Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
18–24 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123: “Andriamanitra ô, aiza no misy Anao?”


“18–24 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123: “Andriamanitra ô, aiza no misy Anao?”” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“18–24 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
Fonjan’i Liberty

Lohataona ao amin’ny Fonjan’i Liberty, nataon’i Al Rounds

18–24 ôktôbra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123

Andriamanitra ô, aiza no misy Anao?”

Ny fomba tsara indrindra hiomanana hampianatra dia ny mamaky ny soratra masina, mieritreritra momba ireo olona ampianarina, ary manaraka ny Fanahy. Ireo asa atao ao anatin’ity rindran-damina ity dia afaka manampy ny fitaomam-panahy raisinao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny olona ao amin’ny kilasy hisafidy hafatra iray avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–23 ho zarainy amin’ny olona iray izay mijaly. Mamelà azy ireo hanazava ny safidiny.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–33122

Raha maharitra tsara ny fitsapana antsika isika dia hanandratra antsika amin’ny avo Andriamanitra.

  • Mety misy ny olona ao amin’ny kilasinao izay, noho ny fitsapana tena mafy, manana fahatsapana mitovy amin’ny an’i Joseph Smith ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–6. Aorian’ny fiarahanareo mamaky ireo andininy ireo dia azonao asaina ny olona ao amin’ny kilasy hamantatra sy hizara hafatra ao amin’ny andininy 7–33 izay manome azy ireo fanantenana sy fankaherezana mandritra ny fotoam-pitsapana. Inona no dikan’ny hoe “iaretanao tsara”? (andininy 8). Ahoana no hanampian’ny Mpamonjy antsika mba haharitra tsara? Ahoana no ahafahantsika mifanampy mba haharitra tsara?

  • Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy handinika ny hoe: Afaka “hanome [antsika] traikefa” ary “ho soa ho an[tsika]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:7) ny fitsapana antsika, dia azonao omena taratasy izy ireo ka hanoratra fitsapana iray izay niainany eo amin’izany. Azon’ny olona ao amin’ny kilasy soratana ao ambadik’ilay taratasy ny teny hoe “traikefa” sy “soa.” Rehefa mifanakalo hevitra momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122 ianareo dia amporisiho ny olona ao amin’ny kilasy hanoratra izay eritreritra ananany momba ilay “ao ambadiky” ny fitsapana azy ireo: dia ny “traikefa” na “soa” azon’izy ireo izany. Mety tsy hampaninona ny olona sasany ao amin’ny kilasy mihitsy ny mizara ny nahalasa zava-tsoa ny fitsapana nahazo azy tamin’ny farany. Na azon’izy ireo vakiana ny zavatra niainan’ny Loholona Koichi Aoyagi ao amin’ny “Hazòny ny lalanao” (Liahona, nôv. 2015).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–46

Tsy maintsy miaina amim-pahamarinana isika vao afaka mahazo ny “herin’ny lanitra.”

  • Mety hahaliana ny mampitaha ny fomba hihazonana “hery na fitaomana” ao amin’izao tontolo izao amin’ny fomba tokony hihazonana hery na fitaomana araka ny nampianarin’ny Tompo (jereo ny fizarana 121). Ho fanohanana izany fifanakalozan-kevitra izany dia azonao atao ny manipika tabilao misy tsanganana roa eny amin’ny solaitrabe, ka izany dia ahitana ny lohateny hoe Herin’izao tontolo izao ary Herin’ny lanitra. Afaka mameno ilay tabilao amina teny na andian-teny avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–46 ny olona ao amin’ny kilasy. Ahoana no mety hanovan’ireo andininy ireo ny fijerintsika ny andraikitsika ao amin’ny fianakaviantsika, amin’ny maha-rahalahy sy rahavavy mpanompo antsika, na amin’ny sehatra hafa izay antenaintsika ny hitaona ny hafa ho amin’ny tsara?

  • Fomba iray ahafahana mifanakalo hevitra momba ireo fitahiana mahafinaritra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:45–46 ny mizara ny kilasy ho vondrona ary ny mangataka ny vondrona tsirairay mba handalina sy hiresadresaka momba ny andian-teny iray avy ao amin’ireo andininy ireo, toy ny “aoka handravaka tsy an-kijanona ny eritreritrao ny hatsaram-panahy” na “toy ny ando avy any an-danitra.” Afaka mitady famaritana teny izy ireo, mamaky ny soratra masina mifandraika amin’izany avy ao amin’ny fanamarihana eny ambany pejy, na miresadresaka ny dikan’ilay andian-teny ho azy ireo. Ny vondrona sasany dia mety haniry ny hanao sary mba hanehoana ny andian-teniny. Asao ny vondrona tsirairay hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nianarany

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:8–9

Nidina tambanin’ny zava-drehetra ary mampatanjaka antsika ao amin’ny fitsapana mahazo antsika i Jesoa Kristy.

  • Ny fahatakarana fa i Jesoa Kristy dia “nidina tambanin’[ny zava-d]rehetra” dia afaka mitondra fahatokisan-tena amin’ny olona ao amin’ny kilasy mba hitodihana Aminy. Ireto soratra masina fanampiny ireto dia afaka manazava ny dikan’io andian-teny io: Isaia 53:3–4; Hebreo 2:17–18; 1 Nefia 11:16–33; Almà 7:11–13. Afaka mamaky ireo andininy ireo ny olona ao amin’ny kilasy, miaraka amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:8, hitadiavana ny zavatra izay manamafy ny finoany fa i Jesoa Kristy dia afaka manampy azy ireo ao amin’ny fitsapana mahazo azy ireo. Mety hahitana fankaherezana ara-panahy ihany koa ny hira ao amin’ny fihirana momba ny Mpamonjy, toy ny “Où pourrais-je chercher?” (Cantiques, no. 68).

  • Ny teny nambara ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia manome fahatakarana misimisy kokoa momba ny hoe nidina tambanin’ny zava-drehetra ny Mpamonjy. Mety hanana fomba iray ao an-tsaina ianao hanehoana fa ny hoe “ambanin’ny” zavatra mavesatra iray dia mahatonga antsika ho “mitoetra tsara indrindra mba hanandratra [izany].” Nanampy antsika tao amin’ny fitsapana mahazo antsika tamin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa ny Mpamonjy dia efa nidina tambanin’ny zava-drehetra?

    Sary
    I Jesoa eo amin’ny tany tao Getsemane

    I Jesoa Kristy dia mahazo an-tsaina tsara ny fijaliana mahazo antsika. Tsy ny sitrapoko, fa ny Anao, nataon’i Walter Rane

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Nidina tambanin’ny zavatra rehetra i Kristy.

Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “An-tapitrisany ny olona matahotra an’ Andriamanitra izay mivavaka amin’ Andriamanitra mba hanandratana azy ireo hiala amin’ny fahoriany. Ny Mpamonjintsika dia nanambara fa -nidina ho ambanin’ny zava-drehetra- Izy (F&F 88:6). Nampianatra ny Loholona Neal A. Maxwell hoe: -Rehefa “nidina ho ambanin’ny zava-drehetra” Izy, dia mahatakatra amin’ny antsakany sy andavany ary amin’ny fomba manokana ny fomba rehetra isan-karazany hijalian’ny olombelona- [Ensign, Nov. 1997, 23]. Mety hilaza mihitsy aza isika fa rehefa nidina ho ambanin’ny zava-drehetra Izy dia Izy Tenany no mitoetra tsara indrindra mba hanandratra antsika sy hanome ny tanjaka ilaintsika mba hahafahantsika maharitra fahoriana” (“Ankaherezin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” Liahona, nôv. 2015, 64).

Manatsara ny fampianarantsika

Araka ny fitaomam-panahy no niantsoana anao. Amin’ny maha mpampianatra anao dia voantson’ny Tompo ianao hitondra fitahiana ho an’ireo zanany. Tiany ianao hahomby, koa raha miaina mendrika ny ho ampiany ianao dia hanome ny fanambarana izay katsahinao Izy (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 5).

Hamoaka printy