatra mba hampiasaina amin’ny fanampiana namana iray na ankizy iray izay mihevitra fa ny didy dia mamehy loatra. Na azon’izy ireo atao ny mizara traikefa izay nampianatra azy ireo hahita ny didy ho toy ny fitahiana.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Fivavahana madio.

Nampianatra ny Filoha M. Russell Ballard hoe:

“Amin’ny maha-mpianatra antsika dia manana fitakiana sy olana ary andraikitra maro isika. Na izany aza dia misy zavatra atao vitsivitsy tokony ho ao am-pon’ny mpikamban’ny Fiangonana mandrakariva. -Koa aoka-, hoy ny Tompo, -ho mahatoky; sahano ny anjara fanompoana izay efa nanendreko anao; vonjeo ny osa, akaro ny tanana izay miraviravy ary hatanjaho ny lohalika malemy- [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5; nampiana fanamafisana].

“Izany no asan’ny Fiangonana! Izany no fivavahana madio! Izany no filazantsara amin’ny tena heviny, rehefa mamonjy sy mampiakatra ary mampatanjaka ireo izay sahirana ara-panahy sy ara-nofo isika! Ny fanaovana izany dia mitaky antsika mba hamangy azy ireo sy hanampy azy ireo [jereo ny Jakoba 1:27], mba ho lalim-paka ao am-pon’izy ireo ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny Sorompanavotany” (“Fanomezana sarobidy avy amin’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2018, 11).

Mitahy antsika amin’ny fombany mahatalanjona ny Tompo.

Ny Rahavavy Virgina H. Pearce, mpikambana tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany teo aloha, dia niresaka momba ny vehivavy iray izay nanahy ny amin’ireo zanany izay nania. Nametraka tanjona omban’ny fahavononana ny hampitombo ny fandehanana any amin’ny tempoly izy ary nahazo antoka fa ny Tompo dia hanaja io fahafoizan-tena lehibe io amin’ny fanovana ny fon’ireo zanany. Hoy ilay vehivavy:

“Taorian’ny folo taona nampitomboana ny fandehanana tany amin’ny tempoly sy nanaovana vavaka tsy tapaka dia malahelo aho milaza fa tsy niova ny safidin’ireo zanako. …

“Fa izaho kosa niova. Lasa vehivavy hafa aho. … Nafoiko any ny fe-potoana niandrasako ary afaka miandry ny Tompo aho. … Niova ny zavatra andrasako. Raha tokony ho niandry ny hiovan’ireo zanako aho dia ireo famindrampony izay tonga matetika ireo no nandrasako ary feno fankasitrahana aho noho izany. … Miasa amin’ny fomba mahatalanjona ny Tompo, ary tena heniky ny fiadanana mihoatra ny fahatakarana rehetra aho” (ao amin’ny “Prayer: A Small and Simple Thing,” At the Pulpit [2017], 288–89).

Manatsara ny fampianarantsika

Asao ny zatovo handray anjara amin’ny lesona ampianarinao. Omeo fahafahana ireo zatovo hifampianatra. Afaka mitondra fiantraikany be ny fahenoana ny fijoroana ho vavolombelona sy ny zavatra niainan’ny tsirairay. Raha ilaina dia ampio ireo tanora hiomana hampianatra, ary asehoy azy ny dikan’ny hoe mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 27–28).

Hamoaka printy