Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
13–19 desambra. Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao: “Ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary”


“13–19 desambra. Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao: -Ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“13–19 desambra. Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
fianakaviana iray

13–19 desambra

Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao

“Ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary”

Rehefa mandalina “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo” ianao mandritra ity herinandro ity dia diniho ireo fahamarinana izay hanohana ny olona ao amin’ny kilasy eo amin’ny ezaka ataony mba hampatanjahana ny tokantranony sy ny fianakaviany.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba amporisihana ny olona ao amin’ny kilasy hizara izay nianarany tamin’ity herinandro ity avy amin’ny fandalinany an’ilay fanambarana momba ny fianakaviana, dia azonao angatahana izy ireo hisafidy izay andiam-pehezan-teny tiany ary hamintina izay ampianarin’izany ao anatin’ny fehezan-teny iray.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

“Ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary.”

  • Fanta-daza amin’ny fanasongadinana ny fianakaviana ny Fiangonana, ary ilay fanambarana momba ny fianakaviana dia manambara ireo antony ara-potopampianarana mahatonga izany fanasongadinana izany. Mba handrisihana ny fifanakalozan-kevitra momba izany dia azonao asaina ny olona ao amin’ny kilasy haka sary an-tsaina hoe manontany azy ireo ny antony hanasongadinan’ny Fiangonana be ny fianakaviana ny olona iray. Inona no fahamarinana avy amin’ilay fanambarana izay azon’izy ireo zaraina mba hamaliana ny fanontanian’io olona io?

  • Ny antony iray maha-tena manan-danja ilay fanambarana momba ny fianakaviana dia satria manamafy fahamarinana izay iharam-panafihana amin’izao andro izao ilay izy. Inona no fahamarinana ao amin’ilay fanambarana izay manampy antsika tsy ho voafitak’ireo hevi-diso momba ny fianakaviana ao amin’izao tontolo izao ankehitriny? Amin’ny fomba ahoana ireo fahamarinana ireo no miantraika amin’ny safidy ataontsika? Ny teny nambaran’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia mety hanampy hamaly an’izany fanontaniana izany.

    Sary
    fianakaviana mahandro sakafo

    Ny ray aman-dreny dia tokony hitaiza ireo zanany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana.

“Ny fahasambarana ao amin’ny fiainam-pianakaviana dia azo tratrarina kokoa raha miorina amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy Tompo.”

  • Ny mifanakalo hevitra momba ireo andiam-pehezan-teny fahaenina sy fahafito ao amin’ ny fanambarana momba ny fianakaviana dia afaka manampy ireo olona ao amin’ny kilasy hahita fahasambarana kokoa ao amin’ny fifandraisan’izy ireo ao amin’ny fianakaviany. Azonao atao ny mitanisa ireo fitsipika eny amin’ny solaitrabe ary manasa ny olona ao amin’ny kilasy hiaraka tsiroaroa ka hisafidy fitsipika iray ho resadresahana. Afaka mampiasa fanontaniana toy ireto manaraka ireto izy ireo mba hitarihana ny resadresaka: Ohatra inona izay maneho an’io fitsipika io no hitantsika tao amin’ny fiainam-pianakaviana? Amin’ny fomba ahoana no hitarihan’io fitsipika io antsika ho amin’ny fahasambarana ao amin’ny fianakaviantsika? Amin’ny fomba ahoana ny fiainana io fitsipika io no manampy antsika hampiorina ny fiainam-pianakaviantsika eo amin’ny Mpamonjy? Inona no soratra masina mety hanampy ny fianakaviantsika hahatakatra an’io fitsipika io kokoa? (Afaka mahita soratra masina ny olona ao amin’ny kilasy amin’ny alalan’ny fampiasana ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina [scriptures.ChurchofJesusChrist.org].) Dia azon’ny olona nampiarahana tsiroaroa atao avy eo ny mizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nianarany.

    Antitrantero fa na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra mianjady amin’ny fianakaviantsika ankehitriny, dia afaka miezaka manorina fianakaviana mandrakizay eo amin’ny fototry ny Mpamonjy sy ny filazantsarany isika.

“Manainga ireo olom-pirenena rehetra mahatsiaro ny adidiny … izahay mba hampandroso ireo fepetra natao hiarovana sy hanamafisana orina ny fianakaviana.”

  • Ahoana no ahafahanao manampy ny olona ao amin’ny kilasinao hahatakatra ny andraikiny amin’ny fiarovana ireo fahamarinana ao amin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana? Ho fanombohana ny fifanakalozan-kevitra dia azonareo resadresahana ny zavatra nianaran’ny olona ao amin’ny kilasy avy amin’ny lohatenin’ilay fanambarana. Inona izany hoe fanambarana izany? Inona no mahatonga ny Fiadidiana Voalohany sy ny Filankevitry ny Apôstôly Roambinifolo ho olona afaka mamoaka fanambarana ho an’izao tontolo izao mahakasika ny fianakaviana? Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny manao lisitra ny zavatra izay heveriny ho ireo hafatra manan-danja indrindra ao amin’ilay fanambarana (amporisiho izy ireo hanonona andalana voafaritra tsara.) Dia azon’izy ireo resadresahana avy eo ny fomba hanaparitahana ireo hafatra ireo any amin’ny fiarahamonina na firenena misy azy ireo. Ny hafatry ny Rahavavy Bonnie L. Oscarson hoe “Mpiaro ilay fanambarana momba ny fianakaviana” dia ahitana ohatra azon’ny iray kilasy iarahana mandalina (Liahona, mey 2015, 14–17).  Azonareo jerena koa ilay horonan-tsary hoe “Defenders of the Faith” (ChurchofJesusChrist.org).

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny fianakaviana ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra.

Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe:

“Ny Olomasin’ny Andro Farany izay mahatakatra ny drafitry ny famonjena dia manana fomba fijery an’ izao tontolo izao izay miavaka ka manampy azy ireo hahafantatra ny anton’ireo didin’ Andriamanitra sy ny toetra tsy mety miova an’ireo ôrdônansy ilaina, ary ny anjara andraikitra lehibe sahanin’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia manome fahafahana antsika handresy ny fahafatesana sy manavotra antsika amin’ny fahotana raha mibebaka isika. Miaraka amin’izany fomba fijery an’izao tontolo izao izany ireo Olomasin’ny Andro Farany dia manana laharampahamehana sy fombafomba miavaka tsara ary manana ny hery hiaretana ireo tebiteby sy fanaintainana amin’ny fiainana an-tany. …

“Ny drafitry ny filazantsara izay tokony harahin’ny fianakaviana mba hiomanana amin’ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana dia voazava ao amin’ny fanambarana nataon’ny Fiangonana tamin’ny 1995, dia -Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao.- Ny fanambarana ao anatin’izany, mazava ho azy, dia hita fa tsy mitovy amin’ireo lalàna sy fomba fanao ary hevitra tohanana sasany amin’izao tontolo misy antsika izao ankehitriny. Amin’izao androntsika izao, ny tsy fitoviana tena hita dia ny fiarahan’olona mipetraka tsy vita mariazy, ny fanambadian’ny samy lahy na ny samy vavy, ary ny fitaizana ankizy ao anatin’izany karazana fifandraisana izany. Ireo izay tsy mino na tsy miandrandra ny fisandratana sy tena resy lahatra amin’ny fomban’izao tontolo izao dia mandray ity fanambarana momba ny fianakaviana ity ho filazana lalàna fotsiny izay tokony hovaina. Mifanohitra amin’izany anefa, ny Olomasin’ny Andro Farany dia manamarina fa ny fanambarana momba ny fianakaviana dia manoritsoritra ilay karazana fifandraisana ao amin’ny fianakaviana izay itrangan’ny ampahany manan-danja indrindra amin’ny fivoarantsika mandrakizay” (“Ilay drafitra sy ilay fanambarana,” Liahona, nôv. 2017, 29).

Manatsara ny fampianarantsika

Iaino amin’ny fonao manontolo ny filazantsara. “Ho tonga ny hery rehefa nanao izay azony natao rehetra ny mpampianatra mba hiomanana, ka tsy ho an’ny lesona manokana fotsiny ihany izany fa eo amin’ny fihazonana ny fiainany ho afaka hiaraka amin’ny Fanahy” (Boyd K. Packer, Teach Ye Diligently [1975], 306).

Hamoaka printy