Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
20–26 desambra. Krismasy: Ilay fanomezana tsy manam-paharoan’ny Zanak’ Andriamanitra


“20–26 desambra. Krismasy: Ilay fanomezana tsy manam-paharoan’ny Zanak’ Andriamanitra,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“20–26 desambra. Krismasy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
zava-kanto maneho an’i Maria sy i Jesoa zazakely

Ny Fahaterahana, natao tamin’ny loko manodidina ny cuivré sy terre de sienne, nataon’i J. Kirk Richards

20–26 desambra

Krismasy

Ilay fanomezana tsy manam-paharoan’ny Zanak’ Andriamanitra

Tsarovy fa ny fianarana filazantsara manan-danja sy mahomby indrindra ataon’ny olona ao amin’ny kilasy dia mitranga any an-tokantranony. Eo am-piomananao hampianatra dia hevero ny fomba hahafahan’ny kilasin’ny Sekoly Alahadinao manatsara ny fandalinany manokana sy hiarahany amin’ny fianakaviany.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Tamin’ny fomba ahoana no nitahian’ny fandalinana an’ “Ilay Kristy Velona” (ChurchofJesusChrist.org) ny olona ao amin’ny kilasinao tamin’ity herinandro ity? Azonao zaraina ireto teny ireto, izay avy amin’ny Rahavavy Jean B. Bingham, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, ary asao ny olona ao amin’ny kilasy hiresaka momba ny zavatra niainany mitovy amin’izany: “Nandritra ny fandalinako ny fiainana sy ny fampianaran’i Jesoa Kristy tamim-pifantohana kokoa sy ny fanolorako tena hanao tsianjery ny -Ilay Kristy Velona- dia nitombo ny fankasitrahako sy ny fitiavako ny Mpamonjy antsika. Ny fehezan-teny tsirairay ao amin’io tahirin-kevitra io dia mirakitra fampianarana ka nanatsara ny fahatakarako ny anjara asa masina tanany sy ny iraka nampanaovina Azy teto an-tany. Ny zavatra nianarako sy tsapako nandritra io fotoana nandalinana sy nisaintsainana io dia manamafy fa i Jesoa Kristy tokoa no -fahazavana, fiainana, ary fanantenan’izao tontolo izao-” (“Ka ho tanteraka ny fifalianareo,” Liahona, nôv. 2017, 85).

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

“Tsy nisy olona hafa nanana akony.”

  • Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny mamaky ny andiam-pehezan-teny voalohany ao amin’ny “Ilay Kristy Velona” ary mizara ny eritreritr’izy ireo momba ny hoe fa nahoana i Jesoa Kristy no manana akony lalina kokoa noho izay olona hafa rehetra. Inona koa no fehezan-teny hafa ao amin’ny “Ilay Kristy Velona” manohana an’io filazana io? Asao ny olona ao amin’ny kilasy hizara ny akony nananany teo amin’ny fiainan’izy ireo manokana. Ny horonan-tsary hoe “Why We Need a Savior” (ChurchofJesusChrist.org) dia afaka manampy amin’io resadresaka io.

  • Moa ve misy olona ao amin’ny kilasy efa nanazava tamin’ny olona avy amin’ny kolontsaina hafa ny antony hankalazany ny Krismasy? Azony atao ny mizara ny zavatra niainany. Na azonao asaina ny olona ao amin’ny kilasy haka sary an-tsaina hoe apetraky ny olona iray izay tsy mahafantatra loatra ny maha-Kristiana aminy io fanontaniana io. Ahoana no hamalianao an’io fanontaniana io? Amporisiho ny olona ao amin’ny kilasy hanao famerenana ny “Ilay Kristy Velona” miaraka amin’io fanontaniana io ao an-tsainy ary manasà vitsivitsy amin’izy ireo hizara ny eritreriny. Azonareo iray kilasy vakiana ihany koa ny Lioka 2:10–14 na azonareo hiraina ny hira iray ao amin’ny fihirana izay maneho ny fifalian’ny Krismasy (toy ny “Oh, quel bonheur! Jésus viendra!,” Cantiques, no. 123 ohatra) ary miresaka momba ny antony maha-fifaliana lehibe ny fahaterahan’i Kristy. Inona no azontsika atao mba handraisana ilay Mpanjakantsika?

    Sary
    Jesoa Kristy

    Fahazavan’izao tontolo izao, nataon’ i Howard Lyon

“Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy manam-paharoa ny Zanany.”

  • Ao amin’ny “Ilay Kristy Velona,” ireo Apôstôly dia miantso ny Mpamonjy hoe “fanomezan[a]” avy amin’ny Raintsika any An-danitra. Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hianatra misimisy kokoa momba izany fanomezana izany dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny hoe Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, Andriamanitra dia manome antsika ny fanomezan’ny … dia asao ny olona ao amin’ny kilasy handroso izay fomba hahafahana mameno an’io fehezan-teny io, avy amin’izay novakiany tao amin’ny “Ilay Kristy Velona” sy ny teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Ahoana no handraisantsika an’ireo fanomezana ireo? Azonao asaina ny olona ao amin’ny kilasy hisafidy iray amin’ireo fanomezana ireo ary hiasa mba handraisana feno kokoa amin’izany fanomezana izany.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ireo fanomezana atolotry ny Mpamonjy.

Raha nanao lahateny tamin’ny vanim-potoan’ny Krismasy ny Filoha Russell M. Nelson dia nitanisa fanomezana efatra izay omen’ny Mpamonjy an’ireo rehetra izay vonona ny handray izany izy:

“Voalohany, nomeny ahy sy anao ny fahafahana tsy manam-petra hitia. Ao anatin’izany ny fahafahana hitia izay saro-tiavina ary ireo izay tsy vitany hoe tsy tia anao fa manenjika sy manambany anao ka mampiasa anao mihitsy amin’izao fotoana izao.

“Afaka mianatra mitia tahaka ny nitiavany isika, miaraka amin’ny fanampian’ny Mpamonjy. …

“Ny fanomezana faharoa atolotry ny Mpamonjy dia ny fahafahana mamela. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotana tsy manam-petrany dia afaka mamela ireo izay nandratra anao ary ireo izay mety tsy hanaiky mandrakizay ny maha-tompon’andraikitra azy amin’ny fampijaliany anao ianao. …

“Ny fanomezana fahatelo avy amin’ny Mpamonjy dia ny fibebahana. Tsy dia takatra tsara foana io fanomezana io. … Fanomezana mampitolagaga ny fibebahana. Dingana tsy tokony atahorana na oviana na oviana izy io. Izy io dia fanomezana tokony ho raisintsika amim-pifaliana sy ampiasaina—ary ekena tanteraka mihitsy aza—isan’andro isan’andro eo am-pikatsahantsika ho lasa tahaka ny Mpamonjy antsika kokoa. …

“Raha ny tena marina dia fampanantenana ilay fanomezana fahaefatra avy amin’ny Mpamonjy, dia ny fampanantenan’ny fiainana mandrakizay izany. … Ny fiainana mandrakizay dia ny karazana fiainana ananan’ny Ray any An-danitra sy ny Zanaka Malalany. Rehefa manome antsika fiainana mandrakizay ny Ray dia milaza Izy raha ny marina hoe: -Raha misafidy ny hanaraka ny Zanako ianao—raha toa ka ny fanirianao dia ny hitovy Aminy marina—dia afaka hiaina tahaka Anay sy hiahy tontolo sy fanjakana tahaka ny ataonay ianao rehefa tonga ny fotoana mampety izany.-

“Ireo fanomezana efatra tsy manam-paharoa ireo dia hitondra fifaliana bebe kokoa ho antsika arakaraka ny hanekentsika azy ireo. Izy ireo dia misy satria i Jehovah dia nidina tety an-tany, dia i Jesoa zazakely izany” (“Four Gifts That Jesus Christ Offers to You” [fampaherezam-panahin’ny Noely ataon’ny Fiadidiana Voalohany, 2 des. 2018], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org).

Manatsara ny fampianarantsika

Manomàna tena ara-panahy “Ny fampianarana filazantsara mafonja dia midika hoe tsy manomana lesona fotsiny fa manomana ny tenantsika. … Ny mpampianatra filazantsara mahomby, mialoha ny hieritreretany ny hameno ny fotoam-pianarana, dia mifantoka amin’ny famenoana ny fony amin’ny Fanahy Masina” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 12).

Hamoaka printy