Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
25–31 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124–125: “Trano ho an’ny anarako”


“25–31 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124–125: -Trano ho an’ny anarako-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“25–31 ôktôbra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124–125,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
Nauvoo.

Nauvoo ilay kanto, nataon’i Larry Winborg

25–31 ôktôbra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124–125

“Trano ho an’ny anarako”

Mba hahafahan’ny Fanahy mampahatsiahy antsika fitsipika rehefa mampianatra isika (jereo ny Jaona 14:26) dia tsy maintsy mandalina sy misaintsaina izany fitsipika izany amim-pahazotoana aloha isika.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Hevero ny hanasa olona ao amin’ny kilasy hizara ny zavatra izay hitany tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124–25 ka nahatonga azy handray ny fitsipiky ny filazantsara iray amin’ny fomba fijery vaovao. Namaky inona izy, na samirery izany na niaraka tamin’ny fianakaviany, ka nanova ny fomba fahatsapany, fieritreretany, na fampiharany ny zavatra iray?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:15, 20

Ny Tompo dia mifaly amin’ny hitsim-po.

  • Ao amin’ny fizarana 124, ny Tompo dia midera an’i Hyrum Smith sy George Miller noho ny hitsim-pon’izy ireo. Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy handalina lalindalina kokoa momba an’io toetra io dia azonao asaina izy ireo hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:15, 20 ary hisaintsaina momba ny hitsim-po ao amin’ireo andininy ireo. Inona ihany koa no ianarantsika avy amin’ny hafatry ny Loholona Richard J. Maynes manao hoe “Fahazoana ny fitokian’ny Tompo sy ny fianakavianao”? (Liahona, nôv. 2017, 75–77). Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao mihitsy ny mizara ohatra ana olona izay fantany fa mahitsy ny fony. Nahoana ny hitsim-po no toetra tena tsara?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:22–24, 60–61

Ny Tompo dia maniry ny handraisantsika tsara ny hafa ary ny tsy hanilihantsika azy ireo.

  • Ny olona ao amin’ny kilasinao dia mety hianatra zavatra avy amin’ny famariparitan’ny Tompo ny Tranon’i Nauvoo izay afaka manampy azy ireo ao amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ireo olona izay tsy Olomasin’ny Andro Farany na niala tamin’ny Fiangonana. Afaka manao sarina trano eny amin’ny solaitrabe ianao ary manasa ny olona ao amin’ny kilasy hikaroka ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:22–24, 60–61 ny teny ampiasain’ny Tompo mba hamariparitana ny tanjon’ny Tranon’i Nauvoo. Azon’izy ireo soratana manodidina ilay trano ireo teny avy eo. Ahoana no mety azo ampiharana ireo teny ireo amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy? Inona no azontsika atao mba hampisy izany kolontsaina tia mandray izany ao amin’ny paroasy sy ao amin’ny tokantranontsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:25–45, 55

Mandidy antsika hanorina tempoly ny Tompo mba hahafahantsika mandray ôrdônansy masina.

  • Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny maka sary an-tsaina fa monina ao Nauvoo tamin’ny 1941 izy ka miasa amin’ny fanorenana ny Tempolin’i Nauvoo. Dia manontany azy ireo ny namany iray hoe: “Nahoana ianareo no manohy manangana an’itony tempoly itony foana e?” Inona no ho lazainao amin’io namanao io? Afaka mitady hevitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:28–30, 37–42, 55 ny olona ao amin’ny kilasy. Raha tsy dia mahafantatra loatra ireo ôrdônansy voalaza ao amin’ireo andininy ireo ny olona ao amin’ny kilasy dia hevero ny hilazalaza momba ny tanjona sy fitahiana avy amin’ireo ôrdônansy ireo. Jereo ny temples.ChurchofJesusChrist.org mba hahazoana fitarihana ny amin’izay zavatra azo resadresahana ivelan’ny tempoly ary sarin’ny tempoly azonao aseho ao an-dakilasy.

    Sary
    I Joseph Smith miaraka amin’ny lehilahy manangana ny Tempolin’i Nauvoo

    I Joseph Smith tao amin’ny Tempolin’i Nauvoo, nataon’i Gary E. Smith

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:45–55

Ny Tompo dia hitahy ireo izay miezaka mankatò ny didiny.

  • Nodidiana hanangana tempoly tao amin’ny Fivondronan’i Jackson ny Olomasina saingy “nosakanan’ny fahavalony” izy ireo (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:51). Ao amin’ny andininy 49–55 dia miresaka momba izany toe-javatra izany ny Tompo; ahitana hafatra mifono fanomezan-toky ho an’ny olona izay te hankatò ny didin’ Andriamanitra nefa tsy afaka manao izany noho ny fianakaviany na toe-javatra hafa izany. Azonao vakiana miaraka amin’ny olona ao amin’ny kilasy ireo andininy ireo ary asaivo mieritreritra toe-javatra izay mety tsy hahafahan’ny olona manatontosa ny faniriany feno fahamarinana noho ny toe-javatra izay tsy voafehiny izy ireo. Inona no torohevitra hitantsika ao amin’ireo andininy ireo izay afaka manampy ny olona iray ao amin’izany toe-javatra izany? Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba ny fankatoavana?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:91–92

Afaka mitarika antsika amin’ny alalan’ny tsodranon’ny patriarika ny Tompo.

  • Mety hahazo tombontsoa avy amin’ny firesadresahana momba ny patriarika sy ny tsodranon’ny patriarika ve ny olona ao amin’ny kilasinao? Azonao atomboka izany amin’ny fanasana ny olona ao amin’ny kilasy hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:91–92 hitadiavana ny hoe nantsoina hanao inona i Hyrum Smith. Soraty eo amin’ny solaitrabe avy eo ny hoe Inona ary Nahoana, dia asao ny olona ao amin’ny kilasy hamaky ny “Tsodranon’ny patriarika” (Miorim-paka ao amin’ny finoana, 111–13) mba hianarana momba ny tsodranon’ny patriarika sy ny antony maha-sarobidy azy ireny. Ahoana no ahafahan’ny olona iray miomana handray tsodranon’ny patriarika? Hevero ny hanasa olona vitsivitsy izay efa nandray ny tsodranon’ny patriarika hizara ny antony ankasitrahany an’ilay izy. (Ampahatsiahivo izy ireo tsy hizara zavatra izay mahakasika loatra ny tenany manokana na zavatra masina loatra ao amin’ny tsodranony.) Ahoana no ahafahantsika maneho fa sarobidy amintsika ny tsodranon’ny patriarika antsika?

Manatsara ny fampianarantsika

Mivavaha ho an’ny mpianatrareo. Mivavaha ho an’ireo izay ampianarinao ka tonony ny anarany. Afaka mivavaka ianao mba hahatakarana ny zavatra ilain’izy ireo ary hahafantarana ny zavatra tokony ampianarina mba hitondrana ireo zavatra ilaina. Afaka mangataka amin’ny Ray any An-danitra ihany koa ianao mba “hanomana ny fony” (Almà 16:16) amin’ny fandraisana ireo fahamarinana hampianarinao. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 6.)

Hamoaka printy