Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
22–28 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135–136: “Namehy ny asa nanirahana azy sy ny asany tamin’ny rany [izy]”


“22–28 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135–136: -Namehy ny asa nanirahana azy sy ny asany tamin’ny rany [izy],-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“22–28 nôvambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135–136,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
sarin’ny ivelan’ny Fonjan’i Carthage

Fonjan’i Carthage

22–28 nôvambra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135–136

“Namehy ny asa nanirahana azy sy ny asany tamin’ny rany [izy]”

Rehefa mamaky ny fizarana 135–136 ianao dia mety hanome hevi-baovao anao ny Fanahy Masina, ka izany dia mety hanampy ireo olona ao amin’ny kilasinao. Ireo hevitra ato anatin’ity rindran-damina ity dia mety hamolavola hevitra ao an-tsainao izay azonao ampiasaina rehefa mampianatra ianao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Inty misy fomba iray hanasana ny olona ao amin’ny kilasy hizara ny eritreriny momba ny fizarana 135–36. Asao izy ireo haka sary an-tsaina hoe afaka ny hifampiresaka amina mpikamban’ny Fiangonana iray tamin’ny taona 1844, olona iray izay very hevitra raha maty i Joseph Smith ary miahiahy ny mety ho vokatr’izany eo amin’ny Fiangonana izy. Inona no azontsika zaraina avy amin’ireo fizarana ireo ka mety hanampy an’io olona io?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135; 136:37–39

Namehy ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona tamin’ny rany i Joseph sy Hyrum Smith.

  • Ahoana no “namehezan’ny” sorona nataon’i Joseph sy Hyrum Smith ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo? Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao angamba ny mieritreritra an’io fanontaniana io eo am-pamakiany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135; 136:37–39. Avy eo izy ireo afaka mizara ny hevi-baovao noraisin’izy ireo. Afaka mizara koa ny fahatsapany ny kilasy momba ny fahavononan’i Joseph sy Hyrum hanolotra ny ain’izy ireo ho an’ny fahamarinana. Na mbola mety tsy asaina ho faty ho an’ny fahamarinana azy isika dia ahoana no ahafahantsika manao ny fiainantsika ho “famehezana” ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3

I Joseph Smith dia nahavita mihoatra noho ny olona rehetra ho an’ny famonjena antsika afa-tsy i Jesoa Kristy irery ihany.

  • Ahoana no ahafahanao manampy ny olona ao amin’ny kilasy hahatakatra ny zavatra nataon’i Joseph Smith ho fanavotana azy ireo? Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny hoe Noho ny zavatra nambaran’ny Tompo tamin’ny alalan’i Joseph Smith, Izaho dia … dia asao ireo mpianatra ieritreritra fomba hanohizana ilay fehezan-teny. Azon’izy ireo atomboka izany amin’ny fikarohana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3 ireo zavatra izay nataon’i Joseph Smith mba hanampiana antsika hahazo famonjena. Angataho ireo olona ao amin’ny kilasy hizara ny zavatra tsapan’izy ireo momba an’i Joseph Smith sy ny zavatra nambaran’ny Tompo tamin’ny alalany.

  • Fomba iray hafa azonao hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hisaintsaina ny asa nanirahana an’i Joseph Smith ny manasa azy ireo hanoratra teny fohy fanomezam-boninahitra ny maty, momba an’i Joseph Smith. Afaka mifanakalo hevitra momba ireo tranga nanan-danja na ireo zava-bitany teo amin’ny fiainany koa izy ireo. Inona ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135 no azon’izy ireo hampidirina ao amin’izany? Inona no zavatra azon’izy ireo lazaina ao anatin’ilay teny fanomezam-boninahitra hanampiana ny hafa hanamafy ny finoan’izy ireo amin’ny asa masina nanirahana an’i Joseph Smith?

  • Betsaka ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany izay nambara tamin’ny alalan’i Joseph Smith, fahamarinana izay mandray anjara amin’ny famonjena ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra. Mba hanampiana ireo olona ao amin’ny kilasy hamantatra izany fandraisana anjara izany dia azonao atao ny mampiseho sarin’i Jesoa Kristy iray ary mangataka mpianatra vitsivitsy hizara andininy iray tena tian’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny soratra masina nambara tamin’ny alalan’i Joseph Smith: ny Bokin’i Môrmôna, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ary Voahangy Lafo Vidy. Nahoana no manampy antsika hahatakatra sy hanakaiky kokoa ny Mpamonjy ireo soratra masina ireo? Amin’ny fomba ahoana no handraisan’ireo fahamarinana ao anatin’ireo andininy ireo anjara amin’ny famonjena antsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136

Afaka manatanteraka ny sitrapon’ny Tompo isika rehefa manaraka ny torohevitra omeny.

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia mamporisika ny olona ao amin’ny kilasy hikaroka torohevitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136 izay hanampy azy ireo hamadika ny fitsapana iray ho lasa traikefa ara-panahy. Azonao angatahana ireo olona ao amin’ny kilasy hizara ny torohevitra izay hitany. Azonao angatahana koa izy ireo hikaroka torohevitra ao anatin’io fizarana io izay afaka hanampy antsika hanatanteraka ny sitrapon’ny Tompo amin’izao androntsika izao tahaka ny nanampian’izany an’ireo Olomasina tamin’ny “fandehanany miankandrefana” (andininy 1).

    Sary
    Winter Quarters.

    Winter Quarters, nataon’i Greg Olsen

  • Mety hahafinaritra ireo olona ao amin’ny kilasinao ny mamorona peta-drindrina toy ireny hita ao anatin’ny gazetibokin’ny Fiangonana ireny momba ny iray amin’ireo andininy ao amin’ny fizarana 136. Afaka miara-miasa tsiroadroa na irery ireo olona ao amin’ny kilasy ary manomboka izany amin’ny fikarohana fahamarinana izay manaitra azy ao anatin’ireo andininy ireo. Avy eo izy ireo dia afaka mamorona peta-drindrina tsotsotra iray izay maneho ny fomba ahafahan’io fahamarinana nampianarina tamin’ny taona 1847 io manampy antsika ankehitriny.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Hira mifandraika amin’ny lesona

Ny fihirana ireto hira manaraka ireto na ny fijerena ireto horonan-tsary ireto dia afaka hanasa ny Fanahy Masina na hitarika fifanakalozan-kevitra momba ny asan’ny Mpaminany Joseph Smith sy ny fahafoizan-tenan’ireo Olomasina izay nanohy ny asa taty aoriana.

Je rencontrais sur mon chemin” (Cantiques, no. 17). Raha tao amin’ny Fonjan’i Carthage, dia nangataka an’i John Taylor hihira an’io hira io i Joseph Smith.

Dera ho an’ilay nandre an’i Jehovah” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 100; horonan-tsary, www.thetabernaclechoir.org/videos/praise-to-the-man-mormon-tabernacle-choir). Ny tonon’ity hira ity dia nosoratana ho fanomezam-boninahitra an’i Joseph Smith.

Ndao ry Olomasina” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 4, horonan-tsary, www.thetabernaclechoir.org/videos/come-come-ye-saints-mormon-tabernacle-choir).

Faith in Every Footstep” (horonan-tsary, www.thetabernaclechoir.org/videos/faith-in-every-footstep).

Manatsara ny fampianarantsika

Mijoroa ho vavolombelona mikasika ny fotopampianarana marina. Afaka mizara ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fahamarinana mifototra amin’ny fotopampianarana ianao mandritra ny lesona fa tsy amin’ny farany ihany. Rehefa manao izany ianao dia hanamafy ny fahamarinan’ilay fotopampianarana ao am-pon’ireo izay ampianarinao ny Fanahy Masina. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,21.)

Hamoaka printy