Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
15–21 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133–134: “Koa miomàna ho amin’ny fiavian’ny Mpampakatra ianareo”


“15–21 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133–134: -Koa miomàna ho amin’ny fiavian’ny Mpampakatra ianareo-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“15–21 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133–134,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
virijiny dimy hendry

Hoavy ny Mpampakatra, nataon’i Elizabeth Gibbons

15–21 nôvambra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133–134

“Koa miomàna ho amin’ny fiavian’ny Mpampakatra ianareo”

Inona no fahamarinana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133–34 tsapanao fa hanampy ny olona ao amin’ny kilasinao indrindra? Diniho ombam-bavaka ireo zavatra ilain’izy ireo eo am-pandalinanao mandritra ity herinandro ity.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe Mihainoa dia azonao asaina ny olona ao amin’ny kilasy hanoratra eo akaikin’izany andininy avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133–34 izay inoany fa ilaintsika henoina amin’izao andro izao. Angataho izy ireo hizara ny eritreriny momba ireo andininy ireo. (Ampio ny olona ao amin’ny kilasy hifantoka amina fitsipika ara-potopampianarana fa tsy amina fijery ara-pôlitika.)

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:1–19; 37–39

Ny Tompo dia maniry ny hiomanantsika amin’ny Fiaviany fanindroany.

  • Ahoana no hanampianao ny kilasinao hahatakatra ny antony maha-manan-danja ny fanamasinana ny tenantsika mba hahafahantsika manampy ny hafa hiomana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany? Azonao asaina ny olona ao amin’ny kilasy hanao famerenana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:1–19, 37–39 ary hanangana lisitra anankiroa: lisitry ny torohevitry ny Tompo momba ny fomba hanamasinantsika ny tenantsika ary lisitra iray hafa ahitana torohevitra momba ny fanomanana izao tontolo izao amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy. Midika inona amin’ny heviny ara-panahy ny hoe: “Mandehana … miala an’i Babylona” (andininy 5) sy ny hoe “handositra ho any Ziona”? (andininy 12). Raha te hahafantatra misimisy kokoa momba ny dikan’ny hoe fanamasinana dia jereo ny “Fanamasinana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:19–53

Ny Fiaviana fanindroany dia ho fifaliana ho an’ireo olo-marina.

  • Nandritra ny fandalinany ny soratra masina tany an-tranony dia mety nahita andalan-tsoratra masina manan-danja tao amin’io fizarana io ny olona ao amin’ny kilasinao, ka nahatonga azy ireo hiandrandra ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany. Asao izy ireo hizara izany andalan-tsoratra masina izany. Azonao asaina koa izy ireo hikaroka tsiroaroa ao amin’ny andininy 19–53, mba hitadiavana ny antony iandrandrana ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany. Rehefa mizara izay hitany ny olona ao amin’ny kilasy dia amporisiho izy ireo hiresaka momba ny “nanavotan[’ny Mpamonjy] azy ireo sy nitondrany azy ireo ary nivimbinany azy” (andininy 53). Izany dia mety ho fahafahana tena tsara hiarahana mihira ny hira iray ao amin’ny fihirana momba ny hery manavotry ny Mpamonjy, toy ny “Jésus-Christ, Sauveur du monde” (Cantiques, no. 55). “Hiran’ny fifaliana maharitra mandrakizay” (andininy 33) hafa inona koa no manampy antsika hahatsapa ny “halemem-panahy sy ny fitiavan’ny Tompo[ntsika]”? (andininy 52).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134

“Natsangan’ Andriamanitra ny governemanta mba ho tombontsoan’ny olombelona.”

  • Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hianatra avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134 dia azonao atsofoka ao anaty fitoeran-javatra na eny amin’ny solaitrabe ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto: Amin’ny fomba ahoana no hanirian’ Andriamanitra ny fitondram-panjakana mba ho tombontsoan’ireo zanany? Inona no tokony ataontsika raha mifanohitra amin’ny lalàn’ny lanitra ny lalàna ety an-tany? Inona no adidy sy andraikitsika amin’ny maha olom-pirenena antsika? Asao ny olona ao amin’ny kilasy hisafidy fanontaniana iray ary hampiasa ny fizarana 134 mba hanomezana valiny. Amporisiho ny olona ao amin’ny kilasy hisoroka ny firesahana momba ny olana na fijery ara-pôlitika voafaritra.

  • Ny fahalalahana “hanompo, na manao ahoana na manao ahoana, na aiza na aiza, ary na inona na inona sitra[tsika]” (Fanekem-pinoana 1:11) dia tombotsoa irian’ny Tompo ananan’ny olona rehetra. Raha toa ka mahatsapa ianao fa hahasoa ny kilasy ny miresaka momba ny fitsipiky ny fahalalahana ara-pivavahana dia azonareo vakiana miaraka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:4, 7, 9. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba ny anjara asan’ny fitondram-panjakana amin’ny fiarovana ny fahalalahana ara-pivavahana? Ahoana no ahafahantsika miaro ny fahalalahana ara-pivavahana ho an’ny hafa sy ho an’ny tenantsika? Mety hahita hevi-baovao ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” mba hamaliana an’io fanontaniana io ny olona ao amin’ny kilasy.”

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ireo vato ifaharan’ny zom-pahafahana misafidy ny finoana.

Nampianatra ny Loholona Robert D. Hales hoe:

“Misy vato efatra ifaharan’ny zom-pahafahana misafidy ny finoana izay tsy maintsy ianteherantsika sy arovantsika amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika.

“Voalohany ny zom-pahafahana mino. Tsy misy na iza na iza azo tsikeraina na azo henjehin’ny olona na ny governemanta noho ny zavatra inoany mikasika an’ Andriamanitra. …

“Ny vato faharoa ifaharan’ny zom-pahafahana misafidy ny finoana dia ny fahafahana mizara ny finoantsika amin’ny hafa. … Miantehitra amin’ny zom-pahafahana misafidy ny finoana isika amin’ny maha-ray aman-dreny, misiônera manompo amin’ny fotoana feno ary mpikambana manao asa fitoriana antsika mba hampianarana ny fotopampianaran’ny Tompo ao amin’ny fianakaviantsika sy manerana an’izao tontolo izao.

“Ny vato fahatelo ifaharan’ny zom-pahafahana misafidy ny finoana dia ny fahafahana manorina antokom-pinoana, fiangonana, mba hitsaohana amim-pilaminana miaraka amin’ny hafa. Manambara izao ny fanekem-pinoana faha iraika ambin’ny folo: -Isika dia mitaky ny zo hanompo an’ Andriamanitra Tsitoha araka ny baikon’ny fieritreretantsika ary miaiky fa manana izany zo izany ny olon-drehetra, ka aoka izy hanompo, na manao ahoana na manao ahoana, na aiza na aiza, ary na inona na inona sitrany.- …

“Ny vato fahaefatra ifaharan’ny zom-pahafahana misafidy ny finoana dia ny fahafahana miaina ny finoantsika—fampiharana malalaka ny finoantsika izay tsy any an-trano fotsiny na any am-piangonana fa any amin’ireo toerana ifaneraseran’ny besinimaro” (“Miaro ny fahafahana misafidy, miaro ny zom-pahafahana misafidy ny finoana,” Liahona, mey 2015, 112).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampianaro ny “antony.” “Kanefa raha takatr[y ny olona ao amin’ny kilasy] ny drafitra mandrakizain’ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambaran’ireo zanany, dia ho lasa mazava kokoa ny antony ilana ireo fitsipiky ny filazantsara sy ireo didy ary hitombo ny faharisihana hankatò” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 20).

Hamoaka printy