Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
23–29 aogôsitra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93: “Handray amin’ny fahafenoany”


“23–29 aogôsitra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93: -Handray amin’ny fahafenoany-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“23–29 aogôsitra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady

Sary
Nahita an’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy i Stefana

Hitako ny Zanak’olona mitsangana eo ankavanan’ Andriamanitra, nataon’i Walter Rane

23–29 aogôsitra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93

“Handray amin’ny fahafenoany”

Ireo olona ampianarinao dia fanahy zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray aman-dReny any An-danitra izay sarobidy ary manana fahafahana ho tonga tahaka an’ Andriamanitra. Rehefa avy nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93 ianao dia inona no fitaomana tsapanao fa tokony ataonao mba hanampiana azy ireo hitombo “fahazavana sy fahamarinana”? (andininy 36).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93 i Jesoa Kristy dia manasa ahy … Asao ny olona ao amin’ny kilasy handroso izay zavatra azo hamenoana io fehezan-teny io.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93

Mitsaoka an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany isika.

  • Tao amin’ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93 ireo olona ao amin’ny kilasy dia mety nahita fahamarinana maro mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Asao ny olona ao amin’ny kilasy hizara izay hitany. Azonao zaraina ho vondrona maromaro ihany koa ny iray kilasy ka ny vondrona tsirairay dia ampandraiketo andininy vitsivitsy hiarahan’izy ireo mandalina ao anaty vondrona. Dia azon’ny vondrona tsirairay atao avy eo ny mizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nianaran’izy ireo momba “ny fomba ivavahan[tsika] sy izay ivavahan[tsika]” (andininy 19).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:1–39

Afaka “handray amin’ny fahafenoan[’ Andriamanitra isika] ary [azo] hankalazaina.”

Sary
varavarankely vita amin’ny fitaratra

Mandray ny fahazavan’ Andriamanitra isika rehefa mitandrina ireo didiny ary mianatra avy Aminy.

  • Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93 dia mirakitra fahamarinana maro momba ny maha-mandrakizay antsika sy ny fahafahantsika ho lasa tahaka an’ Andriamanitra amin’ny maha-zanany antsika. Ny olona sasany ao amin’ny kilasy dia mety nahita ny momba ireo fahamarinana ireo nandritra ny fandalinany ny fizarana 93 tany an-tranony (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Ireo izay nahita izany dia afaka mizara izay hitany, ary azonareo iray kilasy atao koa ny miara-mianatra fahamarinana hafa. Inona no mety ho fiantraikan’ireo fahamarinana ireo amin’ny fomba fandraisantsika ny olona manodidina antsika, na ny tenantsika?

  • Ity misy fomba iray hafa ianarana momba ny maha-mandrakizay antsika sy ny fahafahantsika ho lasa tahaka an’ Andriamanitra: afaka miara-mamaky ny andininy 24 ny olona ao amin’ny kilasy ka manoratra eny amin’ny solaitrabe ireo lohateny telo hoe: Araka ny maha-izy antsika, Araka ny naha-izy antsika, ary Araka ny haha-izy antsika. Dia avy eo azonao zaraina ho vondrona telo ny kilasy ary angatahana ny vondrona tsirairay hikaroka ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:6–39 hitadiavana fahamarinana momba ny naha-izy antsika sy ny maha-izy antsika ary ny haha-izy antsika. Ny vondrona tsirairay dia afaka manoratra izay hitany eo ambanin’ireo lohateny. Inona no fiantraikan’ireo fahamarinana ireo amin’ny safidy ataontsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:40–50

Didina isika “handamina ny ankohonan[tsika].”

  • Ilay baiko hoe “handamina ny ankohonanao” (andininy 43) dia tsy hoe mandamina ny ao anaty lalimoara sy ny fitoeran-javatra akory fa momba ny fampianarana—sy fianarana—“fahazavana sy fahamarinana” (andininy 42). Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao angamba ny mizara ny zavatra ataony mba hiezahana hanaraka io torohevitra io. Inona no olana sasany atrehany amin’izany? Fahamarinana na fitsipika inona ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93 no afaka manampy?

  • Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo momba ireo andininy ireo dia azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny mamaky ampahany amin’ny hafatry ny Filoha Henry B. Eyring manao hoe “Tokantrano itoeran’ny Fanahin’ny Tompo” (Liahona, mey 2019, 22–25) ary mizara izay hevi-baovao mifandraika amin’ireo fahamarinana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:40–50. (Jereo ihany koa ny teny nambara ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”)

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

“Hanao izay hahatonga azy ireo hazoto sy hikarakara bebe kokoa ao an-tokantrano.”

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe:

“Ao amin’ny biraoko dia misy sary hosodoko tsara tarehy iray izay mampiseho saham-barimbazaha. Ilay sary hosodoko dia fitambaran’ireo faoka tsirairay navelan’ny borosin-doko, ary tsy misy na iray aza amin’izy ireo izay tena mahaliana na manaitra raha alaina mitokana. Raha ny marina, rehefa mijoro eo akaikin’ilay sary hosodoko ianao dia soritsori-tsipika maro miloko mavo sy volom-bolamena ary volon-tany izay toa tsy mifandray ary tsy manaitra mihitsy no hitanao. Kanefa rehefa manalavitra tsikelikely ilay sary hosodoko ianao dia mitambatra ireo faoka indray mandehan’ny borosin-doko ireo ary manome ny endrika tsara tarehin’ny saham-barimbazaha iray. Faoka indray mandehan’ny borosin-doko be dia be izay mahazatra no niara-niasa ka namorona sary hosodoko izay maharevo sy kanto ery.

“Ny vavaka tsirairay fanaon’ny mpianakavy, ny fotoana tsirairay handalinan’ny fianakaviana soratra masina, ary ny takarivan’ny mpianakavy tsirairay dia faoka indray mandehan’ny borosin-doko eo amin’ny sary hosodokon’ny fanahintsika. Tsy misy na dia iray aza amin’ireo zavatra ireo no hoe manaitra be na miavaka be. Saingy rehefa mifameno ireo faoka indray mandehan’ny borosin-doko miloko mavo sy volom-bolamena ary volontany ireo dia mamokatra asa-tanana mahatalanjona, ary toy izany koa ny fanaovantsika tsy tapaka ireo zavatra izay toa kely nefa mitondra vokatra manan-danja ara-panahy.” -Koa aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa fa mandatsaka ny fanorenan’ny asa lehibe ianareo. Ary avy amin’ny zavatra madinika no hivoahan’izay lehibe- (F&F 64:33). Ny tsy fiovaovana dia fitsipika iray manan-danja ilaina rehefa mametraka ny fototry ny asa iray lehibe eo amin’ny fiainantsika tsirairay avy isika ary rehefa lasa mazoto kokoa sy mikarakara kokoa ao an-tokantranontsika” (“Hazoto sy hikarakara bebe kokoa ao an-tokantrano,” Liahona, nôv. 2009).

Manatsara ny fampianarantsika

Manehoa fitiavana. “Miankina amin’ny toe-javatra iainanao, ny fanehoana fitiavana an’ireo izay ampianarinao dia mety midika ho midera azy ireo amin-kitsimpo, maneho fahalianana momba ny fiainany, mihaino tsara azy ireo, mampandray anjara azy ireo ao amin’ny lesona, manao asa fanompoana ho azy ireo, na miarahaba amim-pitiavana azy ireo tsotra fotsiny rehefa hitanao izy ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 6).

Hamoaka printy