Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
29 nôvambra–5 desambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137–138: “Ny fahitana ny amin’ny fanavotana ny maty”


“29 nôvambra–5 desambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137–138: -Ny fahitana ny amin’ny fanavotana ny maty,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“29 nôvambra–5 desambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137–138,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
olona ao amin’ny tontolon’ny fanahy

Mahita ny rainy sy ny reniny ary ny rahalahiny ao amin’ny fanjakana selestialy i Joseph (Joseph Smith’s Vision of the Celestial Kingdom, Robert Barrett).

29 nôvambra–5 desambra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137–138

“Ny fahitana ny amin’ny fanavotana ny maty”

Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Afaka manontany tena mangingina mikasika ny toe-javatra hiainana any amin’ny tontolon’ny fanahy isika. … Kanefa isika dia tsy tokony hampianatra na hampiasa toy ny fotopampianarana ôfisialy ny zavatra tsy mahafeno ny fenitry ny fotopampianarana ôfisialy” (“Matokia ny Tompo,” Liahona, nôv. 2019, 28). Makà antoka fa mifototra amin’ny soratra masina sy ny tenin’ny mpaminany ny fifanakalozan-kevitra ataonareo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Betsaka ireo fahamarinana ara-potopampianarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137–38. Asao ny olona ao amin’ny kilasy hitanisa ny sasantsasany amin’ireo. Avy eo dia afaka maka minitra vitsy hamerenana mamaky ny lisitra nataon’izy ireo ianareo ary mifampiresaka mikasika ny maha zava-dehibe ireo fahamarinana ireo ho azy ireo. Moa ve nisy nianatra zavatra avy amin’ireo fizarana ireo izay tsy takany teo aloha?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137; 138:32–37

Hanana fahafahana hisafidy ny voninahitra selestialy avokoa ny fanahy rehetra.

  • Maro amintsika no mahafantatra olona izay tsy nanana fahafahana hanaiky ny filazantsara teto amin’ity fiainana ity, ao anatin’izany ireo izay maty tao amin’ny fahazazany. Asao ireo olona ao amin’ny kilasy hizara ny fahamarinana iray hitany tao amin’ny fizarana 137 izay nanampy azy ireo hahatakatra ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ireo olona ireo. Inona no fahamarinana hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:32–37 izay manampy ny fahatakarantsika ny drafitr’Andriamanitra? Ireo olona ao amin’ny kilasy dia afaka mizara ny fahatsapana haterak’ireo fahamarinana ireo ao amin’izy ireo momba ny Ray any An-danitra sy ny drafitry ny famonjena ary ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ny teny nambara ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia mety hanampy amin’io fifanakalozan-kevitra io.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:1–11, 25–30

Ny famakiana sy ny fisaintsainana ny soratra masina dia manomana antsika handray fanambarana.

  • Ny traikefa izay nofariparitan’i Joseph F. Smith ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:1–11, 25–30 dia manampy antsika hahatakatra ny fomba tokony hiomanantsika handray fanambarana. Mety afaka miara-miasa ireo olona ao amin’ny kilasy hamantatra ny zavatra ianaran’izy ireo momba ny fanambarana avy amin’ireo andininy ireo. Azonao angatahana ihany koa ireo olona ao amin’ny kilasy hizara ny fomba nanampian’ny famakiana sy ny fisaintsainana ireo soratra masina ireo azy ireo amin’ny fiomanan’izy ireo handray fanambarana (jereo koa ny Joseph Smith—Tantara 1:11–12).

  • Ny hafatry ny Filoha M. Russell Ballard hoe “Ny fahitana momba ny fanavotana ny maty” (Liahona, nôv. 2018, 71–74) dia milazalaza momba ny “fiomanan’i Joseph F. Smith nandritra ny androm-piainany handray ity fanambarana miavaka ity [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138].” Raha misy amin’ireo olona ao amin’ny kilasinao namaky ny hafatry ny Filoha Ballard tamin’iny herinandro iny dia entano izy ireo hizara ny zavatra izay nanaitra azy ireo. Na afaka miara-mamaky ampahany amin’ilay hafatra ianareo. Inona no nanaitra antsika momba ny fiainana sy ny toetran’ny Filoha Smith? Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nomeny?

    Sary
    sary hoso-doko maneho an’i Joseph F. Smith

    Joseph F. Smith, nataon’i Albert E. Salzbrenner

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:12–60

Mitohy aorian’ny fahafatesana ny asa famonjena.

  • Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hamantatra fahamarinana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:12–60 dia azonao omena fanontaniana momba ny tontolon’ny fanahy izy ireo izay voavaly ao anatin’ireo andininy ireo ihany. Ohatra: Inona no nataon’ny Mpamonjy rehefa nandeha tany amin’ny tontolon’ny fanahy Izy? Iza ireo mpitondra hafatry ny Tompo ary inona no hafatra entin’izy ireo? Afaka misafidy ny iray na maro amin’ireo fanontaniana ireo ny olona ao amin’ny kilasy ary miara-miasa anaty vondrona kely hitadiavana valiny. Avy eo dia afaka mifampizara ny fahamarinana hitany izy ireo. Manova ny fiainantsika amin’ny fomba ahoana ireo fahamarinana ireo?

  • Inona no mety ho lazaintsika ny olona iray izay manontany hoe: “Inona no mitranga rehefa maty isika?” Inona no zavatra ho zaraintsika avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:12–60 izay afaka hanampy antsika hamaly an’io fanontaniana io? (jereo koa ny Almà 40:11–15).

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

“Manome fahafahana ho an’ny zanany rehetra hanaiky ny filazantsara ny drafitr’ Andriamanitra.

Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring hoe:

“Tena vitsy an’isa ireo zanak’ Andriamanitra izay mahazo mandritra ity fiainana ity ny fahatakarana feno momba ny drafitr’ Andriamanitra, sady manana fahafahana hampiasa ireo ôrdônansin’ny fisoronana sy hanao fanekempihavanana mba hahatonga ny sorompanavotan’ny Mpamonjy hiasa tanteraka eo amin’ny fiainantsika. …

“Mety mihevitra ny sasany fa tsy rariny izany. Mety ho raisin’izy ireo ho porofo mihitsy aza izany fa tsy misy drafitra na zavatra takina manokana mba hahazoana famonjena, ka mahatsapa izy ireo fa ilay Andriamanitra marina sy be fitiavana dia tsy hamorona drafitra iray izay natao ho an’ny ampahany kely amin’ny zanany toy izany. Ny sasany mety hino fa efa notapahan’ Andriamanitra mialoha izay zanany hovonjeny ka nomeny fahafahana handray ny filazantsara izy ireo, ary ireo izay tsy nandre velively ny filazantsara dia tsy “voafidy” tsotra fotsiny.

“Saingy izaho sy ianao dia mahafantatra fa noho ireo fahamarinana naverina tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith, dia mifono fitiavana bebe kokoa ary mihoatra lavitra noho izany ny drafitr’ Andriamanitra. Maniry mafy ny hanangona sy hitahy ny olona rehetra ao anatin’ny fianakaviany ny Raintsika any An-danitra. Na dia fantany aza fa tsy izy rehetra akory no hisafidy ny hangonina, dia manome fahafahana ho an’ny zanany tsirairay ny drafiny mba hanaiky na handà ny fanasany.“ (“Manangona ny fianakavian’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2017, 20–21).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampiasao ny tenin’ireo mpaminany. “Ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany no loharanon’ireo fahamarinana ampianarintsika. Amporisiho amin’ny fotoana rehetra azo anaovana izany ireo izay ampianarinao mba hitodika any amin’ny tenin’ Andriamanitra rehefa hitady fitarihana.” (Mampianatra araka ny Fomban’ny Mpamonjy, 21).

Hamoaka printy