Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
27 septambra–3 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109–110: “Izany no tranonao, toeran’ny fahamasinanao”


“27 septambra–3 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109–110: -Izany no tranonao, toeran’ny fahamasinanao,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“27 septambra–3 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109–110,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
Tempolin’i Kirtland

Tempolin’i Kirtland, nataon’i Jon McNaughton

27 septambra–3 ôktôbra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109–110

“Izany no tranonao, toeran’ny fahamasinanao”

Ny Fizarana 109 sy 110 dia mamariparitra ny sasantsasany amin’ireo tranga masina indrindra tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny. Alaivo antoka fa mamela ireo olona ao amin’ny kilasy ianao hizara ny zavatra noeritreretiny sy tsapany rehefa nandalina ireo tranga ireo ianao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Nanambara ny Tompo fa “hiely any an-tany hafa ny lazan’ity trano [ny Tempolin’i Kirtland] ity” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:10). Afaka manasa ireo olona ao amin’ny kilasy ianao hizara ny zavatra hitan’izy ireo nandritra ny fandalinana nataon’izy ireo ka tsapany fa tokony ahely amin’ireo olona manerana izao tontolo izao.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109; 110:1–10

Ny Tompo dia te hitahy antsika ao amin’ny tranony masina.

  • Ny fandalinana ny fizarana 109 dia fahafahana mahafinaritra hanampiana ireo olona ao amin’ny kilasy hanamafy ny fanirian’izy ireo hitsaoka ao amin’ny tempoly. Azonao atao ny manoratra eo amin’ny solaitrabe ny tarehimariky ny andininy vitsivitsy izay manonona ireo fitahiana azo ao amin’ny tempoly toy ny andininy 12–13, 22–23, 24–28, 29–32. Afaka misafidy andininy ho vakiana sy ho saintsainina ireo olona ao amin’ny kilasy, na samirery izany na anaty vondrona, ary avy eo dia hamintina ny fitahiana fariparitan’ireo andininy ireo amin’ny mpianatra hafa. Ireo mpikambana izay efa tany amin’ny tempoly dia afaka mizara ny fomba niainan’izy ireo an’ireo fitahiana ireo teo amin’ny fiainan’izy ireo.

    Afaka mamaky na mihira ny “Fanahin’ny Ray” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, p. 56) ianareo, fihirana izay natao nandritra ny fanokanana ny Tempolin’i Kirtland. Afaka manondro ireo fitahian’ny tempoly izay voafariparitra anatin’ilay hira ireo olona ao amin’ny kilasy ary raha azo atao dia mizara izay traikefa nananan’izy ireo mifandraika amin’izany.

  • Matetika no mitaky fahafoizan-tena ny fahazoana ny fitahian’ny tempoly. Inona no ampianarin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:5 momba ireo fahafoizan-tena nataon’ireo Olomasina tany aloha mba hanorenana ny Tempolin’i Kirtland? Angamba mety misy olona iray nanoman-tena mialoha afaka hiresaka momba ireo fahafoizan-tena ireo (jereo ny “Une maison pour notre Dieu »,” Révélations dans leur contexte, 169–71). Fahafoizan-tena toy ny inona no ataontsika ankehitriny mba hahazoana ireo fitahian’ny tempoly? Mety hazoto hizara ny traikefa nananany koa ny mpianatra. Misy ohatra maoderina izay hita ao amin’ilay horonan-tsary hoe “Sealed Together: The Manaus Temple Caravan” sy “Temples Are a Beacon” (ChurchofJesusChrist.org.

  • Fomba tsara hanorenana ny finoantsika ao amin’i Jesoa Kristy ny fandalinana ilay famariparitana ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:1–10 Azonao atao ny mangataka ny olona ao amin’ny kilasy hijery manokana ny fampitahana an-tsary ao anatin’ireo andininy ireo sy handinika ny zavatra azon’ireo fampitahana an-tsary ireo ampianarina antsika momba an’i Jesoa Kristy. Mety maneho inona ilay “lalam-bato volamena tsy nisy fangarony”? na ilay feo “tahaka ny firohondrohon’ny rano be”?

    Sary
    Endrika anatin’ny Tempolin’i Kirtland

    Ny sisiny tsirairay ao amin’ny Tempolin’i Kirtland dia misy polipitra ho an’ny mpitarika ny fisoronana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11–16

Ireo fanalahidy ilaina hanatanterahana ny asan’ Andriamanitra dia ao amin’ny Fiangonana ankehitriny.

  • Mba hanampiana ireo olona ao amin’ny kilasy hahatakatra ny momba ireo fanalahidin’ny fisoronana nomen’i Mosesy sy Elià ary Elia tamin’i Joseph Smith sy Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland dia azonao atao ny manasa azy ireo hamaky sy hifanakalo hevitra samirery na anaty vondrona mikasika ny teny nambara ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny”. Nahoana no zava-dehibe eo amin’ny fiainantsika ankehitriny ireo fanalahidy ireo? Azonao atao koa ny mangataka ny olona tsirairay hisafidy ny iray amin’ireo mpaminany nanome ireo fanalahidy ireo, dia i Mosesy sy Elià ary Elia, ary avy eo dia hianatra momba azy ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Inona no ampianarin’ny fiainan’ireo mpaminany ireo antsika momba an’ireo fanalahidy nomeny? Izany dia mety hitarika ho amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra izay andrasan’ny Tompo hoataontsika ankehitriny noho ny maha eto an-tany an’ireo fanalahidy ireo ankehitriny.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Manome hery sy fahefana ho amin’ny asan’ Andriamanitra ny fanalahidy.

Nanazava ny Loholona Quentin L. Cook hoe:

“Ny Tempolin’i Kirtland, na ny toerany izany na ny habeny, dia azo lazaina fa tsy dia fantatra loatra. Saingy raha ny lanjany lehibe ho an’ny zanak’ olombelona no resahina, dia nandrafitra ny mandrakizay izany. Naverin’ireo mpaminany fahiny tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana hanatanterahana ireo ôrdônansin’ny famonjena mandrakizay ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Niteraka fifaliana sesehena ho an’ireo mpikambana mahatoky izany.

Ireo fanalahidy ireo dia mitondra “hery avy any ambony” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:38] hanatanterahana asa masina nampandraiketina izay mandrafitra ny tanjona fototry ny Fiangonana. Tamin’io andron’ny Paska mahafinaritra tao amin’ny Tempolin’i Kirtland io dia fanalahidy anankitelo no naverina tamin’ny laoniny:

Voalohany, niseho i Mosesy ary nanolotra ny fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely avy any amin’ny vazan-tany efatra, izany hoe ny asa fitoriana ny filazantsara.

Faharoa, niseho i Elià ary nanolotra ireo fanalahidin’ny fotoampitantanan’ny filazantsaran’i Abrahama, izay ahitana ny famerenana amin’ny laoniny ny fanekempihavanan’i Abrahama [jereo ny Abrahama 2:8–11]. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa ny tanjon’ireo fanalahidin’ny fanekempihavanana dia ny hanomana ireo mpikambana ho amin’ny fanjakan’ Andriamanitra [jereo ny “Fanekempihavanana,” Liahona, nôv. 2011, 88]. …

Fahatelo, niseho i Elia ary nanolotra ireo fanalahidin’ny hery famehezana amin’izao fotoampitantanana izao, izany hoe ny fanaovana tantaram-pianakaviana sy ny ôrdônansin’ny tempoly izay ahafahana manatanteraka ny famonjena ny velona sy ny maty” (“Miomàna hihaona amin’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2018, 114–15).

Manatsara ny fampianarantsika

Asao ho ao anatin’ny fampianaranao ny Fanahy. “Ny tanjona lehibe indrindran’ny zavatra rehetra ataon’ny mpampianatra filazantsara iray dia ny hoe—ny fanontaniana rehetra, ny soratra masina rehetra ary ny asa atao rehetra—dia natao mba hanasana ny Fanahy hanorina finoana sy hanasa ny rehetra hanatona an’i Kristy. Ankoatra izany, ny hira masina, ny soratra masina, ireo tenin’ny mpaminanin’ny andro farany, ny fanehoana fitiavana sy fizarana fijoroana ho vavolombelona, ary ireo fotoana handinihan-tena mangina dia afaka manasa daholo ny fanatrehan’ny Fanahy ” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,10).

Hamoaka printy