Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
16–22 aogositra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89–92: “Fitsipika omban’ny fampanantenana”


“16–22 aogositra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89–92: -Fitsipika omban’ny fampanantenana,-” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“16–22 aogositra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89–92,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady

Sary
lehilahy sy vehivavy mahandro sakafo

16–22 aogositra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89–92

“Fitsipika iray omban’ny fampanantenana”

Eo am-piomananao hampianatra dia diniho ireo fitsipika izay nanan-danja taminao raha nandalina ny fizarana 89–92 ianao tamin’ity herinandro ity.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ireto misy fanontaniana azonao ampiasaina hamporisihana ireo mpianatra hizara zavatra avy amin’ny fandalinan’izy ireo ny soratra masina: Inona no novakinao tamin’ity herinandro ity izay nankahery ny finoanao an’i Jesoa Kristy? ny finoanao ny antso amin’ny maha-mpaminany an’i Joseph Smith? Inona no novakinao izay nanampy anao hahatakatra bebe kokoa ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ireo zanany?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89

Ny Tenin’ny fahendrena dia “Fitsipika omban’ny fampanantenana.”

  • Olona maro no mety mahita ny Tenin’ny Fahendrena ho toy ny lisitry ny zavatra “tokony hatao” sy “tsy tokony hatao.” Mba hanampiana ireo mpianatra hisaintsaina ireo fitsipika fonosin’io torolalana io dia asao izy ireo handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89 miaraka amin’ny fanontaniana toy izao ao an-tsaina: Nahoana ny Tompo no nanome antsika ny Tenin’ny Fahendrena? Inona no ampianarin’io fanambarana io antsika momba ny Ray any An-danitra sy ny drafiny ho antsika? Mety hanampy ny teny voalaza ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Raha tsapanao fa hitondra tombontsoa ho an’ireo mpianatrao izany dia azonao asaina izy ireo hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo fomba ara-pahasalamana sy manimba izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:5–17. Avy eo dia azon’izy ireo jerena ny “Santé physique et émotionnelle” ao amin’ny Jeunes, soyez forts (25–27) ary afaka mampiditra ireo zavatra hafa hitany eo amin’ny lisitra nataony izy ireo. Ahoana no nahatanterahan’ireo fampanantenana ao amin’ny andininy 18–21 teo amin’ny fiainantsika?

  • Ity misy fomba iray hafa mety hanampy ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ireo fitsipika ao amin’ny Tenin’ny Fahendrena. Azonao zaraina ho vondrona telo ireo mpianatra ary angataho ny vondrona tsirairay hamaky ny fizarana 89, ary hitady ny valin’ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona avy ireo fitsipika afaka mitondra famporisihana ho an’ny olona iray izay sahirana amin’ny fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena? Inona no fitsipika izay afaka manampy antsika tsy hitsaratsara ireo izay sahirana mankatò izany? Inona no fitsipika izay afaka mankahery antsika rehefa manana olana ara-pahasalamana isika na dia efa miaina ny Tenin’ny Fahendrena aza? Ao anatin’io atrikasa io dia azonao atao ny mizara ny zavatra niainan’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf tao anatin’ny fiofanany ho mpanamory fiaramanidina (jereo ny “Mitozoa ao amin’ny faharetana,” Liahona, mey 2010, 58). Amporisiho ireo mpianatra mba handinika zavatra izay tsapan’izy ireo ho nanentanan’ny Fanahy azy mba hataony nandritra ilay fifanakalozan-kevitra ary omeo fotoana izy ireo hanoratra ny zavatra tsapany.

    Sary
    ankizilahy mihazakazaka eny amoron-dranomasina

    Nambaran’ Andriamanitra ny Tenin’ny Fahendrena mba hanampiana ireo zanany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:1–17

Ny Fiadidiana Voalohany no mihazona “ny fanalahidin’ny fanjakana.”

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia mamporisika ny mpikambana rehetra mba hikaroka ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:1–17 mba hianatra momba ny Fiadidiana Voalohany. Azonao angatahina ny mpianatra mba hizara ny zavatra nianarany tany an-trano avy tamin’io zavatra nampanaovina io, na azonareo iarahana mandalina ireo andininy ireo ao an-dakilsy. Afaka mitady andian-teny avy ao amin’ny “Viens écouter la voix de Dieu” (Cantiques, no. 12) ihany koa ireo mpianatra na hira hafa momba ny mpaminany izay mifandray amin’ireo fampianarana ao amin’ireo andininy ireo. Ahoana no nanampian’ny fanompoan’ny Fiadidiana Voalohany anao hahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 91

“Ny Fanahy no maneho ny fahamarinana?”

  • Ao amin’izao tontolo ankehitriny izao isika dia mahita hafatra izay mirakitra “zavatra maro … izay marina” ary “zavatra maro … tsy marina” (andininy 1–2). Asao ireo mpianatra mba hijery ao amin’ny fizarana 91 ka hitady torohevitra momba ny Apôkrifa izay afaka manampy azy ireo hanavaka ny marina ao amin’ireo hafatra izay azon’izy ireo. Inona no hafatra azon’izy ireo zaraina momba ny fomba nanampian’ny Fanahy azy ireo hanavaka ny marina?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny Tenin’ny Fahendrena.

Nampianatra ny Filoha Boyd K. Packer hoe:

“Ny Tenin’ny fahendrena dia -nomena ho fitsipika omban’ny fampanantenana- [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:3]. Io teny hoe fitsipika io ao amin’ilay fanambarana dia tena manan-danja. Ny fitsipika dia fahamarinana maharitra na lalàna azonao ampiasaina mba hitarika anao eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Amin’ny ankapobeny ny fitsipika dia tsy voazava amin’ny antsipiriany. Izany dia mamela anao malalaka hitady ny lalanao miaraka amin’ny fahamarinana maharitra, fitsipika, ho fototra iorenanao.

“Manoratra taratasy aty aminay ireo mpikambana mba hahalalana raha toa ka mifanohitra amin’ny Tenin’ ny Fahendrena na tsia ny zavatra sasantsasany. Fantatsika rehetra fa mifanohitra amin’izany ny dite, ny kafe, ny zava-pisotro mahamamo ary ny paraky sy ny sigara. Tsy nisy fanazavana momba ny antsipiriany amin’izany. Fa mampianatra ny fitsipika omban’ny fitahiana ampanantenaina kosa isika. Maro ireo zavatra izay miteraka fahazarana sy fiankinan-doha izay azo sotroina na tsakoina na trohana na atsindrona amin’ny vatana izay mandratra ny vatana sy ny fanahy no tsy voalaza ao amin’ilay fanambarana. …

“Hajao ireo fitsipika ao amin’ny Tenin’ny Fahendrena, dia hahazo ireo fitahiana nampanantenaina ianao” (“The Word of Wisdom: The Principle and the Promises,” Ensign, May 1996, 17–18).

Manatsara ny fampianarantsika

Mijoroa ho vavolombelona matetika. Ny fijoroanao ho vavolombelona amin’ny fomba tsotra sy amin-kitsimpo mikasika ireo fahamarinana ara-panahy, dia afaka ny hisy fiantraikany mahery vaika eo amin’ireo izay ampianarinao. Tsy ilaina ho be haingon-teny na atao lava be ny fijoroanao ho vavolombelona. Izany ohatra dia mety ho fijoroana ho vavolombelona tsotra momba ireo fitahiana noraisinao noho ny fiainana ny Tenin’ny Fahendrena. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 35.)

Hamoaka printy