Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
13–19 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102–105: “Fa tonga aorian’ny fahoriana be ny fitahiana”


“13–19 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102–105: -Fa tonga aorian’ny fahoriana be ny fitahiana-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady 2021 (2020)

“13–19 septambra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102–105,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
lehilahy mitarika sarety

C. C. A. Christensen (1831–1912), Ny tobin’i Ziona, nanodidina ny 1878, tempera sur mousseline, 196 x 287 santimetatra. Tranombakoky ny Zavakanto, Oniversiten’i Brigham Young, fanomezana avy tamin’ireo zafikelin’i C.C.A. Christensen, 1970.

13–19 septambra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102–105

“Fa tonga aorian’ny fahoriana be ny fitahiana”

Eo am-piomananao hampianatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102–5 dia henoy ny bitsiky ny Fanahy. Mety hitarika anao Izy ho amina fitsipika tsy voalaza ao anatin’ity rindran-damina ity izay hitahy ny fiainan’ireo olona ampianarinao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ny olona ao amin’ny kilasy dia azo ampanoratana andininy iray na roa avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102–5 izay nanaitra manokana azy ireo. Azon’izy ireo ampifanakalozana amin’ny olona iray hafa izany avy eo ka izy ireo dia hifanakalo hevitra momba izay nianaran’izy ireo avy amin’ireo andininy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103105

Ny fitsapana mahazo antsika dia mampianatra lesona ary manome traikefa antsika.

  • Rehefa nandalina ny fizarana 103 sy 105 ny olona ao amin’ny kilasy tamin’ity herinandro ity dia mety nahita fitsipika izay afaka manampy antsika mandritra ny fotoam-pitsapana na fanoherana; avelao izy ireo hizara izay hitany. Na azonao asaina izy ireo hikaroka fitsipika toy izany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:5–7, 12, 36; 105:5–6, 9–12, 18–19 (jereo ihany koa ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Inona no aroson’ireo fitsipika ireo amintsika mikasika ny fomba azontsika hiatrehana ny fotoan-tsarotra na ny fahadisoam-panantenana? Ny olona ao amin’ny kilasy dia mety haniry hizara zavatra niainany izay nahatongavan’ny fitahiana “[t]aorian’ny fahoriana be” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:12).

  • Raha mahatsapa ianao fa mety hanampy ny fampahafantarana ny tranga ara-tantara na tantara manokana momba ny tobin’i Ziona dia azonao asaina ny olona iray hijery mialoha ny: Feon’ny Famerenana amin’ny laoniny: Ny tobin’i Ziona” (ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana) ary hizara fohy ny zavatra nianarany. Raha afaka niverina tany amin’ny lasa isika ka niresaka tamin’ireo olona tao amin’ny tobin’i Ziona dia inona no azontsika lazaina azy ireo mba hankaherezana azy ireo? Inona no mety ho lazain’izy ireo mba hankaherezana antsika?

    Sary
    renirano kely

    Ny Tobin’i Ziona dia nijanojanona teny amoron’ny Renirano Little Fishing, renirano aseho amin’ity sary ity.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:11–18

Isika tsirairay avy dia “mpitantana ny fitahiana avy amin’ny tany.”

  • Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hampihatra manokana ny fampianarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:11–18, dia azonao asaina izy ireo haka sary an-tsaina hoe hampiandraikitra zavatra sarobidy iray amin’ny olona iray . Inona no holazain’izy ireo amin’io olona io? Inona no andrasan’izy ireo aminy? Avy eo dia afaka mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:11–18 ny mpianatra mba hahitana hoe inona no nampandraiketin’ny Tompo antsika ary inona no andrasany amintsika. Inona no mety ho fiantraikan’ireo andininy ireo amin’ny fomba fieritreretantsika momba ny tontolo, na ny fitahiana azontsika, na ny olona manodidina antsika?

  • Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hahatakatra tsaratsara kokoa ny “fomba izay efa notapahi[n’ny] Tompo, hamatsiana ny olomasi[ny]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:16), dia azonao asaina izy ireo hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:11–18 ka hitady ny zavatra ianarantsika ao momba ny fomba hamatsian’ny Tompo ny Olomasiny. Azonao zaraina ihany koa ity teny nambaran’ny Filoha Marion G. Romney ity: “Ny Tompo dia … afaka mikarakara ny [mahantra] ka tsy mila ny fanampiantsika raha izay no tanjony. … Kanefa dia mila izany traikefa izany isika satria amin’ny alalan’ny fianarantsika ny fomba hifampikarakarana no hananantsika ny fitiavana araka an’i Kristy ao anatintsika sy ny toe-panahy ilaina mba hahamendrika antsika hiverina eo anatrehany” (“Living Welfare Principles,” Ensign, Nov. 1981, 92). Omeo minitra vitsivitsy ny olona ao amin’ny kilasy handraisana an-tsoratra ny zavatra tsapany momba ny zavatra azony atao mba hamatsiana ny hafa amin’ny fomban’ny Tompo.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny hery manadion’ny fitsapana

Nampianatra ny Loholona Orson F. Whitney hoe: “Tsy misy fanaintainana mihatra amintsika na fitsapana mianjady amintsika ka handalo fotsiny. Mampianatra antsika izany mba hitomboan’ ny toetra toy ny faharetana, finoana, risi-po, ary fanetren-tena. Ny zavatra rehetra mihatra amintsika sy ny zavatra rehetra iaretantsika, indrindra fa rehefa miaritra izany amim-paharetana isika, dia manefy ny toetrantsika, manadio ny fontsika, mampivelatra ny fanahintsika, ary mahatonga antsika ho be fitavana kokoa sy tia miantra, mendrika kokoa ny ho antsoina hoe zanak’ Andriamanitra … ary amin’ny alalan’ny alahelo sy ny fijaliana, ny zava-tsarotra sy ny fahoriana no hahazoantsika ny fanabeazana izay ny hahazoana izany no nahatongavantsika ety sy hahatonga antsika hitovy kokoa amin’ny Raintsika sy ny Renintsika any An-danitra” (ao amin’ny Spencer W. Kimball, Faith Precedes the Miracle1972], 98).

Hoy ny Loholona David A. Bednar: “Hisy ny fotoana eo amin’ny fiainantsika tsirairay avy, hanasana antsika hanao dia ao amin’ny tobin’i Zionantsika manokana. Ny fotoana hahatongavan’ireo fanasana dia tsy hitovy, ary ny pitsopitsony momba ny sankantsakana hisy eo amin’ny diantsika dia ho samihafa. Saingy ny setriny tsy tapaka sy tsy miovaova omentsika an’io antso io no hanome any amin’ny farany any ny valin’ilay fanontaniana hoe: -[Iza no] an’i Jehovah?-” (“On the Lord’s Side: Lessons from Zion’s Camp,” Ensign, July 2017, 35).

Manatsara ny fampianarantsika

Miaraha miasa amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana. “Noho ny maha-ivon’ny fiainana sy fianarana ny filazantsara ny tokantrano, dia tena hahomby ny ezaka ataonao hanatanjahana ilay mpianatra iray rehefa miara-miasa amin’ny … olona ao anatin’ny fianakaviana akaiky ianao” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 8–9).

Hamoaka printy