Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
6–12 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101: “Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra”


“6–12 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101: -Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“6–12 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
Olomasina mandositra mpanenjika

C. C. A. Christensen (1831–1912), Noroahina hiala ny Fivondronan’i Jackson Missouri ireo Olomasina, c. 1878, tempera sur mousseline, 196 x 287 santimetatra. Tranombakoky ny Zavakanto, Oniversiten’i Brigham Young, fanomezana avy tamin’ireo zafikelin’i C.C.A. Christensen, 1970.

6–12 septambra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101

“Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra”

Inona no karazana fanamby na fitsapana atrehan’ireo olona ao amin’ny kilasinao? Inona no torohevitra sy teny fankaherezana izay afaka hanampy azy ireo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Afaka manasa ireo olona ao amin’ny kilasy ianao hizara ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101 ka nanampy azy ireo tamin’ny fitsapana sy ny fanamby natrehan’izy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:1–3, 11–16, 23–30, 37; 101:2–5, 9–16

Afaka ny ho tombontsoa ho antsika ireo fitsapana mahazo antsika.

  • Ny fanenjehana na ny fanoherana atrehantsika anio dia mety tsy hitovy amin’ny zavatra natrehan’ireo Olomasina tany Missouri tamin’ny 1833, fa ny torohevitra omen’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98 dia mbola azo ampiharina. Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hianatra avy amin’ity torohevitra ity dia azonao atao ny manoratra fanontaniana toy ireto manaraka ireto eo amin’ny solaitrabe: Ahoana no fomba tian’ny Tompo handraisan’ireo Olomasiny ny fanoherana? Amin’ny fomba ahoana no tian’ny Tompo hiatrehantsika ny fanenjehana? Afaka miasa ao anaty vondrona kely ireo mpianatra mba hahitany ny valiny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:1–3, 11–16, 23–30 ary avy eo dia mifanakalo hevitra momba ny zavatra nianaran’izy ireo. Inona avy ireo fahamarinana hitantsika ka afaka manampy antsika ho lasa mpanaradia tsara kokoa an’i Jesoa Kristy? Ireo teny nindramina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia afaka manome hevitra fanampiny amin’ilay fifanakalozan-kevitra.

  • Amin’ny fotoan’ny fanenjehana na fitsapana dia afaka hanampy antsika ity hafatra ao amin’ny fizarana 98 sy 101 ity: hanampy antsika ny Tompo raha vonona ny hatoky Azy isika. Mba hanampiana ireo olona ao amin’ny kilasy hahita ity hafatra ity dia azonao atao ny mandika ity lisitra misy andinin-tsoratra masina ity eny amin’ny solaitrabe ary manasa azy ireo hisafidy ny sasantsasany amin’izany mba hovakiana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:1–3, 11–12, 37 ; 101:2–5, 9–16. Asao izy ireo hizara ny zavatra hitany ka manosika azy ireo hatoky ny Tompo. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba ahafahantsika mametraka ny fitokisantsika ao amin’ny Tompo? (Jereo koa ny Linda S. Reeves, “Takio ireo fitahian’ny fanekempihavananao,” Liahona, nôv. 2013, 118–20.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:1–8, 43–62

Ny fanarahana ny torohevitr’ Andriamanitra dia manampy antsika ho voaro.

  • Ahoana no hahafahanao manampy ny olona ao amin’ny kilasy hamantatra ny fiarovana azo avy amin’ny “fihainoana ny feon’ny Tompo”? (andininy 7). Azonao atao angamba ny manasa olona vitsivitsy ao amin’ny kilasy hilalao an-tsehatra ilay fanoharana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:43–62 raha eo am-pamakiana izany amin’ny feo avo kosa ny mpianatra iray hafa. Azonareo atao ihany koa ny mifanakalo hevitra momba ny fanontaniana toy izao: Mety maneho inona ireo singa hita ao anatin’ilay fanoharana? Inona no nahatonga ilay mpanompo namoy ilay tanimboaloboka? Inona no lesona azontsika tsoahina avy amin’ny hetsika nataon’ireo mpanompo? Inona no zavatra ianarantsika mikasika ny Tompo avy amin’ny hetsika nataon’ilay lehilahy mendri-kaja? Mety manampy ihany koa ny fanaovana fampitahana ny andininy 1–8 amin’ny andininy 47–51 ary mifanakalo hevitra mikasika ny fomba ahafahantsika ho “mahatoky sy hendry“ amin’ny ezaka ataontsika hanorenana an’i Ziona eo amin’ny fiainantsika manokana sy ao an-tokantranontsika ary amin’ny maha Fiangonana antsika.

    Sary
    Jesoa Kristy

    Sombin-tsary avy amin’ny I Kristy sy ilay tanora mpanan-karena, nataon’i Heinrich Hofmann

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Mitaky herim-po amin’ny maha Kristianina ny manolotra ny takolantsika anankiray.

Nampianatra ny Loholona Robert D. Hales hoe:

“Misy ny olona sasany diso eritreritra hoe ny fihetsika toy ny fahanginana, ny fahalemem-panahy, ny famelana heloka sy ny fijoroana ho vavolombelona amim-panetrentena dia fanarahan-drenirano na fahalemena. Kanefa ny -mitia ny fahavalontsika ary mivavaka ho an’izay manenjika antsika, manao soa ho an’ireo izay mankahala antsika, sy mivavaka ho an’ireo izay maniratsira antsika, sy manenjika antsika- (Matio 5:44) dia mitaky finoana sy hery ary indrindra indrindra fahasahian’ny Kristiana. …

“Rehefa tsy mamaly isika—rehefa manome ny takolaka iray hafa sy manohitra ireo fahatsapana feno fahatezerana—dia manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy ihany koa. Mampiseho ny fitiavany isika, izay hany hery afaka hanohitra ny fahavalo sy hamaly ireo mpanendrikendrika antsika kanefa tsy amin’ny fanendrikendrehana azy ireo. Tsy fahalemena izany. Izany no fahasahian’ny Kristianina rehefa miasa” (“Christian Courage: The Price of Discipleship,” Liahona, Nov. 2008, 72).

Ny mamela heloka dia tsy hoe manaiky.

Hoy ny Loholona Kevin R. Duncan: “Ry Rahalahy sy anabavy, aoka mba tsy ho diso ny fahatakaranareo. Ny mamela heloka dia tsy hoe manaiky. Tsy manamarina ny fitondrantena ratsy isika na mamela ny hafa hanao ratsy amintsika noho ny olany na ny fanaintainany na ny fahalemeny. Kanefa afaka mahazo fahatakarana sy fiadanana kokoa isika rehefa mijery amin’ny fomba fijery mivelatra kokoa. Fitsipika feno voninahitra sy manasitrana ny famelan-keloka. Tsy voatery ho voa indroa isika. Afaka mamela heloka isika” (“Ilay diloilo manasitran’ny famelan-keloka,” Liahona, mey 2016, 35).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampandraiso anjara ireo izay manana fahasahiranana. Indraindray ireo mpianatra manana fahasahiranana dia mila ampandraisina anjara fotsiny mba hahatsapany fa tiana izy. Asao izy ireo mba hanaiky andraikitra iray mandritra ny lesona izay mbola ho avy, na asao ho tonga ao amin’ny kilasy, na alaivo antoka fa manana fomba hahatongavana aty am-piangonana izy ireo. Aza milavo lefona raha toa izy ireo ka tsy miraika amin’ny ezaka ataonao amin’ny voalohany (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 8–9).

Hamoaka printy