Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
12–18 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77–80: “Hitari-dalana anareo Aho”


“12–18 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77–80: -Hitari-dalana anareo Aho,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“12–18 jolay. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77–80,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
ondry manaraka an’i Jesoa

Mandeha mody, nataon’i Yongsung Kim

12–18 jolay

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77–80

“Hitari-dalana anareo Aho”

Tsarovy fa ireo atrikasa aroso ato amin’ity rindran-damina ity dia sosokevitra ihany. Eo am-pandalinanao ombam-bavaka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77–80, dia hitari-dalana anao ny Fanahy hahafantaranao ny fomba tsara indrindra hampianarana ny mpianatrao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ny sasany amin’ireo mpianatrao dia mety hizara ny heviny raha angatahinao mialoha izy ireo. Hevero ny hiresaka amin’ny sasany amin’izy ireo andro vitsy mialoha ny fotoam-pianarana mba hanontaniana raha toa izy ireo ka afaka miomana hizara zavatra izay nanan-danja taminy tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77–80.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77

Manambara ny misteriny amin’ireo izay mikatsaka ny hahafantatra izany Andriamanitra.

  • Afaka mizara ireo hevi-baovao hitany nandritra ny fandalinana ny fizarana 77 tamin’ity herinandro ity mahakasika ireo famantarana ao amin’ny Apôkalypsy ireo mpianatra. Ny firesahana momba ireo valinteny voarain’i Joseph Smith dia afaka mitarika fifanakalozan-kevitra momba ny fomba ahafahan’ireo mpianatra mikatsaka fahatakarana rehefa mandalina ny soratra masina izy ireo. Inona no ianarantsika avy amin’ireo karazana fanontaniana izay napetrak’i Joseph? Mety te hizara zavatra niainana ireo mpianatra izay nahatonga azy hahazo fahatakarana bebe kokoa noho ireo fanontaniany momba ny filazantsara.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:17–19

Hitari-dalana antsika ny Tompo.

  • Mba hanombohana ny fifanakalozan-kevitra momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:17–19 dia afaka maneho sarin’ny mpianatrao vitsivitsy tamin’ny mbola kely ianao (angataho mialoha izy ireo hitondra ireo sary ireo ao an-dakilasy). Avelao ireo mpianatra haminavina hoe iza no eo amin’ny sary. Ireo mpianatra izay nitondra ny sary dia afaka miresaka momba ny fiovany hatramin’ny fotoana nakana ireo sary ireo. Avy eo ny mpianatra dia afaka mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:17–19 ary misaintsaina fanontaniana tahaka ireto: Amin’ny fomba ahoana no mampitovy antsika amin’ny zaza madinika amin’ny Tompo? Amin’ny fomba ahoana no tiany hahatongavantsika tahaka ny zaza madinika (jereo ny Môzià 3:19), ary ahoana no tiany hivoarantsika? Inona no torohevitra omeny antsika ao amin’ireo andininy ireo mba hanampiana antsika hivoatra?

    Mba hampivelarana ny fahatakaran’ireo mpianatrao momba ny fomba mety hitarihan’ny Tompo lalana antsika (jereo ny andininy 18) dia zarao ny teny nambara ao amin’ny Loharanom-pitaovana fanampiny.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 79–80

Ny antso mba hanompo an’ Andriamanitra no manan-danja kokoa noho ny toerana hanompoantsika.

  • Mety misy olona ao amin’ny kilasinao izay mahatsapa ho diso fanantenana amin’ny voalohany tamin’ny antso izay noraisiny tao amin’ny paroasy na sampana, na tamin’ny toerana nanendrena azy hitoriana ny filazantsara. Mety misy te hizara ny zavatra niainany ny sasany amin’izy ireo. Ahoana no ahafahan’ny torohevitry ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 80:3 manampy antsika ao anatin’ireo toe-javatra ireo? Inona no mety ho tiana holazaina amin’ilay andian-teny hoe “tsy maninona izany”? Na ilay andian-teny hoe “tsy mety ho diso lalana ianareo”? Inona no mety ho tena manan-danja amin’ny Tompo rehefa ny antsontsika no resahana? Mety hanampy ihany koa ny hevitra naroson’ny Loholona David A. Bednar momba ny fizarana 80 ao amin’ilay lahateniny hoe “Voantso amin’ny asa” (Liahona, mey 2017, 68).

  • Ireo fanambarana ao amin’ny fizarana 79 sy 80 tamin’ny voalohany dia natao ho an’ireo olona voantso hitory ny filazantsara, kanefa ahitana fitsipika izay azo ampiharina amintsika rehetra izany amin’ny fanompoantsika ny Tompo. Mba hanampiana ny mpianatra hahita ireo fitsipika ireo dia azonao angatahina izy ireo mba hody hanao hoe manana namana izay vao hainganano niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ary vao nahazo ny antsony voalohany. Asao ireo mpianatra mba hanoratra taratasy ho an’ilay namany mba hanohanana sy hanomezana torohevitra azy ary amporisiho izy ireo hindrana andinin-tsoratra avy ao amin’ny fizarana 79 sy 80 rehefa manao izany. Avy eo dia afaka mizara ny zavatra nosoratany ny mpianatra vitsivitsy.

    Sary
    vehivavy miresaka

    Faly ny Tompo rehefa manompo Azy sy ny hafa isika.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Hitari-dalana antsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Tompo.

Ny Filoha Henry B. Eyring dia nizara zavatra niainana rehefa nivavaka mba hahazo fitarihana tamin’ny safidy manan-danja iray ary nianatra ny mba hotarihin’ny Tompo:

“Nivavaka aho, saingy toa mbola tsy nisy valiny ihany tao anatin’ny ora maro. Vao mangiran-dratsy dia nisy fahatsapana tonga tamiko. Tsy mbola nisy fotoana hatry ny fahazazako nahatsapako zavatra toy izany. Toa lasa nihanilamina tanteraka ny foko sy ny saiko. Nisy fiadanana tao anatin’izany filaminana anaty izany.

“Somary nahagaga ahy fa nivavaka toy izao aho hoe: –Ray any An-danitra ô, tsy maninona izay tadiaviko. Tsy raharahiako intsony izay tadiaviko. Ny hany tadiaviko dia ny hahatanteraka ny sitraponao. Izay ihany no tadiaviko. Lazao amiko izay tokony hataoko.–

“Tamin’izay fotoana izay dia nahatsapa filaminana tato anatiko aho tsy tahaka izay efa tsapako hatrizay. Dia tonga ny hafatra, ary azoko antoka hoe avy amin’iza izany. Nazava ny tokony hataoko. Tsy nahazo fampanantenana ny amin’ny vokatra ho azoko aho. Fa nisy fotsiny ny toky hoe zaza iray izay notoroina ny lalana mankany amin’izay tiany hahatongavako aho” (“As a Child,” Ensign na Liahona, May 2006, 16).

Manatsara ny fampianarantsika

Atombohy amin’ny soratra masina. Mialoha ny hijerena ireo loharanom-pitaovana fanampiny dia halalino sy saintsaino amim-pahazotoana ireo soratra masina. Izany dia hanasa ny Fanahy hanampy anao hisintona lesona avy amin’ny zavatra nohalalininao rehefa mampianatra ianao (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 12).

Hamoaka printy