Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
1–7 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125–128: “Ny feon’ny fifaliana ho an’ny velona sy ny maty”


“1–7 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125–128: -Ny feon’ny fifaliana ho an’ny velona sy ny maty,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“1–7 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125–128,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
fianakaviana tafaraka amin’ny razambeny ao amin’ny tontolon’ny fanahy

Isika tafaraka amin’izy ireo ary izy ireo tafaraka amintsika, nataon’i Caitlin Connolly

1–7 nôvambra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125–128

“Ny feon’ny fifaliana ho an’ny velona sy ny maty”

Saintsaino ireto teny nolazain’ny Loholona Ulisses Soares ireto: “Ny olona maneho ohatra tsara no mpampianatra tsara indrindra. Ny fampianarana zavatra izay tena iainantsika dia afaka miantefa lalina ao am-pon’ireo izay ampianarintsika.” (“Ahoana no ahafahako mahatakatra?Liahona, mey 2019, 7).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny manoratra eo amin’ny solaitrabe ny zavatra izay manaitra azy ireo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125–128. Avelao izy ireo hizara ny eritreriny momba ireo andian-teny ireo. Ahoana no ahafahan’ny fandalinana ireo fahamarinana ireo hisy fiantraikany eo amin’ny zavatra ho ataon’izy ireo amin’ity herinandro ity?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126

“Karakarao amin’ny fomba miavaka ny fianakavianao.“

  • Ireo antso noraisin’i Brigham Young hanompo ao amin’ny Fiangonana dia nitaky azy sy ny fianakaviany hanao fahafoizan-tena goavana; ny teny nolazain’ny Tompo an’i Brigham ao amin’ny fizarana 126 dia afaka ny ho aingam-panahy mitarika fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy momba ny antony angatahan’ny Tompo antsika indraindray mba hanao fahafoizan-tena eo amin’ny asa fanompoana ataontsika. Ahoana no nanampian’ny Tompo antsika hanantanteraka ny andraikitsika ao an-tokantrano sy amin’ny antso ao am-piangonana ary amin’ny lafiny hafa eo amin’ny fiainana?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:2–4

Afaka miantehitra amin’ny Tompo isika mandritra ireo fotoan-tsarotra.

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:2–4 an’ireo olona ao amin’ny kilasy izay mahatsapa tahaka an’i Joseph Smith ho milomano ao anaty “rano lalina“? Azonao asaina ireo olona ao amin’ny kilasy hamaky ireo andininy ireo ary hizara ny fomba hamintinany ny toe-tsaina nananan’i Joseph iatrehana ireo fanamby ireo. Inona amin’ireo andian-teny ao anatin’ireo andininy ireo no afaka hanampy ny olona iray izay mitolona mafy? Amin’ny fomba ahoana no nianteheran’i Joseph tamin’ny Tompo nandritra ny fitsapany? Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehony?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128

Tena ilaina ho an’ny famonjena antsika ny famonjena ireo razambentsika efa maty.

  • Diniho ny fomba ahafahanao mitarika ireo olona ao amin’ny kilasy handray anjara amin’ny asan’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:15–18 dia afaka hanampy azy ireo hahatsapa ny maha maika an’ity asa ity. Azonao atao ny manasa azy ireo hikaroka ao anatin’ireo andininy ireo zavatra iray izay mampitombo ny fanirian’izy ireo hanao batisa ho an’ireo razambeny efa maty. Ny fanontaniana toy ireto dia afaka hanampy azy ireo amin’ny fisaintsainana ireto andininy ireto: Nahoana isika no “tsy hatao tanteraka raha tsy eo ny maty eo amintsika”? (andniny 15). Nahoana no antsoin’i Joseph Smith hoe ilay “lohahevitra faran’izay be voninahitra amin’ny rehetra izay an’ny filazantsara maharitra mandrakizay” ny batisa ho an’ny maty? (andininy 17; jereo koa ny teny nindramina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Amin’ny fomba ahoana no maha voan’ny ozona ny tany raha tsy misy “ny fifamatorana … mampifamatotra ny ray sy ny zanaka”? (andininy18) Raha mila fanampiana ireo olona ao amin’ny kilasy amin’ny fanombohana ny fanaovana ny tantaram-pianakaviana dia afaka manasa ny mpitarika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasy ianao hampahafantatra azy ireo ny FamilySearch.org.

    Azonao atao koa ny mitaona azy ireo amin’ny alalan’ireo andininy izay maneho ny fifaliana azo avy amin’ny asan’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana toy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:19–23.. Azon’ny olona ao amin’ny kilasy vakiana ireo andininy ireo mba hitadiavana andian-teny izay maneho ny zavatra tsapan’i Joseph Smith momba ny famonjena ny maty. Avy eo ianao dia afaka mangataka azy ireo hizara zavatra niainana izay nananany fahatsapana mitovy amin’izany momba ity asa ity. Afaka mamporisika azy ireo koa ny fijerena ireo horonan-tsary ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

  • Satria zavatra mampiavaka Ny Fiangonan’i Jesoa Krisy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny famonjena ny maty dia mety hanana fahafahana hanazava ity fotopampianarana ity amin’ireo olona izay tsy mbola nahare momba izany mihitsy hatramin’izay isika. Azon’ireo olona ao amin’ny kilasy atao ny mikaroka ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128 ny zavatra iray azony zaraina ao anatin’ny resadresaka amin’olona iray izay manana fanontaniana mikasika ny batisa ho an’ny maty. Inona no ampianarin’izany fotopampianarana izany amintsika mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Avelao ireo mpianatra hamerimberina ny zavatra mety holazain’izy ireo.

    Sary
    zatovolahy miaraka amin’ny karatra misy anaram-pianakaviana

    Mamehy ny fontsika amin’ireo razambentsika efa maty ny fanaovana asa fanompoana ao amin’ny tempoly ho azy ireo.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Horonan-tsary momba ny asa fanaovana tantaram-pianakaviana (jereo ny ChurchofJesusChrist.org).

“I Couldn’t Explain the Feeling”

“If We Put God First”

“Redeeming the Dead Redeemed Me”

“A Visit from Father”

“Connected to Eternal Families”

“Gatherers in the Kingdom”

“Including Me”

“Is Anything Too Hard for the Lord?”

“A Glorious and Wonderful Provision.”

Hoy ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe:

“Ny Sorompanavotan’i Jesoa ho an’ny rehetra dia maneho sorona lehibe isoloany toerana ho antsika. Nametraka fakan-tahaka Izy rehefa nisolo toerana ny olombelona rehetra. Izany fakan-tahaka izany izay ahafahan’ny olona iray manao zavatra ho an’ny olona iray hafa dia hoentina ao anatin’ireo ôrdônansin’ny tranon’ny Tompo. Any isika dia manompo ho an’ireo izay maty tsy nanana fahalalana momba ny filazantsara. Afaka misafidy ny hanaiky na handà ilay ôrdônansy izay notanterahina izy ireo. Apetraka amina toerana mitovy amin’ireo izay mandia ny tany izy ireo. Nomena fahafahana mitovy amin’ny velona ireo maty. “Averiko indray, fanomezana mahafinaritra sy feno voninahitra no nomen’ilay Mahery Indrindra tamin’ny alalan’ny fanambarana nomen’ny Mpaminaniny” (“The Great Things Which God Has Revealed,” Ensign or Liahona, May 2005, 82–83).

Manatsara ny fampianarantsika

Mivavaha ho an’ny mpianatrareo. Mivavaha ho an’ireo izay ampianarinao ka tonony ny anaran’izy ireo, ary katsaho ny hahatakatra ny filàny manokana. Rehefa manao izany ianao dia afaka manampy anao ny Ray any An-danitra hahafantatra ny zavatra tokony ho ampianarinao mba hanampiana azy ireo amin’ireo filàny ireo. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 6.)

Hamoaka printy