Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
20–26 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106–108: “Ny hanana ny lanitra misokatra eo anoloany”


“20–26 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106–108: -Ny hanana ny lanitra misokatra eo anoloany,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“20–26 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106–108,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
masoandro mibaliaka mamakivaky ny rahona

20–26 septambra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106–108

“Ny hanana ny lanitra misokatra eo anoloany”

Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106–8 ianao dia hevero ireo zavatra iainana ara-panahy izay mety mitranga amin’ny olona ao amin’ny kilasy rehefa mandalina ireo andininy ireo izy ireo. Eo am-piomananao hampianatra azy ireo dia mety hanampy ny mamantatra izay tsapan’izy ireo fa manan-danja aminy mialoha ny hihaonanareo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny olona ao amin’ny kilasy hizara andininy iray avy amin’ireo fizarana ireo izay mampianatra fitsipika afaka mampatanjaka ny olona iray eo amin’ny fanompoana ataony ao amin’ny Fiangonana.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106108

Ny Tompo dia manoro sy mankahery ary manohana ireo izay antsoiny hanompo.

  • Rehefa nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106 sy 108 ny olona ao amin’ny kilasy tamin’ity herinandro ity, dia mety nahita andian-teny izay afaka hanampy ireo izay manompo amin’ny alalan’ny antso ao amin’ny Fiangonana (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Hevero ny hanome ny olona ao amin’ny kilasy fotoana hanoratana ireo andian-teny hitany tao amin’ireo fizarana ireo eny amin’ny solaitrabe ary hangataka azy ireo mba hizara ny heviny. Inona no zavatra niainan’izy ireo ka mifandray na maneho ireo andian-teny ireo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107

Mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana ny Tompo.

  • Azonao atao ny manomboka fifanakalozan-kevitra momba ireo anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana amin’ny fanasana ny iray kilasy mba hanao ny lisitr’ireo antony nanomezan’ny Tompo antsika mpaminany sy apôstôly, ary mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana. Azon’ny mpianatra ampiana ilay lisitra rehefa avy mamaky ny Fotopampianarina sy Fanekempihavanana 107:18–20 izy ireo. Dia afaka mandany fotoana ianao avy eo mamerina ireo andraikitra nomen’ny Tompo an’ireo izay mihazona ireto anjara fanompoana manaraka ireto: ny Fiadidiana Voalohany (andininy 9, 21–22, 65–66, 91–92), ny Apôstôly Roambinifolo (andininy 23–24, 33–35, 38, 58), ny Fitopololahy (andininy 25–26, 34, 93–97), ary eveka (andininy 13–17, 68–76, 87–88). Inona no azontsika atao mba hanohanana ireo mpitarika antsika amin’ny alalan’ny “fahatokiana, ny finoana ary ny vavak[a]”? (andininy 22).

  • Ahoana no hamaliantsika ny namana iray tsy avy amin’ny finoantsika ka manontany antsika hoe: “Inona no atao hoe fisoronana?” na “Inona no atao hoe fanalahidin’ny fisoronana?” Inona no mety ho fiantraikan’ny fampianarana ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” eo amin’ny valinteny homenao? Angamba mety hahita hevi-baovao manampy ihany koa ny olona ao amin’ny kilasy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:1–4, 18–20 (jereo ihany koa ny Miorim-paka ao amin’ny finoana). Ahoana no hanampian’ny fisoronana antsika handray “ny misterin’ny fanjakan[a]” ary “hanana ny lanitra misokatra eo anoloan[tsika]”? Ahoana no hanampian’izany antsika “[h]anana anjara amin’ny fiombonana sy ny fanatrehan’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa”? (andininy 19).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:27–31, 85

Mitantana ny fanjakany amin’ny alalan’ny filankevitra ny Tompo.

  • Nilaza i M. Russell Ballard hoe: “Fantatro fa ny filankevitra dia fomban’ny Tompo ary nahary ny zavatra rehetra ato amin’izao tontolo izao Izy tamin’ny alalan’ny filankevitra” (“Ireo filankevitry ny mpianakavy,” Liahona, mey 2016, 63). Ahoana no hanampianao an’ireo izay ampianarinao hahatakatra ny fomba fiarahana manao filankevitra any an-tokantrano sy any am-piangonana? Azonao atao angamba ny mangataka mpikambana sasany hivonona hizara ny traikefany any am-piangonana na any an-tokantrano ka nampiharany ny fitsipiky ny filankevitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:27–31, 85 (na ao amin’ny hafatry ny Filoha Ballard voalaza etsy ambony). Azonao asaina ny olona ao amin’ny kilasy hiomana manditra ny herinandro hizara hevitra momba ny zavatra mampahomby ny filankevitra. Amporisiho ny olona ao amin’ny kilasy hamantatra ireo fitsipika izay nianarany avy amin’izany resadresaka izany ka manampy azy ireo hahomby kokoa rehefa mandray anjara amin’ireo filankevitra any an-tokantrano sy any am-piangonana amin’ny ho avy.

    Sary
    fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra

    Isan’ny fomba anatanterahan’ny Tompo ny asany ny fiarahana manao filankevitra.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Fahefan’ny fisoronana

Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe:

“Tsy mahazatra antsika ny fitenenana mikasika ny fananan’ny vehivavy ny fahefan’ny fisoronana ao amin’ny antson’izy ireo ato am-piangonana, saingy fahefana hafa inona ary izany? Rehefa atokana ny vehivavy iray, na tanora na antitra, hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno, dia omena fahefan’ny fisoronana izy hanatanterahana andraikitra iray izay an’ny fisoronana. Marina koa izany rehefa atokana amin’ny andraikitra toy ny mpiandraikitra na mpampianatra ao amin’ny rafitra iray ao amin’ny Fiangonana ny vehivavy iray eo ambany fitarihan’ny olona iray izay mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana. Na iza na iza miasa eo amin’ny toerana na antso iray voaray avy tamin’olona iray izay mihazona fanalahidin’ny fisoronana dia mampiasa ny fahefan’ny fisoronana eo am-panatanterahana ireo andraikitra nanendrena azy” (“Ny fanalahidy sy ny fahefan’ny fisoronana,” Liahona, mey 2014).

Nilaza ny Filoha M. Russell Ballard hoe:

“Malala-tanana amin’ny heriny ny Raintsika any An-danitra. Afaka mahazo io hery io avokoa ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra ho fanampiana eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ireo rehetra izay nanao fanekempihavanana masina tamin’ny Tompo ary manaja ireo fanekempihavanana ireo dia mendrika ny hahazo fanambarana ho an’ny tena manokana sy hahazo ny fampianaran’ny anjely ary mendrika ny hiray fo aman-tsaina amin’ Andriamanitra, sy handray ny fahafenoan’ny filazantsara ary ho lasa mpandova miaraka amin’i Jesoa Kristy ny zavatra rehetra ananan’ny Ray amin’ny farany” (“Men and Women in the Work of the Lord,” New Era, Apr. 2014, 4–5).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny mpianatra hifanohana. “Ny olona tsirairay ao amin’ny kilasinao dia loharano manan-karena fijoroana ho vavolombelona, hevi-baovao ary traikefa eo amin’ny fiainana ny filazantsara. Asao izy ireo hifampizara sy hifampahery” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 5).

Hamoaka printy