Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
30 aogôsitra–5 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94–97: “Ho famonjena an’i Ziona”


“30 aogôsitra–5 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94–97: -Ho famonjena an’i Ziona-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“30 aogôsitra–5 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94–97,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
Tempolin’i Kirtland

Tempolin’i Kirtland, nataon’i Al Rounds

30 aogôsitra–5 septambra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94–97

“Ho famonjena an’i Ziona”

Ahoana no fomba tsara indrindra ahafahanao manampy ny olona ao amin’ny kilasy haniry handray ireo fitahiana ampanantenaina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94–97?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao angamba ny mizara zavatra iray izay hitany tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94–97 ka nitaona azy ireo handeha any amin’ny tempoly matetika kokoa. Na azon’izy ireo zaraina ny hafatra hafa izay nanentana ny fanahin’izy ireo rehefa namaky ireo fizarana ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:8; 97:10–17

Andriamanitra dia mitahy ny olony ao amin’ny tempoly.

  • Ahoana no ampiasanao ny fahamarinana ampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95 sy 97 mba hitaomana ny olona ao amin’ny kilasy hikatsaka ireo fitahian’ny tempoly amim-pahazotoana kokoa? Hevitra iray ny mametraka sarina tempoly eo afovoan’ny solaitrabe ary mangataka ny olona ao amin’ny kilasy ny hevitr’izy ireo ny amin’ny antony nanomezan’ny Tompo torolalana ny Olomasiny hanangana tempoly. Afaka mijery valiny vitsivitsy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:8; 97:10–17 ary manoratra izay hitany eny amin’ny solaitrabe manodidina ilay sarin’ny tempoly ny mpianatra. (Afaka mahita valin-teny fanampiny ao amin’ny “Pourquoi les saints des derniers jours construisent des temples” [temples.ChurchofJesusChrist.org].) Tamin’ny fomba ahoana no nahatanterahan’ireo fampanantenana ireo teo amin’ny fiainantsika? Ahoana no ahafahantsika manao ny tempoly ho ampahany manan-danja kokoa eo amin’ny fiainantsika?

  • Ny Fiangonana dia manome loharanom-pitaovana marobe izay mampianatra momba ny tempoly. Hevero ny hampiasa ny sasany amin’izany mba hanatsarana ny fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy mikasika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95 sy ny 97 ary hitaomana ny olona ao amin’ny kilasy mba hikatsaka ireo fitahian’ny tempoly amim-pahazotoana kokoa. Ohatra, azonao asaina mialoha ny fotoam-pianarana ny olona vitsivitsy ao amin’ny kilasy mba hanao famerenana ny ao amin’ Ireo tempolin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (laharana manokan’ny Liahona, nivoaka tamin’ny ôkt. 2010). Asao ireo mpianatra hivonona hizara ny zavatra izay nianaran’izy ireo ka manohana ny fampianarana ao amin’ny fizarana 95 sy 97 ny mpianatra.

    Raha mampianatra zatovo ianao dia azonao asaina izy ireo hamaky ny “Manao ny tempoly ho anisan’ny fiainanao” (ao amin’ Ireo tempolin’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 77–78) ary hizara ny zavatra ataon’izy ireo mba hahatonga ny tempoly ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainany.

    Ny horonan-tsary hoe “Two Apostles Lead a Virtual Tour of the Rome Italy Temple” sy “Temples” (ChurchofJesusChrist.org) dia afaka manampy ireo izay miomana handeha any amin’ny tempoly.

    Azonareo atao koa ny miara-mihira hira ao amin’ny fihirana momba ny tempoly ary miresadresaka momba izay ampianarin’izany (jereo ny “Sujets” ao amin’ny Cantiques).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:8–9

Afaka ny ho ankasitrahan’ny Tompo isika.

  • Inona no ianarantsika avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:8 momba ny dikan’ny hoe ankasitrahan’ny Tompo? Inona no maha samy hafa izany amin’ireo fomba hikatsahantsika indraindray ny ho ankasitrahan’izao tontolo izao? Inona avy ireo fampanantenana ao amin’ny andininy 9 ho an’ireo izay ankasitrahan’ny Tompo? Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ihany koa ny mijery ny hafatry ny Loholona Erich W. Kopischke “Ankasitrahan’ny Tompo” (Liahona, mey 2013, 104–6) ary mizara ny fomba hanampian’izany azy ireo hahatakatra ireo andininy ireo. Ny teny nambara ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia ahitana ny fanasan’ny Loholona Kopischke hikatsaka ny ho ankasitrahan’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:18–28

I Ziona dia “ny madio am-po.”

  • Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hisaintsaina momba ny dikan’ny hoe Ziona dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny hoe Inona no atao hoe Ziona? ary azonao asaina izy ireo hitady ny valin’izany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:19 sy 21 (jereo koa ny Mosesy 7:18; Sujets de l’évangile, “Sion,” topics.ChurchofJesusChrist.org). Mety hanampy ny miresadresaka momba ny fanampian’ny Mpamonjy antsika ho lasa “madio am-po.” Mahatsiaro voataona hanao inona isika mba hanorenana ny Ziona eo amin’ny fiainantsika? ao amin’ny paroasy na sampana misy antsika? ao amin’ny fiarahamonina misy antsika?

    Sary
    Tempolin’i Kirtland

    Ny fananganana ny tempolin’i Kirtland dia nahatonga ny Olomasina ho lasa “madio am-po” kokoa.

  • Nampianatra mikasika an’i Ziona ny Tompo taorian’ny nandidiany an’ireo Olomasina aloha mba hanangana tempoly “ho famonjena an’i Ziona” (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:12, 18–28). Nahoana ny tempoly no ampahany manan-danja amin’ny fanorenana ny Ziona? Ahoana no ahatanterahan’ireo faminaniana nataon’ny Tompo momba an’i Ziona ao amin’ny andininy 18–28 amin’izao androntsika izao?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny hoe ankasitrahan’ny Tompo.

Raha niresaka momba ilay “lamina tsotra” ampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:8 ny Loholona Erich W. Kopischke, dia nampianatra izy hoe:

“Ny fikatsahana sy fahazoana ny fankasitrahana avy amin’ny Tompo dia hitarika antsika amin’ny fahalalana fa nofinidiny sy tahiany isika. Hahazo fitokiana bebe kokoa isika izay hitarika antsika sy hitondra antsika ho amin’ny tsara. Hibaribary ao am-pontsika, sy eo amin’ny fiainantsika, ary ao amin’ny fianakaviantsika ny halehiben’ny famindram-pony.

“Amin’ny foko manontolo no hanasako anareo mba hikatsaka ny fankasitrahan’ny Tompo ary hankafy ny fitahiana nampanantenainy. Hahafantatra isika fa ankasitrahany na inona toerana tanana, na toeram-boninahitra, na fetra mandritra ny fiainana an-tany ananantsika, rehefa manaraka ny lamina tsotra navelan’ny Tompo” (“Ankasitrahan’ny Tompo,” Liahona, mey 2013).

Manatsara ny fampianarantsika

Fantaro ireo izay ampianarinao. Manana traikefa sy fomba fijery ary talenta miavaka ny olona tsirairay izay ampianarinao. Mivavaha mba hahafantarana ny fomba hahafahan’ny fandraisana anjara hoentin’ny olona tsirairay ho fitahiana ho an’ny iray kilasy manontolo. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 7.)

Hamoaka printy