Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
6–12 desambra. Ireo Fanekem-pinoana sy ny Fanambarana Ôfisialy 1 sy 2: “Mino isika”


“6–12 desambra. Ireo Fanekem-pinoana sy ny Fanambarana Ôfisialy 1 sy 2: -Mino Isika,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“6–12 desambra. Ireo Fanekem-pinoana sy ny Fanambarana Ôfisialy 1 sy 2,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
lamba bemiray ahitana sarina tanana samy hafa fihodirana

Ho an’ireo lehilahy mpikambana mendrika rehatra, nataon’i Emma Allebes

6–12 desambra

Ireo Fanekem-pinoana sy Fanambarana Ôfisialy 1 sy 2

“Mino isika”

Vakio amim-bavaka ny Fanekem-pinoana sy Fanambarana Ôfisialy 1 sy 2 ary katsaho ny fitaomana avy amin’ny Fanahy Masina eo am-pamolavolanao drafitry ny traikefa amin’ny fianarana izay hanan-danja amin’ireo olona ao amin’ny kilasy amin’ny alahady.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Afaka manasa ireo olona ao amin’ny kilasy ianao hameno ity fehezan-teny ity: “Faly aho fa namaky ny soratra masina tamin’ity herinandro ity satria …”

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Ireo Fanekem-pinoana

Ireo Fanekem-pinoana dia mirakitra fahamarinana fototry ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny.

  • Ity misy fomba iray hanampiana ireo olona ao amin’ny kilasy hizara ny zavatra hitany fa manan-danja indrindra ao amin’ny Fanekem-pinoana: Azonao atao ny manoratra ny tarehimarika 1 ka hatramin’ny 13 eo amin’ny solatraibe ary angataho ireo olona ao amin’ny kilasy hanoratra eo akaikin’ny tarehimarika ny zavatra iray nianarany momba ilay fanekem-pinoana mifandraika amin’izany. Inona no fahasamihafana entin’ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fifandraisantsika amin’ireo Ray aman-dRenintsika any An-danitra sy Jesoa Kristy? Angamba afaka mizara ny fomba nanatsaran’ny Fanekem-pinoana ny fandalinan’izy ireo ny filazantsara ireo olona ao amin’ny kilasy na ny nanampian’izany azy ireo hizara ny filazantsara amin’ny hafa.

Ireo Fanekem-pinoana ; Fanambarana Ôfisialy 1 sy 2

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia tarihin’ny fanambarana.

  • Nahoana no zava-dehibe amintsika ny fitohizan’ny fanambarana? Asao ny olona ao amin’ny kilasy hizara ny fahatsapan’izy ireo momba izany fanontaniana izany. Azon’ireo olona ao amin’ny kilasy atao koa ny mifanakalo-hevitra mikasika ny fomba hifandraisan’ny Fanambarana Ôfisialy 1 sy 2 amin’ny fitsipiky ny fanambarana mitohy. (Nyrindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia mandroso loharanom-pitaovana mety hanampy izay mifandraika amin’ireo fanambarana ireo.) Inona no ianarantsika ao amin’ny Fanambarana Ôfisialy 1 sy 2 momba ny anjara asan’ny fanambarana amin’ny fitarihana ny Fiangonana? (jereo koa ny Fanekem-pinoana 1:9 ary ny teny nambara avy amin’ny Filoha Gordon B. Hinckley ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Inona no ohatra hafa ana fanambarana mitohy izay azon’ny mpianatra eritreretina? Inona no fiantraikan’ireo fanambarana ireo eo amin’ny fiainantsika ary ahoana no hanampian’izany antsika hanorina ny fanjakan’ny Raintsika any An-danitra?

  • Afaka manasa ireo mpianatra hamaky indray ny Fanambarana Ôfisialy 1 sy 2 ianao ary hizara zavatra iray avy amin’ireo fanambarana ireo izay afaka hanampy olona iray izay sahirana amin’ny fanekena fiovana amin’ny lalàna anankiray na fanambarana na fotopampianaran’ny Fiangonana. Ahoana no nianaran’ny olona ao amin’ny kilasy hametraka fitokisana amin’ Andriamanitra rehefa nanana olana tamin’ny zavatra iray ao amin’ny Fiangonana izy ireo? Amin’ny fomba ahoana no hahafahan’ny fandalinan’izy ireo amin’ity herinandro ity manamafy ny finoany fa mitarika ny Fiangonany ny Tompo? Afaka manampy ny hevitra nomen’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”.

    Sary
    sary hoso-doko maneho an’i Wilford Woodruff

    Wilford Woodruff, nataon’i H. E. Peterson

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

“Teo ny Fanahin’ Andriamanitra.”

Mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Filoha Gordon B. Hinckley tamin’ny fotoana nandraisana ilay fanambarana voasoritsoritra ao amin’ny Fanambarana Ôfisialy 2. Taona maro taty aoriana, dia nanoratra ny mombamomba an’izany traikefa izany izy:

“Nisy rivotra masina niainana tao amin’ny efitra. Tamiko izany dia tahaka ny fahatsapana hoe nisokatra ny lalana nankany amin’ny seza fiandrianana masina any an-danitra avy amin’ny fandoalihana sy ny fikatsahan’ny Mpaminanin’ Andriamanitra izay nampian’ny Rahalahiny avy teo. Teo ny Fanahin’ Andriamanitra. Ary tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina dia tonga tamin’izany mpaminany izany ny fanomezan-toky fa ny zavatra izay nivavahany dia marina, ary efa tonga ny fotoana, ka ankehitriny dia tokony homena ny lehilahy mendrika ireo fitahiana mahatalanjon’ny fisoronana na aiza na aiza, na inona na inona rohim-pihavanany.

“Ny lehilahy tsirairay tao anatin’izany faribolana izany dia nahalala zavatra iray ihany tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

“Traikefa masina sy mampanetry tena izany. … Tsy nisy feo ren’ny sofinay ara-batana tamin’izay. Fa ny feon’ny Fanahy kosa no nibitsika marina tao amin’ny sainay sy ny fanahinay” (“Priesthood Restoration,” Ensign, Oct. 1988, 70).

“Voajanahary ny fananana fanontaniana.”

Hoy ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ho an’ireo izay manana ahiahy momba ny tantaran’ny Fiangonana na ny fotopampianarana:

“Voajanahary ny fananana fanontaniana—ny voa kelin’ny fangatahana amin-kitsimpo matetika dia nitsimoka ary nitombo ka lasa hazo lehiben’ny fahatakarana. Misy mpikambana vitsivitsy ato amin’ny Fiangonana izay tsy niady mafy nanontany tena nametraka fanontaniana lehibe na manohina, tao anatin’ny fotoana iray na ny fotoana hafa. Iray amin’ireo tanjon’ny Fiangonana ny mikolokolo sy mamboly ny voan’ny finoana—eny fa na dia ao anatin’ireo tany fasiky ny ahiahy sy ny tsy fahazoana antoka aza indraindray. Ny finoana dia fanantenana ny zavatra izay tsy hita nefa marina.

“Noho izany, ry rahalahiko sy anabaviko malala isany—ry namako malala isany—miangavy anareo aho hoe ny ahiahinareo aloha no ahiahio alohan’ny hiahiahianareo ny finoanareo. Tsy tokony hamela ny ahiahintsika mihitsy isika hanagadra sy hanakana antsika tsy hahazo ilay fitiavan’ Andriamanitra sy ny fiadanany ary ireo fanomezam-pahasoavana izay tonga amin’ny alalan’ny finoana ny Tompo Jesoa Kristy” (“Andao hiaraka aminay,” Liahona, nôv. 2013, 23; jereo ihany koa ny Lawrence E. Corbridge, “Stand Forever” [fampaherezam-panahy an’ny Oniversite Brigham Young, 22 jan. 2019], speeches.byu.edu).

Manatsara ny fampianarantsika

Tsy maninona ny miteny hoe “tsy fantatro.” Raha toa ka tokony hanao izay tsara indrindra vitanao ianao hamaliana izay fanontaniana ananan’ireo olona ao amin’ny kilasinao momba ny filazantsara, dia tsy andrasan’ny Tompo aminao ny hahaizanao ny zava-drehetra. Rehefa tsy hainao ny fomba hamaliana zavatra iray dia tsory izany. Avy eo dia tariho mankany amin’ny fotopampianarana nambara ireo olona mianatra ary mijoroa vavolombelona amin’ny fo ny amin’ny zavatra fantatrao. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,24.)

Hamoaka printy