Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
5–11 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76: “Ho lehibe ny valisoany ary ho mandrakizay ny voninahiny.”


“5–11 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76: -Ho lehibe ny valisoany ary ho mandrakizay ny voninahiny.-” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“5–11 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
vahindanitra eny amin’ny habakabaka

Toeram-pialofana, nataon’i Shaelynn Abel

5–11 jolay

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76

“Ho lehibe ny valisoany ary ho mandrakizay ny voninahiny”

Tahaka ny fahitana maro voarakitra ao amin’ny soratra masina, ilay fahitana ao amin’ny fizarana 76 dia tonga rehefa “nisaintsaina” ny soratra masina i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon (andininy 19). Ianao koa dia afaka mahazo fanambarana, tafiditra ao anatin’izany ny tari-dalana momba ny fomba hampianarana, rehefa misaintsaina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 ianao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hanampiana ireo mpianatra hiresaka momba ny zavatra vakiny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 dia azonao asaina izy ireo haka sary an-tsaina hoe misy namana avy amin’ny finoana hafa manontany ny zavatra inoantsika momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana. Andininy inona avy ao amin’ny fizarana 76 no hozarainy amin’ilay namany? Afaka mizara zavatra avy ao amin’ny “Feon’ny filazantsara: Tenivavolombelona momba -ilay fahitana-” izay manan-danja aminy koa ireo mpianatra.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76

Ny famonjena dia avy amin’i Jesoa Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra.

  • Maro ny olona rehefa mieritreritra ny fizarana 76 no mieritreritra ny drafitry ny famonjena sy ny fanjakam-boninahitra telo. Ahoana no ahafahanao manampy ireo mpianatra hahita fa ny ivon’io fanambarana io dia i Jesoa Kristy Mpamonjy? Azonao angatahana ireo mpianatra mba hizara andininy iray hita ao amin’ny fizarana 76 izay nanamafy orina ny finoany an’i Jesoa Kristy. Raha mila fanampiana izy ireo dia azonao hazavaina aminy ireo andininy toy ny 1–5, 20–24, 39–43, 69, 107–8.

  • Mba hanampiana ny mpianatra hikaroka ny fahasamihafana misy eo amin’ireo izay mandova ireo fanjakam-boninahitra telo dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Selestialy, andininy 50–70, 92–96; Terestrialy, andininy 71–79, 97; ary Telestialy, andininy 81–90, 98–106, 109–12. Afaka misafidy iray amin’ireo andinin-tsoratra masina telo ireo ny mpianatra ary hitady andian-teny izay manoritsoritra ny fifandraisan’i Jesoa Kristy sy ireo olona izay mandova ny fanjakam-boninahitra mifandray aminy. Inona no ampianarin’ireo andian-teny ireo antsika momba izany hoe mpanara-dia an’i Jesoa Kristy izany? Ahoana no hanamafisantsika ny fifandraisantsika Aminy sy ny Ray? Ahoana no hanampian’Izy ireo antsika? Inona no dikan’ny hoe “maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa”? (andininy 79).

    Sary
    efitrano ao anatina trano tamin’ny taonjato fahasivy ambin’ny folo

    Nahita tamin’ny fahitana ireo fanjakam-boninahitra tao anatina efitra mitovy amin’io i Joseph Smith.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:5–10, 113–18

Ny misterin’ Andriamanitra dia tsy afaka ny “hotakarina afa-tsy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.”

  • Mety hahaliana ho an’ireo mpianatrao ny mahafantatra fa tsy ny mpikambana rehetra ato amin’ny Fiangonana no nanaiky mora ny fanambarana ao amin’ny fizarana 76. Ohatra, i Brigham Young dia nilaza hoe: “Toy izany ny fomban-drazako, ka rehefa tonga voalohany tamiko ilay fahitana, tonga dia nifanohitra tamin’ny zavatra nianarako teo izany. Andraso kely hoe, hoy aho. Tsy nolaviko izany, saingy tsy azoko ilay izy.” Nanazava izy fa nila “nandinika sy nivavaka, namaky izany sy nieritreritra, mandra-pahafantarako sy nahatakarako tanteraka izany” (ao amin’ny “The Vision,” Revelations in Context, 150). Inona no ianarantsika avy amin’ny zavatra niainany izay afaka manampy antsika rehefa manambara zavatra tsy mitovy amin’ny zavatra takatsika amin’izao fotoana izao Andriamanitra? Inona no ampianarin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:5–10, 113–18 momba ny fomba ahazoantsika ny “tsiambaratelon’ny sitrapon[’ Andriamanitra]”? (verse 10).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–70, 92–95

Tian’ Andriamanitra hahazo ny voninahitra selestialy miaraka Aminy ny zanany rehetra.

  • Ho an’ny sasany dia mety hahakivy na handreraka ny mieritreritra ny zavatra rehetra izay takina amintsika mba ho mendrika ny fanjakana selestialy. Diniho ny fomba azonao anampiana ireo mpianatra hahita fanantenana “amin’ny alalan’i Jesoa, ilay mpanalala[na]” (andininy 69). Ohatra, azonao asaina izy ireo hamaky ny andininy 50–70 sy ny 92–95. Asao izy ireo hizara ny fomba mety hamaliany olona iray izay milaza hoe: “Tena sarotra ny miaina ny filazantsara ao amin’izao tontolo ankehitriny izao. Tsy azoko antoka hoe ilaina izany” na hoe “Tsy mendrika ny hahazo ny fanjakana selestialy aho.” Inona no azontsika lazaina mba hitaomana ny fanahin’izany olona izany na hampaherezana azy?

Manatsara ny fampianarantsika

Mifantoha amin’ny Mpamonjy sy ny fotopampianarany “Manontania tena tsy tapaka hoe: -Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny zavatra ampianariko an’ireo mpianatro mba hanorina finoana an’i Kristy, hibebaka, hanao sy hitandrina fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ary handray ny Fanahy masina?-” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 20).

Hamoaka printy