Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
4–10 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111–114: “Harindrako ny zavatra rehetra ho tombontsoanareo”


“4–10 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111–114: -Harindrako ny zavatra rehetra ho tombontsoanareo-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“4–10 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111–114,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
I Joseph Smith nitory teny

4–10 ôktôbra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111–114

“Harindrako ny zavatra rehetra ho tombontsoanareo”

Eo am-pamakianao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111–14 dia diniho ireo fahamarinana ara-panahy izay tian’ny Tompo ho takatry ny olona ao amin’ny kilasinao. Ny Fanahy Masina dia hitarika anao hahafantatra hoe inona no fitsipika ifantohana.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Hevero ny hanao sarina vata mirakitra haren-tsarobidy ao anatiny eo amin’ny solaitrabe. Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe andininy avy ao amin’ny fizarana 111–14 izay nahitany zavatra heveriny ho “rakitsoa betsaka” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111:2). Angataho ny mpikambana vitsivitsy hizara izay heveriny ho sarobidy ao amin’ireo andininy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111

Ny Tompo dia afaka “[mandrindra] ny zavatra rehetra ho tombontsoan[tsika].”

  • Ny torohevitry ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111 dia afaka manampy ny olona ao amin’ny kilasinao rehefa sahiran-tsaina ny amin’ny olana ara-nofo sy ara-panahy izy ireo, tahaka ny nanampian’izany an’i Joseph Smith tamin’izy sahiran-tsaina ny amin’i Ziona. Azonao atao ny manomboka fifanakalozan-kevitra momba ity fizarana ity amin’ny fanasana ny olona ao amin’ny kilasy hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra izay manahiran-tsaina azy ireo na ny olona fantany. Miaraka amin’ireo olana ireo ao an-tsaina, dia azon’izy ireo karohana avy eo ny fizarana 111 mba hahitana torohevitra sy teny fankaherezana nomen’ny Tompo ho antsika. Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny mizara ny fomba nanampian’ny Mpamonjy azy ireo rehefa nametraka ny finoan’izy ireo Taminy izy ireo.

  • Mety efa niaina zavatra tahaka ny an’i Joseph ny olona ao amin’ny kilasinao—izay nahatsapany fa nankasitrahan’ny Tompo izy ireo na dia teo aza ny “hadalan[y]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111:1). Amin’ny fomba ahoana ny zavatra niainan’izy ireo no ohatra maneho ny fahamarinana ampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111? Ohatra, oviana izy ireo no nahatsapa fa ny Tompo dia “[mandrindra] ny zavatra rehetra ho tombontsoan[y]”? (andininy 11). Inona no ampianarin’ireo zavatra niainana ireo azy ireo momba ny Mpamonjy sy momba azy ireo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:3–15, 22

Hitarika ireo izay mikatsaka ny sitrapony amim-panetrentena ny Tompo.

  • Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hifanakalo hevitra momba izay ampianarin’ny fizarana 112 mikasika ny fanetrentena dia azo zaraina ho vondrona telo ny kilasy. Omeo ny vondrona tsirairay ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto mba ho saintsainina eo am-pijeren’izy ireo ny ao amin’ny andininy 3–15 ary 22: Inona no atao hoe fanetrentena? Ahoanao no ahafahantsika hanetry tena kokoa? Inona no fitahiana nampanantenaina ny mpanetry tena? Omeo fotoana ny olona ao amin’ny kilasy hizara ny valinteniny. Mety hahazo hevi-baovao fanampiny amin’ny alalan’ny famakiana ny teny nambaran’ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” na ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Ny fanetrentena” ao amin’ny Torio ny Filazantsarako (pejy 146) ireo vondrona. Nahoana ny fanetrentena no tena ilaina amin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo?

    Sary
    olona roa mivavaka

    Raha manetry tena isika dia hitarika antsika ny Tompo ary hamaly ny vavaka ataontsika.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:12–26

Ireo izay tena niova fo marina dia lasa mahafantatra an’i Jesoa Kristy.

  • Ny fivadihan’ny Apôstôly sasany tamin’ny Mpaminany tamin’ny 1837, izay zava-nisy marina, dia fampahatsiahivana tena tsara fa na inona na inona antso ananantsika, na, na manao ahoana na manao ahoana fahalalantsika momba ny filazantsara, dia tsy maintsy maka antoka manokana isika fa tena niova fo marina. Ny famakiana ny torohevitra nomen’ny Tompo an’i Thomas B. Marsh mba hanampy azy hampiray hina ny Kôlejin’ny Roambinifololahy dia afaka manome ny olona ao amin’ny kilasinao hevi-baovao mikasika ny tena dikan’ny hoe fiovam-po. Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao mihitsy ny mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:12–26 miaraka amin’ny olona ao amin’ny fianakaviany na namana iray—olona iray izay mety miatrika fitsapan’ny finoany. Fahamarinana inona ao amin’ireo andininy ireo no hoamafisin’ny olona ao amin’ny kilasy kokoa mba hanampiana izany olona izany hiova fo kokoa? Omeo fotoana ny olona ao amin’ny kilasy hisaintsaina momba ny zavatra azony atao mba hanamafisana ny fiovam-pony manokana amin’ny Tompo.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny fanetrentena, izay toetra iray tahaka ny an’i Kristy.

Nampianatra ny Loholona Quentin L. Cook hoe:

“Indrisy fa amin’izao androntsika izao saika ao amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiarahamonina dia ahitantsika ny fanindraindran-tena sy ny fanambonian-tena izay ieboeboana raha toa kosa ka voailikilika ny fanetrentena sy ny maha-tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra. Maro amin’ny fiarahamonina no tsy mahatakatra ireo fitsipika fototra ary tsy mahatakatra ny antom-pisiantsika eto an-tany. Ny fanetrentena marina, izay tena ilaina mba hahatratrarana ny tanjon’ny Tompo ho antsika, dia tsy dia fahita firy.

“Zava-dehibe ny mahatakatra ny halehibehin’ny fanetrentena, sy ny fahamarinana, ny toetra, ary ny faharanitantsainan’i Kristy araka izay aseho ao amin’ny soratra masina. Hadalana ny manao tsinontsinona ny antony ilana ny fiezahana tsy tapaka ny hanana ireo hatsarana sy toetra tahaka ny an’i Kristy ireo isan’andro, indrindra fa ny fanetrentena. …

“Tamin’ny 23 jolay 1837 ny Mpaminany Joseph Smith dia nihaona tamin’ny Loholona Thomas B. Marsh izay Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany. Araka ny re dia sorena ny Loholona Marsh ny amin’ny niantsoan’ny Mpaminany mpikambana roa tao amin’ny kôlejiny ho any Angletera kanefa tsy nila hevitra taminy. Rehefa nihaona tamin’ny Loholona Marsh i Joseph dia hadino daholo izay mety ho ratram-po, ary nahazo fanambarana mahatalanjona ny Mpaminany. Ny fizarana faha-112 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izany ankehitriny. Izy io dia manome antsika fitarihana mahatalanjona avy any an-danitra mahakasika ny fanetrentena sy ny asa fitoriana ny filazantsara.. Ny Andininy faha-10 dia mivaky toy izao: -Aoka ianao hanetry tena; ary ny Tompo Andriamanitra dia hitarika anao amin’ny tanana sy hanome anao ny valin’ny fivavakao- [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10; nampiana fanamafisana]” (“Ireo zavatra mahazatra any amin’ny mandrakizay,” Liahona, nôv. 2017, 51–52).

Manatsara ny fampianarantsika

Mifantoha amin’ny olona. “Ny fomba fandraisanao ny olona dia manan-danja tahaka ny zavatra ampianarinao azy ireo ihany koa. Indraindray mety hanakana antsika tsy haneho ny fitiavantsika an’ireo ampianarintsika ny fampibahanana ao an-tsaintsika ny hoe hizara lesona. … Mieritrereta fomba ahafahanao mifantoka amin’ny zavatra tena manan-danja” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 6).

Hamoaka printy