Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
8–14 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–132: “Rehefa mahazo fitahiana avy amin’ Andriamanitra isika, izany dia noho ny fankatoavana”


“8–14 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–132: -Rehefa mahazo fitahiana avy amin’ Andriamanitra isika, izany dia noho ny fankatoavana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“8–14 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–132,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

I Joseph Smith mampianatra any Nauvoo

I Joseph Smith any Nauvoo, 1840, nataon’i Theodore Gorka

8–14 nôvambra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–132

”Rehefa mahazo fitahiana avy amin’Andriamanitra isika, izany dia noho ny fankatoavana”

Na manan-danja aza ny manana drafitra ho an’ny fampianarana dia manan-danja ihany koa ny mifantoka amin’ny Fanahy sy ny filàn’ireo mpianatra. Fantaro ireo fitsipika ao amin’ny fizarana 129–32 izay manan-danja amin’ireo mpianatra.

Raketo ireo zavatra tsapanao

sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mety nianatra zavatra avy tamin’ny fandalinany ny fizarana 129–32 ireo olona ao amin’ny kilasy, ka izany dia mifandray amin’ny lohahevitra samihafa ao amin’ny filazantsara. Mba hanomezana fahafahana ho azy ireo hizara ny zavatra nianarany dia azonao atao ny manoratra ny sasantsasany amin’ireo lohahevitra ireo eo amin’ny solaitrabe toy ny hoe anjely, fisandratana, fankatoavana, ny toetran’ Andriamanitra ary fanambadiana mandrakizay (azonao atao koa ny manoratra hafa eo amin’ny solaitrabe mba hilazana ireo lohahevitra fanampiny). Afaka maka minitra vitsy ireo olona ao amin’ny kilasy hitadiavana andininy iray ao anatin’ireo fizarana ireo izay mifandray amin’ny iray amin’ireo lohahevitra ary manoratra ny toko sy andinin’izany eo amin’ny solaitrabe. Avy eo dia afaka mamaky ireo andininy ny iray kilasy ary miresaka momba ny zavatra ampianarin’ny andininy tsirairay momba an’io lohahevitra io.

sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:2, 18–23; 131:1–4; 132:20–25

Ity fiainana ity dia natao hanomanana antsika amin’ny fisandratana.

  • Betsaka ireo zavatra tsy fantatsika momba ny fisandratana na ny fiainana ao amin’ny fanjakana selestialy, ny ankamaroan’izany dia mety ho mihoatra lavitra noho ny fahafahantsika mahatakatra amin’izao fotoana izao. Kanefa dia nanambara fampahalalana sarobidy vitsivitsy Andriamanitra, ary ny betsaka amin’izy ireo dia hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130–32. Azon’ireo olona ao amin’ny kilasy atao ny mandalina ny iray na maro amin’ireo toko sy andininy voatanisa etsy ambony ary mizara izay hevi-baovao hitany momba ny fisandratana na ny fanjakana selestialy. Nahoana no mitahy ny fiainantsika ankehitriny izany fahalalana momba ny fiainana mandrakizay izany?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:20–21; 132:5

Ny fitahiana dia vokatry ny fankatoavantsika an’ Andriamanitra.

  • Fitsipika mitovy no ampianarin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:20–21 sy 132:5. Entano ireo olona ao amin’ny kilasy hamaky ireo andian-tsoratra masina roa ireo ary hilaza amin’ny tenin’izy ireo manokana hoe inona ilay fitsipika. Tamin’ny fomba ahoana no naha tanteraka an’io fitsipika io teo amin’ny fiainantsika? Ahoana no ahitantsika fanantenana sy fanomezan-toky ao amin’i Kristy rehefa mankatò isika kanefa ireo fitahiana andrasantsika dia tsy tonga eo no ho eo? Raha te ahafantatra misimisy kokoa momba ity lohahevitra ity ianareo dia afaka miara-mamerina mamaky ny hevi-baovao ao anatin’ny hafatra nomen’ny Loholona Dale G. Renlund hoe “Be fitahiana” (Liahona, mey 2019, 70–73).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4; 132:3–25

Manome fahafahana ho an’ny fianakaviana ho mandrakizay ny Ray any An-danitra.

  • Inona no mety holazainao amin’ny namana iray izay manontany hoe: “Nahoana no tena zava-dehibe tokoa ao amin’ny fiangonanareo ny fanambadiana sy ny fianakaviana?” Afaka mieritreritra ny fomba hamaliana izany fanontaniana izany ireo mpianatra eo am-pamakiana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4; 132:3–25; na ny tenin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny ”Loharanom-pitaovana fanampiny.” Inona no fiantraikan’ireo fahamarinana ireo amin’ny fomba fiainantsika?

    lehilahy iray sy vehivavy iray eo ivelan’ny Tempolin’i Accra Ghana

    Afaka ny ho mandrakizay ny fifandraisana eo amin’ny fianakaviana amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny tempoly.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1–2, 29–40

Ny fanambadiana maro dia tsy eken’Andriamanitra raha tsy Izy no mandidy ny hanaovana izany.

  • Raha manana fanontaniana mikasika ny fanambadiana maro ireo olona ao amin’ny kilasy dia ampio izy ireo ahita fa nanana fanontaniana ihany koa i Joseph Smith sy ireo Olomasina hafa tany am-boalohany. Entano izy ireo hitady ilay fanontaniana napetrak’i Joseph tamin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1 sy ilay valiny noraisiny ao amin’ny andininy 29–40 (jereo koa ny Jakôba 2: 27, 30). Mba hanampiana ireo olona ao amin’ny kilasy hianatra mikasika ireo fomba ahafahana mahita ny valin’ny fanontanian’izy ireo mikasika ny filazantsara, dia mety hanampy ny fiarahana mandinika ny “Answering Gospel Questions” ao amin’ny topics.ChurcofJesusChrist.org. Angamba afaka mizara ny fomba nikatsahan’izy ireo valim-panontaniana amin’ny fanontaniana momba ny filazantsara ananan’izy ireo ireo mpianatra, sy ny fomba hitoeran’izy ireo ho mahatoky hatrany na dia tsy misy valiny aza ny fanontanian’izy ireo sasany.

sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny fianakaviana no “lamina araka ny lanitra.”

Nampianatra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe:

“Feno fankasitrahana aho fa mpikambana ao amina fiangonana izay manome lanja ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia fantatra maneran-tany amin’ny fananany ireo fanambadiana sy fianakaviana izay isan’ny tsara indrindra mety ho hita. Mino aho fa isan’ny anton’izany ny fahamarinana sarobidy naverin’i Joseph Smith tamin’ny laoniny fa ny fanambadiana sy ny fianakaviana dia natao haharitra mandrakizay. Tsy natao hanamorana ny fizotran-javatra eto an-tany fotsiny ny fianakaviana, ka tsy ilaina intsony rehefa mankany an-danitra. Raha ny marina dia izy ireo no lamin’ny lanitra. Izy ireo dia tandindon’ny lamina selestialy sy fakana tahaka ny fianakaviana mandrakizain’ Andriamanitra.

“Saingy ny fifandraisana matanjaka misy eo amin’ny fanambadiana sy ny fianakaviana dia tsy tongatonga ho azy amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika fotsiny ihany. Mitaky ezaka tsy tapaka sy an-tsitrapo izany. Ny fotopampianaran’ny fianakaviana mandrakizay dia tokony hitarika antsika hanokana ny ezaka tsara indrindra vitantsika ho fitehirizana sy ho fanatsarantsika ny fanambadiantsika sy ny fianakaviantsika”(“Ho fiderana ireo izay manavotra,” Liahona, mey 2016, 77).

Manatsara ny fampianarantsika

Mamorona tontolo hahatsapana ny Fanahy. “Amporisiho [ny olona ao amin’ny kilasy] hanampy anao hanorina tontolo feno fahalalahana sy fitiavana ary fanajana mba hahafahan’ny olona tsirairay mahatsapa fahatokiana rehefa mizara ny zavatra niainany sy mametraka ny fanontaniany ary mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,15).