Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
26 jolay–1 aogositra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84: “Ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra”


“26 jolay–1 aogositra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84: -Ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra,-” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“26 jolay–1 aogositra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
Joseph Smith mandray ny Fisoronana Melkizedeka

Famerenana amin’ny laoniny, nataon’i Liz Lemon Swindle

26 jolay–1 aogositra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84

“Ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra”

Inona no hataonao mba hanasana ireo mpianatra hizara ny zavatra nianarany rehefa nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84 izy ireo?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ireo mpianatra mba hizara amin’ireo mpianatra hafa ny fahamarinana iray hitany tao amin’ny fizarana 84 izay nitaona azy ireo na nanampy azy ireo hahatakatra kokoa ny fisoronan’ Andriamanitra. Avy eo dia manasà vitsivitsy amin’izy ireo mba hizara izany amin’ny iray kilasy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:1–5, 17–28, 31–42

Afaka mahazo ny hery sy ny fitahian’ny fisoronan’ Andriamanitra isika rehetra.

  • Nanomboka ity “fanambarana momba ny fisoronana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84, sasin-tenin’ny fizarana) ity ny Tompo tamin’ny alalan’ny fampianarana fa hisy tempoly haorina ao Ziona (jereo ny andininy 1–5). Ahoana no hanampianao ireo mpianatra hahatakatra ny fifandraisana eo amin’ny tanjona masin’ny tempoly sy ny fisoronana? Azonao atomboka amin’ny fanoratana fanontaniana eny amin’ny solaitrabe tahaka ny hoe: Inona avy ny tanjon’ny fisoronana? ary avy eo dia hanasa ireo mpianatra mba hitady valinteny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:17–28, 31–42. Ahoana no hitondran’ny tempoly sy ireo ôrdônansin’ny tempoly fanampiana amin’ny fanatanterahana ireo tanjona ireo?

  • Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny hery mety hananan’ny fisoronana eo amin’ny fiainan’izy ireo dia azonao asaina izy ireo hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:17–28 ary hieritreritra hoe mety ho hafa toy ny ahoana ny fiainan’izy ireo raha tsy nisy ny fisoronan’ Andriamanitra. Amporisiho izy ireo hizara ny antony maha-feno fankasitrahana azy ireo noho ny fisoronana, miaraka amin’ireo zavatra efa niainany momba ny herin’ny fisoronana, tao amin’ny fianakaviany, na ny antsony, na ny fiainany manokana. Ahoana no ahazoantsika ny herin’ ny fisoronana?

  • Ny fianianana sy fanekempihavanan’ny fisoronana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:31–42) dia misy fampiharana manokana ho an’ireo izay notendrena tamin’ny anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana. Saingy maro amin’ireo fitahiana nampanantenaina ao amin’ireo andininy ireo no afaka ny ho azon’ny rehetra. Mba hanampiana ireo mpianatra hahita ny fomba fihatran’ireo fampanantenana ireo aminy dia azonao asaina izy ireo hamaky ny andininy 33–42 ary hiresaka momba ireo fomba ahafahantsika “mandray” ny fisoronana (andininy 35) sy ireo mpanompon’ny Tompo ary ny Tompo. Azon’izy ireo vakina ihany koa ireo teny nambara ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” mba hijerena ny zavatra ilaintsika atao mba handraisana ireo fitahian’ny fisoronana. Azonao ampiana ireo mpianatra hieritreritra momba ny mety ho tafiditra ao amin’ilay hoe “izay rehetra ananan’ny [Ray]” (andininy 38), toy ny toetrany sy ny karazana fiainana izay iainany. Inona koa no manan-danja amintsika amin’ireo andininy sy zavatra voalaza ireo?

    Sary
    vehivavy mandray ny fanasan’ny Tompo

    Mitahy ny zanak’ Andriamanitra rehetra ireo ôrdônansin’ny fisoronana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:61–88

Hanohana ireo izay manompo Azy ny Tompo.

  • Na dia natokana ho an’ireo izay “handeha sy hitory ity filazantsaran’ny fanjakana [ity]” (andininy 80) aza ireo andininy ireo dia fitsipika maro izay voarakitra ao no azo ampiharina amin’izay rehetra manompo an’ Andriamanitra. Azonao omena ampahany nalaina avy tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:61–88 ireo mpianatra mba hovakiny ary angataho izy ireo hizara amin’ny mpianatra iray hafa ny zavatra nianarany izay azo ampiharina amin’ny olona manompo ny Tompo. Afaka maka andininy na andian’andininy tena tiany ireo mpianatra mba hatao tsianjery na aseho amin’ny toerana izay ahafahany mahita izany isan’andro. Inona no fampanantenana izay tena tian’izy ireo indrindra? Inona no hozaraintsika avy amin’ireo andininy ireo mba hitaomana ny fanahin’ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno na ireo izay miomana ny hanompo?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Afaka mahazo izay rehetra ananan’ny Ray avokoa ny rehetra.

Nampianatra ny Filoha M. Russell Ballard hoe: “Ireo rehetra izay nanao fanekempihavanana masina tamin’ny Tompo ary manaja ireo fanekempihavanana ireo dia mendrika ny hahazo fanambarana ho an’ny tena manokana sy hahazo ny fampianaran’ny anjely ary mendrika ny hiray fo aman-tsaina amin’ Andriamanitra, sy handray ny fahafenoan’ny filazantsara ary ho lasa mpandova miaraka amin’i Jesoa Kristy ny zavatra rehetra ananan’ny Ray amin’ny farany” (“Men and Women and Priesthood Power,” Ensign, Sept. 2014, 32).

Toy izao no nosoratan’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana voalohany tao amin’ny tsatòkan’i Salt Lake tamin’ny 1878: “Tena mahatsapa ho feno fankasitrahana izahay fa amin’ny alalan’ny fitahian’ny Raintsika any An-danitra dia nantsoina ho mpiara-miasa amin’ireo rahalahy izahay mpanompo vaviny amin’ny fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany, sy amin’ny fanampiana amin’ny fanorenana ireo Tempoly, izay toerana ahafahantsika mandray ireo fitahiana amin’izao fiainana izao sy mandrakizay. Amin’ireo ôrdônansy rehetra raisina ao amin’ny Tranon’ny Tompo dia mijoro eo anilan’ny lehilahy ny vehivavy, na ho an’ny velona na ho an’ny maty, izay maneho fa ao amin’ny Tompo dia tsy misy ny lehilahy raha tsy misy ny vehivavy ary tsy misy ny vehivavy raha tsy misy ny lehilahy” (Mary Isabella Horne, Elmina S. Taylor, and Serepta M. Heywood, “To the Presidents and Members of the Relief Society of Salt Lake Stake of Zion, Greeting!Woman’s Exponent, Jan. 15, 1878, 123).

Manatsara ny fampianarantsika

Ataovy mifototra amin’ny fotopampianarana ny fampianaranao. Ataovy izay hifantohan’ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny olona ao amin’ny kilasinao amin’ny fotopampianarana fototra ao amin’ny soratra masina. Azonao atao izany amin’ny alalan’ny fangatahana ny mpianatra mba hamaky soratra masina ary hizara ireo fahamarinana hitan’izy ireo avy eo, torak’izany koa ireo traikefan’izy ireo tamin’ny fiainana ireo fahamarinana ireo. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 20–21.)

Hamoaka printy