Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
11–17 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–120: “Ny fahafoizan-tenany dia ho masina kokoa Amiko noho ny fitomboany”


“11–17 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–120: -Ny fahafoizan-tenany dia ho masina kokoa Amiko noho ny fitomboany,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“11–17 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–120,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
Far West

Far West, nataon’i Al Rounds

11–17 ôktôbra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–120

“Ny fahafoizan-tenany dia ho masina kokoa Amiko noho ny fitomboany”

Rehefa miomana hampianatra ianao dia tsarovy fa ny tena tanjonao dia ny hanampy ny hafa hanorina finoana ao amin’i Jesoa Kristy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mialoha ny hiresahanao momba ireo fitsipika izay nanan-danja taminao ao amin’ny fizarana 115–120 dia asao ireo olona ao amin’ny kilasy hizara ny zavatra nanan-danja tamin’izy ireo. Ohatra, afaka manasa ireo mpianatra ianao hameno ity fehezan-teny ity: “Feno fankasitrahana aho namaky ny fizarana 115–120 satria …”

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:4–6

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia fiarovana sy fialofana.

  • Azon’ireo mpianatra atao ny mikaroka hevi-baovao ao amin’ny hafatra nomen’ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Ny anarana marin’ny Fiangonana” (Liahona, nôv. 2018, 87–90) izay afaka hanampy azy ireo hahatakatra ny andininy 4–6. Nahoana no zava-dehibe ny fampiasana ny anarana marin’ny Fiangonana?

  • Aorian’ny fiarahana mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115: 4–6, dia afaka mifanakalo hevitra mikasika ny fomba hitovizan’ny Fiangonana sy ireo mpikambana ao anatiny amin’ny hazavana sy faneva ny olona ao amin’ny kilasy. Afaka mampiseho sary maneho tilikambo fanilon-tsambo iray ao anaty tafio-drivotra ianao ary afaka manontany ireo mpianatra ny hifandraisan’izany amin’ny hafatra ao amin’ny andininy 5–6. Amin’ny fomba ahoana no maha “fialofana amin’ny tafio-drivotra” ny fivondronana ao “Ziona sy … ny tsatòkany” ?(andininy 6).

    Sary
    tilikambo fanilon-tsambo

    Afaka ny hamiratra toy ny hazavana isika mba hanampiana ny hafa hahita fialofana ao amin’ny Fiangonana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117

Masina amin’ny Tompo ny fahafoizan-tenantsika.

  • Asao ireo mpianatra hieritreritra ny tenany ho Newel K. Whitney na i Elizabeth vadiny izay nanana fivarotana nahomby tao Kirtland kanefa dia nangatahin’ny Tompo izy ireo handao ny fananany ary hifindra monina tao Missouri. Avy eo dia afaka mamaky ny andininy 1–11 izy ireo ary mizara zavatra iray nolazain’ny Tompo fa afaka hanampy azy ireo hanao izany fahafoizan-tena izany.

  • Ireo fitaovana hisarihana ny maso dia mety hanampy ireo olona ao amin’ny kilasy handinika ilay “piti-drano” izay tsiriritintsika indrindray toy izay ireo “vetin-javatra” (andininy 8). Azonao atao ny mampiseho zavatra toy ny piti-drano iray sy tavoahangy misy rano iray na koa singana sôkôla iray sy baran-tsokola iray. Mety afaka mieritreritra ohatra hafa ny olona ao amin’ny kilasy. Azonao atao koa ny manoratra piti-drano sy vetin-javatra eo amin’ny solaitrabe ary mangataka ireo mpianatra hanao lisitry ny zavatra izay mety ho ilaintsika ny “mamela azy … handeha” (andininy 5) mba handraisantsika ny “be dia be” avy amin’ Andriamanitra (andininy 7).

  • Raha nisy tamin’ireo mpianatra nahatsapa zavatra teo am-pamakiana ny tenin’ny Tompo momba an’i Oliver Granger ao amin’ny andininy 12–15 dia asao izy ireo hizara izany. Nahoana no masina kokoa amin’ny Tompo ny fahafoizan-tenantsika noho ny fitomboantsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119–20

Rehefa mandoa ny fahafolonkarenantsika isika dia manampy amin’ny fanorenana sy “manamasina ny tanin’i Ziona.”

  • Eritrereto ny tanjaka ara-panahy izay hisy avy amin’ny fifampizaran’ireo mpianatra ireo fitahiana noraisin’izy ireo tamin’ny fankatoavana ny lalàn’ny fahafolonkarena. Afaka mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119:6 ihany koa izy ireo ary mifanakalo hevitra mikasika ny fomba ahafahan’ity lalàna ity “manamasina ny tanin’i Ziona” ary mba hahafan’ny paroasintsika sy ny sampantsika ho “tanin’i Ziona ho [antsika].” Azon’izy ireo vakiana ihany koa ny Malakia 3:8–12 mba hamantarana ireo fitahiana ampanantenain’ny Tompo avy amin’ny fandoavana fahafolonkarena.

  • Raha toa ka manana fanontaniana momba ny fampiasana ny fahafolonkarena ireo mpianatra dia azonao atao ny manasa azy ireo hamaky ny fizarana 120 sy ny fanazavana ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny.” (Ny Loholona David A. Bednar koa dia nanome famaritana afaka manampy ao amin’ “Ny varavaran’ny lanitra” [Liahona, nôv. 2013, 19–20].) Ahoana no ahafahantsika manampy ny hafa ampitombo ny finoany ny lalàn’ny fahafolonkarenan’ny Tompo?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny Filankevitra misahana ny fampiasana ny fahafolonkarena

Hoy ny Loholona Robert D. Hales hoe:

“Araka ny nambaran’ny Tompo, ny fampiasana ny fahafolonkarena dia faritan’ny filankevitra iray ahitana ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ny Episkôpà Mpiahy. Nilaza mazava tsara ny Tompo fa ny asan’ilay filankevitra dia tarihina -amin’ny alalan’ny feoko ho azy ireo- [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 120:1]. Io filankevitra io dia antsoina hoe Filankevitra misahana ny fampiasana ny fahafolonkarena.

“Tena mahazendana ny manatrika an’io filankevitra io mihaino ny feon’ny Tompo. Samy mahafantatra avokoa ny mpikambana tsirairay sady mandray anjara amin’ny fanapahan-kevitra rehetra raisin’ilay filankevitra. Tsy misy fanapahan-kevitra atao raha tsy efa miray feo ilay filankevitra. Ny volan’ny fahafolonkarena rehetra dia laniana amin’ny tanjon’ny Fiangonana avokoa, ka anisan’izany ny fifanampiana—ny fikarakarana ireo mahantra sy sahirana—ny tempoly, ny fanorenana sy ny fikolokoloana an’ireo trano fivoriana, ny fianarana ary ny boky—raha afohezina dia hoe ny asan’ny Tompo. …

“… Mijoro ho vavolombelona ny amin’io Filankevitra misahana ny fampiasana ny fahafolonkarena io aho. Efa nipetraka tao amin’io filankevitra io aho nandritra ny 17 taona tamin’ny maha-Eveka Mpiahy an’ny Fiangonana ahy ary izao amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ahy. Tsy misy toe-javatra maningana fa nampiasaina ho an’ireo tanjony ireo volan’ny fahafolonkarena ao amin’ity Fiangonana ity” (“Tithing: A Test of Faith with Eternal Blessings,” Ensign or Liahona,, nôv. 2002, 28).

Manatsara ny fampianarantsika

Asao ny mpianatra mba hifampianatra. “Mety tsara ny manasa ireo mpianatra mba hifanampy amin’ny fitadiavana ny valin’ny fanontaniana ananan’izy ireo. Rehefa atosiky ny Fanahy ianao dia afaka manapa-kevitra ny hanao izany na dia tsapanao aza fa fantatrao ny valiny.” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 24).

Hamoaka printy